Fomba Fitory Modely
Hanombohana Fampianarana Baiboly ny Asabotsy Voalohany Amin’ny Volana Oktobra
“Maro ny olona milaza fa ny fahafatesan’ny havany no anisan’ny zavatra mafy indrindra taminy. Hoatr’izany koa ve no tsapanao? [Avelao izy hamaly.] Jereo ange ity fa mampahery be e!” Asehoy ilay lahatsoratra eo amin’ny pejy farany amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra. Iaraho midinika ny fanontaniana voalohany, ary mamakia andininy iray, fara fahakeliny. Atolory miaraka amin’ny Mifohaza! ilay gazety, ary manaova fotoana mba handinihana ny fanontaniana manaraka.
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra
“Mampirisika ny olona hamaky Baiboly izahay. Fantatray fa misy olona tia mamaky Baiboly nefa misy koa tsy tia. Ary ianao? [Avelao izy hamaly.] Izao mihitsy no lazain’ny Baiboly. [Vakio ny 1 Tesalonianina 2:13.] Ekenao angamba hoe tokony hovakina ny Baiboly raha tena avy amin’Andriamanitra. Hazavain’ity gazety ity hoe inona no tena resahina ao amin’ny Baiboly ary nahoana isika no tokony hamaky azy io.”
Mifohaza! Oktobra
“Azontsika atao ve ny mianina raha tsy dia manam-bola isika? [Avelao izy hamaly.] Jereo ange ny lazain’ny Baiboly e! [Vakio ny 1 Timoty 6:8.] Resahin’ity gazety ity ny tokony hiheverantsika ny vola. Resahiny ato koa ireo zavatra telo tsy voavidim-bola.”