“Horaisiko ny Bokinareo Raha Raisinareo ny Anay”
Izany no lazain’ny olona sasany itoriantsika. Tsy manakalo ny bokintsika amin’ny boky ara-pivavahana mampianatra zavatra diso isika. (Rom. 1:25) Mba tsy hampahatezitra an’ilay olona dia afaka milaza isika hoe: “Fa inona ny vahaolana resahiny momba ny zava-tsarotra atrehin’ny olona? [Avelao izy hamaly. Raha asainy mamaky an’ilay bokiny ianao mba hahitanao ny valiny, dia ampahatsiahivo azy fa nolazainao taminy izay raketin’ny boky nomenao azy, izay vao natolotrao ilay izy. Vakio na tonòny aminy ny Matio 6:9, 10.] Nilaza i Jesosy fa ny Fanjakan’Andriamanitra no hanao ny sitrapon’Andriamanitra eto an-tany. Tsy mamaky boky ara-pivavahana afa-tsy izay manohana ny Fanjakan’Andriamanitra àry aho. Tianao ve raha asehoko anao avy ao amin’ny Baiboly ny zavatra sasany hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra?”