FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 2/12 p. 2
  • Ezaka Manokana Manomboka Amin’ny 17 Martsa

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ezaka Manokana Manomboka Amin’ny 17 Martsa
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
  • Mitovitovy Aminy
  • Hizara Fanasana Fahatsiarovana Isika Manomboka ny 2 Aprily
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2011
  • Fanasana Fahatsiarovana Hozaraina Maneran-tany!
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
  • Hizara Fanasana Fahatsiarovana Isika Manomboka Amin’ny 22 Martsa
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2014
  • Hizara Fanasana Isika Manomboka Amin’ny 1 Martsa
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2013
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
km 2/12 p. 2

Ezaka Manokana Manomboka Amin’ny 17 Martsa

1. Inona ilay ezaka manokana hanomboka amin’ny 17 Martsa?

1 Natao hanambarana ny nahafatesan’i Jesosy ny Fahatsiarovana isan-taona. (1 Kor. 11:26) Tiantsika àry raha miara-manatrika azy io amintsika ny olona. Ho ren’izy ireo amin’izay fa tena tia ny olombelona i Jehovah ka nanome ny vidim-panavotana. (Jaona 3:16) Hanomboka hanasa ny olona isika ny asabotsy 17 Martsa ho avy izao. Efa tsy andrinao ve ny handray anjara amin’io ezaka manokana io, ka hanao araka izay vitanao?

2. Inona no azontsika lazaina rehefa mizara an’ilay fanasana?

2 Inona no holazaintsika? Tsara raha fohy ny tenintsika. Azo atao ny milaza hoe: “Manahoana ô. Intỳ misy fanasana omenay anao sy ny fianakavianao, satria misy fankalazana lehibe hatao maneran-tany, amin’ny alakamisy 5 Aprily. Hisy lahateny ara-baiboly amin’io, hanazava hoe inona no soa azontsika avy amin’ny nahafatesan’i Jesosy, ary inona no ataony izao. Efa voasoratra ao amin’iny fanasana iny ny toerana sy ora hanaovana ilay fankalazana. Tsy misy vidim-pidirana ilay izy.” Mametraha gazety raha mety, rehefa mizara fanasana amin’ny faran’ny herinandro.

3. Inona no azontsika atao mba hanasana olona maro be?

3 Manasà olona be dia be: Ny hanasa olona be dia be no tanjontsika. Asao àry ny olona tsidihinao na ampianarinao Baiboly, ny havana, mpiara-miasa, mpiara-mianatra, mpiray tanàna, ary izay olom-pantatrao. Horesahin’ny anti-panahy hoe ahoana no hamitana ny faritany. Misy vokany tsara ireny ezaka manokana ireny. Nisy vehivavy iray, ohatra, tonga nanatrika Fahatsiarovana, tamin’ny herintaona. Nanontany azy ny mpikarakara ny mpanatrika hoe: ‘Iza kay no nanasa anao, fa hateriko any ianao?’ Dia hoy ilay vehivavy: ‘Tsy misy olona fantatro ato, fa nisy olona tonga tao amiko androany, dia nanasa ahy.’

4. Nahoana ianao no tokony hazoto hizara fanasana?

4 Miezaha mafy àry hizara fanasana. Mety hisy ho tonga ihany mantsy ny olona nasainao. Ary na tsy hisy ho tonga aza, dia efa tafita ny hafatra nentinao. Voalaza ao amin’ilay fanasana mantsy fa efa lasa Mpanjaka mahery izao i Jesosy. Raha mazoto mandray anjara koa ianao, dia hiharihary fa tena mankasitraka ny vidim-panavotana. Hahita izany daholo ny olona eny amin’ny faritany sy ny mpitory hafa ary indrindra i Jehovah.—Kol. 3:15.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara