Fomba Fitory Modely
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Febroary
“Mizara an’ity taratasy mivalona ity izahay androany. Resahiny ato hoe nahoana no tena ilaina ny Baiboly. Intỳ ny anjaranao. [Omeo azy ilay hoe Ahoana no Fiheveranao ny Baiboly?] Fa maro no mieritreritra hoe misy torohevitra manampy azy amin’ny asany ve ao amin’ny Baiboly. Ity misy andinin-teny miresaka momba ny asa mba tiako haseho anao. [Vakio ny Mpitoriteny 3:13.] Ato amin’ity gazety ity misy toro lalana vitsivitsy avy ao amin’ny Baiboly, manampy antsika hahita fifaliana amin’ny asantsika. Tianao ve ny hamaky azy ity?”
Mifohaza! Febroary
“Mampiseho an’ity Mifohaza! vaovao ity amin’ny olona izahay androany. Valiana ato ity fanontaniana ity. [Asehoy ny fonony.] Misy toro lalan’ny Baiboly resahin’ity gazety ity mba tiako hovakina aminao. [Vakio ny Ohabolana 29:11.] Mbola ilaina amin’izao andro izao ve io toro lalana io, araka ny hevitrao? [Avelao izy hamaly.] Miresaka toro lalan’ny Baiboly efatra ity gazety ity, ary manazava hoe inona ny soa ho azontsika raha mampihatra an’ireo isika.”