FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 10/11 p. 8
  • Fomba Fitory Modely

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fomba Fitory Modely
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2011
  • Mitovitovy Aminy
  • Fomba Fitory Modely
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2013
  • Fomba Fitory Modely
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2014
  • Fomba Fitory Modely
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
  • Fomba Fitory Modely
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2011
km 10/11 p. 8

Fomba Fitory Modely

Hanombohana Fampianarana Baiboly ny Asabotsy Voalohany Amin’ny Volana Novambra

“Sarotra izao ny fiainana, ka lasa mikorontana hatramin’ny fianakaviana. Aiza, araka ny hevitrao, no misy torohevitra tsara mba hahasambatra ny tokantrano?” Avelao izy hamaly. Omeo azy Ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra, ary mifidiana fanontaniana iray eo amin’ny pejy 16 na 17, ka diniho miaraka aminy. Mamakia andinin-teny iray, fara fahakeliny. Atolory ireo gazety, ary manaova fotoana mba handinihana fanontaniana hafa indray.

Ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra

Asehoy ny fonon’ilay gazety, ary milazà hoe: “Manao ahoana ny fihetseham-ponao raha fantatrao fa lainga ny zavatra nampianarina anao momba an’Andriamanitra? [Avelao izy hamaly.] Nanoro antsika ny fomba anavahana ny marina sy ny lainga i Jesosy. [Vakio ny Jaona 17:17.] Ny Baiboly ihany àry no mampianatra antsika ny marina momba an’Andriamanitra. Hazavain’ity gazety ity ny lainga dimy naelin’ny olona sy izay tena lazain’ny Baiboly.”

Mifohaza! Oktobra

“Ny tanjonay androany dia ny hitondra fanampiana ho an’ny fianakaviana. Inona aminao no tena sarotra ho an’ny ray aman-dreny, rehefa mitaiza ny zanany? [Avelao izy hamaly.] Ray aman-dreny maro no maka torohevitra ao amin’ny Baiboly. Ity, ohatra, misy hevitra tsara mba hifehezana ny ankizy. [Vakio ny Efesianina 4:31.] Resahin’ity gazety ity ny torohevitry ny Baiboly momba ny fitaizana zanaka, manomboka amin’izy zazakely ka hatramin’izy zatovo.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara