Ampiasao Ilay Taratasy Mivalona Ny Tranonkalantsika
Mitondra ny lohateny hoe Iza no Mahavaly ny Fanontaniana Momba ny Fiainana? io taratasy mivalona io. Misy fanontaniana telo ao amin’ny faran’ilay taratasy mivalona. Rehefa afaka mitory ianao, dia anontanio ilay olona hoe iza amin’ireo fanontaniana ireo no tena mahaliana azy. Atoroy azy, avy eo, ilay hoe FAMPIANARAN’NY BAIBOLY > VALIN’IREO FANONTANIANA ARA-BAIBOLY ao amin’ny jw.org, mba hahitany ny valiny. Valiana ao koa ireto fanontaniana ireto: Inona ny Fanjakan’Andriamanitra? Inona no hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra?
Manàna foana tahiry amin’io taratasy mivalona io. Amin’izay ianao ho afaka hanampy ny olona hahalala izay lazain’ny Baiboly momba ny hoavy mahafinaritra eo ambany fitondran’ny Fanjakan’Andriamanitra.