Fomba Fitory Modely
Hanombohana Fampianarana Baiboly ny Asabotsy Voalohany Amin’ny Volana Aogositra
“Olona maro no manao an’ilay Vavaka Nampianarin’ny Tompo. Amin’izy iny misy hoe: ‘Ho tonga anie ny Fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany, tahaka ny any an-danitra.’ Inona moa io Fanjakana io, araka ny hevitrao? [Avelao izy hamaly.] Miresaka momba azy io ity andinin-teny ity.” Vakio ny Daniela 2:44. Omeo an’ilay Tilikambo 1 Jolay ilay olona, ary vakio sy diniho miaraka aminy ireo fehintsoratra eo ambanin’ny fanontaniana voalohany, eo amin’ny pejy 16. Atolory ireo gazety, ary manaova fotoana mba hamaliana ny fanontaniana manaraka.
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay
“Tena fohy sy feno zava-manahirana ny fiainana, ka maro no mieritreritra hoe inona àry no mba dikan’ny fiainana. Efa nieritreritra an’izany koa ve ianao? [Avelao izy hamaly.] Milaza ny Baiboly fa tsy ho hoatr’izao foana ny fiainana. [Vakio ny Apokalypsy 21:4.] Hazavain’ity gazety ity ny fikasan’Andriamanitra momba ny tany, sy izay azontsika atao mba hisy dikany ny fiainantsika dieny izao.”
Mifohaza! Jolay
Miresaha loza iray navoakan’ny fampitam-baovao, ary milazà hoe: “Araka ny hevitrao, nahoana no avelan’Andriamanitra hitranga izany? [Avelao izy hamaly.] Milaza ny Baiboly fa tena malahelo an’ireo mijaly Andriamanitra. [Vakio ny Eksodosy 3:7.] Resahin’ny Baiboly ny antony amelany ny fijaliana hisy, ary voalaza ao koa fa hofoanany tsy ho ela izany. Izay no hazavain’ity gazety ity.”