HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | NEHEMIA 12-13
Lesona avy Amin’ny Bokin’i Nehemia
Niaro ny fivavahana marina i Nehemia sady tena nafana fo
Tsy mpanompon’i Jehovah sady mpanohitra i Tobia, nefa nataon’i Eliasiba mpisoronabe namana
Nomen’i Eliasiba efitra fisakafoana teo an-tokotanin’ny tempoly i Tobia
Natsipin’i Nehemia tany ivelany daholo ny entan’i Tobia. Nodioviny avy eo ilay efitra, ary naveriny daholo ny entana tao taloha
Niezaka nanala an’izay zavatra ratsy tao Jerosalema i Nehemia