FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb16 Febroary p. 8
  • Ny Olona Rehetra Mihitsy no Asao Hanatrika Fahatsiarovana!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Olona Rehetra Mihitsy no Asao Hanatrika Fahatsiarovana!
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2016
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • INONA AVY NO AZONAO ATAO?
  • Fomba Fitory Modely
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2016
  • Fanasana Fahatsiarovana Hozaraina Maneran-tany!
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
  • Tahin’i Jehovah ny Ezaka Ataontsika Hanatrehana Fahatsiarovana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2023
  • Ezaka Manokana Manomboka Amin’ny 17 Martsa
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
Hijery Hafa
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2016
mwb16 Febroary p. 8

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Ny Olona Rehetra Mihitsy no Asao Hanatrika Fahatsiarovana!

Endrika Sary
Fanasana hanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy, 2016

Hanao ezaka manokana isika manomboka amin’ny 27 Febroary, ka hanasa olona betsaka araka izay azo atao ao amin’ny faritanintsika, mba hanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy. Raha vao liana ilay olona, na dia kely aza, dia ataovy izay hitsidihana azy.

INONA AVY NO AZONAO ATAO?

ATOLORY ILAY FANASANA

“Mizara an’ity fanasana ity izahay, satria misy fotoan-dehibe iray tianay hanasana anao. Olona an-tapitrisany eran-tany no hiaraka hivory, amin’ny 23 Martsa, mba hahatsiaro ny nahafatesan’i Jesosy Kristy. Hisy lahateny ara-baiboly amin’io, hanazava hoe inona ny soa azontsika, noho i Jesosy maty ho antsika. Efa voalaza ato ny ora sy ny toerana hanaovana an’izany. Maimaim-poana ilay izy. Mba tongava raha afaka ianao.”

Raha liana ilay olona, dia...

  • ATOLORY NY TILIKAMBO FIAMBENANA

    Mametraha fanontaniana hovaliana amin’ny manaraka.

  • ASEHOY ILAY VIDEO MOMBA NY FAHATSIAROVANA

    Mametraha fanontaniana hovaliana amin’ny manaraka.

Rehefa miverina ianao, dia...

  • ASEHOY ILAY VIDEO HOE NAHOANA IANAO NO TOKONY HIANATRA BAIBOLY?

    Ary mametraha boky na bokikely fianarana Baiboly.

  • ATOLORY NY BOKY INONA MARINA NO AMPIANARIN’NY BAIBOLY?

    Ampiasao ny pejy 206-208, ka hazavao ny momba ny Fahatsiarovana. Atolory ilay boky.

  • ATOLORY NY BOKIKELY MIHAINOA AN’ANDRIAMANITRA

    Ampiasao ny pejy 18-19, ka hazavao hoe nahoana i Jesosy no maty ho antsika. Atolory ilay bokikely.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara