Fomba Fitory Modely
Iza no Mahavaly ny Fanontaniana Momba ny Fiainana?
Atolory an’ilay olona ilay taratasy mivalona mba hahitany ny lohateniny. Afaka miteny toy izao ianao: “Manahoana! Manao ezaka manokana maneran-tany izahay mba hizarana an’ity hafatra lehibe ity. Intỳ ny anjaranao.”
Raha mamela taratasy mivalona ho an’ireo tsy tratra an-trano ianao, dia aza atao talaky maso ilay izy ary aza avalombalona tsy amin’antony.
Raha liana ilay olona na te hiresaka, dia afaka manontany ny heviny momba an’ilay fanontaniana eo amin’ny fonony ianao. Sokafy ilay taratasy mivalona, ary asehoy izay voalazan’ny Jaona 17:17. Hazavao hoe misy tranonkala hanampy azy hahita ny valiny mahafa-po omen’ny Baiboly, ary izany no resahin’ilay taratasy mivalona. Mety ho azonao aseho azy ilay video hoe Nahoana Ianao no Tokony Hianatra Baiboly? Alohan’ny handehananao dia anontanio izy hoe iza amin’ireo fanontaniana telo any amin’ny faran’ilay taratasy mivalona no tena manahiran-tsaina azy. Lazao izy fa afaka miverina ianao mba hampiseho aminy ny fomba ahitana ny valiny omen’ny Baiboly, amin’ny alalan’ny jw.org. Rehefa miverina ianao, dia iaraho midinika ny valiny eo amin’ilay hoe VALIN’IREO FANONTANIANA ARA-BAIBOLY.
Raha sady mizara fanasana fivoriambe koa ianareo, dia atolory miaraka amin’ilay taratasy mivalona ilay izy. Afaka miteny ianao hoe: “Misy fanasana anao hanatrika fotoan-dehibe iray koa iny. Tsisy vidim-pidirana ilay izy ary azon’ny besinimaro atrehina.”
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aogositra
Raha afaka manolotra gazety ianao amin’ny faran’ny herinandro, dia afaka miteny toy izao: “Te hanome anao ny gazetinay farany koa izahay. Valiana ato amin’ity Tilikambo Fiambenana ity ilay fanontaniana hoe Sarobidy Amin’Andriamanitra ve Ianao?”
Mifohaza! Aogositra
Raha afaka manolotra gazety ianao amin’ny faran’ny herinandro, dia afaka miteny toy izao: “Te hanome anao ny gazetinay farany koa izahay. Miresaka momba ny famitranam-pihavanana ity Mifohaza! ity. Ny lohateniny dia hoe Tsy Aleo ve Mihavana?”