FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb19 Desambra p. 7
  • Hatsarao ny Fanompoanao: Ovaovao Arakaraka ny Zava-misy ny Fitorianao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hatsarao ny Fanompoanao: Ovaovao Arakaraka ny Zava-misy ny Fitorianao
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2019
  • Mitovitovy Aminy
  • Fomba fampiseho ny vaovao tsara—Amim-pahaiza-manavaka
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1990
  • Ahoana no Hanomanana Fomba Fanolorana Gazety?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
  • Fomba fampiseho ny vaovao tsara—Amin’ny firesahana amin’ny olona
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1990
  • Aoka Ianao Hiahy ny Olona ka Hahay Hampifanara-javatra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
Hijery Hafa
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2019
mwb19 Desambra p. 7
Anabavy roa mitory amin’ny mpiompy iray ary mampiasa tablette

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hatsarao ny Fanompoanao: Ovaovao Arakaraka ny Zava-misy ny Fitorianao

NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA? Manasa ny karazan’olona rehetra “hisotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina” ny voahosotra sy ny ondry hafa. (Ap 22:17) Ilay rano dia ny fandaharana ataon’i Jehovah mba hanafahana ny olona amin’ny ota sy ny fahafatesana. Mila ataontsika mifanaraka amin’izay ilain’ny olona tsirairay ny fomba itoriantsika ny “vaovao tsara mandrakizay.” Ho afaka hanampy ny karazan’olona rehetra isika amin’izay, na inona na inona fivavahany na kolontsainy.—Ap 14:6.

AHOANA NO HANAOVANA AZY?

  • Mifidiana foto-kevitra sy andinin-teny manohina ny fon’ny olona ao amin’ny faritaninareo. Afaka mampiasa an’ireo hevitra azo resahina ao amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fivoriana ianao. Mety koa anefa izay fomba fitory hafa hitanao hoe mandaitra. Inona ny foto-kevitra sy andinin-teny mahaliana ny olona? Inona ny vaovao tena resahin’ny olona? Inona no mahaliana ny lehilahy na mahaliana ny vehivavy?

  • Raha misy fomba fiarahabana na zavatra hafa fanaon’ny olona eo amin’ny toerana misy anareo, dia ampiasao izany.—2Ko 6:3, 4

  • Fantaro tsara ireo boky sy gazety ary video ao amin’ny Fitaovana Fampianarana. Ho afaka hampiasa azy ireny ianao amin’izay, rehefa misy olona liana

  • Mety hisy olona mampiasa fiteny hafa ao amin’ny faritaninareo. Makà lahatsoratra na boky na video amin’ny fitenin’izy ireny

  • Ataovy mifanaraka amin’izay ilain’ilay olona itoriana ny zavatra resahinao. (1Ko 9:19-23) Ahoana, ohatra, raha fantatrao hoe vao haingana no maty ny olona akaiky azy?

ALEFASO ILAY VIDEO, ARY VALIO IRETO:

  • Inona ny foto-kevitra noresahin’ilay mpitory, tamin’ny voalohany?

  • Inona ny zavatra nitranga tamin’ilay olona itoriana?

  • Iza tamin’ireo andinin-teny no tena mety? Nahoana?

  • Inona no ataonao mba hifanaraka amin’izay ilain’ny olona ao amin’ny faritaninareo ny fomba fitory ampiasainao?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara