HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ISAIA 24-28
Mikarakara ny Vahoakany i Jehovah
Malala-tanana i Jehovah, ka manome sakafo ara-panahy be dia be ho an’ireo olona nasainy.
“Hanao fanasambe ho an’ny firenena rehetra i Jehovah Tompon’ny tafika”
Ny olona mpinamana sy mihavana tsara no niara-nisakafo fahiny
“Fanasambe misy hanim-pito loha sady feno tsoka, sy divay efa naotrika ela ka notantavanina”
Hita avy amin’ireo teny ireo fa faran’izay tsara ny sakafo ara-panahy omen’i Jehovah antsika