FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 3/14 p. 3
  • Ampiasao Tsara Ireo Gazety Tranainy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ampiasao Tsara Ireo Gazety Tranainy
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2014
  • Mitovitovy Aminy
  • Ampiasao Amin’ny Fomba Tsara Indrindra Ireo Gazetintsika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
  • Manolora Gazety Rehefa Manompo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
  • Manokàna Fotoana ho Amin’ny Asa Fizarana Gazety
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
  • Gazety Manambara Ilay Fanjakana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2014
km 3/14 p. 3

Ampiasao Tsara Ireo Gazety Tranainy

Tsy mahasoa an’iza na iza ireo gazety tranainy rehefa angonina na ariana. Tokony homentsika ny olona àry izy ireny. Gazety iray dia efa mety hahatonga ny olona ho liana amin’ny fahamarinana sy hiantso ny anaran’i Jehovah. (Rom. 10:13, 14) Ireto misy soso-kevitra hanampy antsika hampiasa tsara an’ireo gazety tranainy:

  • Rehefa mitory amin’ny faritany tsy voasa matetika isika dia afaka mamela gazety ho an’ireo tsy tratra an-trano fa tsy atao hitan’ny olona.

  • Rehefa mitory eny amin’ny toerana be olona ianao, ohatra hoe eny amin’ny fiandrasana bisy, dia anontanio ny olona raha te hamaky zavatra. Asehoy azy ireo gazety tranainy ary asaivo mifidy izay tiany izy.

  • Mametraha gazety tranainy vitsivitsy eo amin’ny efitra fiandrasan’olona any amin’ny dokotera, na hopitaly, na toerana hafa mitovitovy amin’izany ao amin’ny faritaninareo. Tsara matetika ny mangataka alalana amin’ny tompon’andraikitra raha eo izy. Aleo anefa tsy mametraka eo intsony raha efa be gazety eo.

  • Rehefa miomana hanao fiverenana mitsidika ianao, dia fantaro izay zavatra mahaliana an’ilay olona hotsidihinao. Manam-bady aman-janaka ve izy? Tia manao dia lavitra ve izy? Tia manao zaridaina ve izy? Mitadiava lahatsoratra mety hahaliana azy ao amin’ireo gazety tranainy ary omeo azy izany.

  • Raha miverimberina mitsidika olona liana ianao nefa tsy mahatratra azy foana, dia asehoy azy ny gazety tranainy sasany tsy ananany rehefa mihaona indray ianareo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara