Fomba Fitory Modely
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aprily
“Mizara an’ity taratasy mivalona ity izahay androany. [Omeo azy ilay hoe Ahoana no Fiheveranao ny Baiboly?, ary apetraho aminy ny fanontaniana eo amin’ny fonony. Asehoy azy ny valiny omen’ny Baiboly ao amin’ny 2 Timoty 3:16, ary ampirisiho izy hamaky an’ilay taratasy mivalona.] Maro no tsy mahalala hoe misy valiny mahafa-po momba ny fanontaniana hoatr’ireto ao amin’ny Baiboly. [Asehoy ireo fanontaniana ao amin’ny lahatsoratra voalohany amin’ny Tilikambo Fiambenana.] Hazavain’ity gazety ity hoe ahoana no hahitanao ny valin’ireo ao amin’ny Baibolinao.”
Mifohaza! Aprily
“Be dia be no manahy rehefa mahita ny fiovana mitranga eo amin’ny fianakaviana maro. Taloha ny ray aman-dreny no nifehy ny zanany, fa izao hoatran’ny hoe ny ankizy indray no manjakazaka. Araka ny hevitrao, mifehy ny zanany araka ny tokony ho izy ve amin’izao ny ray aman-dreny? [Avelao izy hamaly.] Raha ny Baiboly no jerena, dia tena zava-dehibe ny fifehezana. [Vakio ny Ohabolana 29:17.] Resahin’ity gazety ity ny torohevitra voalanjalanja omen’ny Baiboly momba ny fifehezana ny ankizy.”