Fomba Fitory Modely
Hanombohana Fampianarana Baiboly ny Asabotsy Voalohany Amin’ny Volana Oktobra
“Te hanontany ny hevitrao momba ny fitondram-panjakana mahomby izahay. Misy fitondrana afaka manafoana ny zava-manahirana, toy ny herisetra sy ny tsy rariny ve?” Avelao izy hamaly. “Nasain’i Jesosy nangataka ny hisian’ny fitondrana toy izany ny mpanara-dia azy, tao amin’ilay Vavaka Nampianarin’ny Tompo. Ny Fanjakan’Andriamanitra izany fitondrana izany.” Asehoy ilay lahatsoratra eo amin’ny pejy farany amin’ilay Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra. Iaraho midinika ny fanontaniana voalohany, ary mamakia andinin-teny iray, fara fahakeliny. Atolory miaraka amin’ny Mifohaza! ilay gazety, ary manaova fotoana mba handinihana ny fanontaniana manaraka.
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra
“Tianay ho fantatra ny hevitrao momba ny zavatra voaresaka ato amin’ity vavaka nampianarin’i Jesosy ity. [Vakio ny Matio 6:9, 10.] Fantatrao ve hoe inona marina izany Fanjakan’Andriamanitra izany, ary nahoana i Jesosy no niresaka momba azy io foana? [Avelao izy hamaly.] Hazavain’ity gazety ity izay lazain’ny Baiboly momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fitahiana sasany hoentin’izy io eto an-tany.”
Mifohaza! Oktobra
“Te hanontany ny hevitrao momba ny valin’ity fanontaniana ity izahay androany. [Asehoy azy ny fonon’ilay gazety.] Tsy maintsy manan-karena ve isika, araka ny hevitrao, vao tena mahomby? [Avelao izy hamaly.] Asehon’ny Baiboly hoe ahoana no tokony hiheverana ny fananana. [Vakio ny Lioka 12:15.] Milaza ny Baiboly fa afaka ny hahomby ny olon-drehetra. Manazava an’izany ity gazety ity.”