FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb21 Martsa p. 5
  • Efa Miomana ho Amin’ny Fahatsiarovana ve Ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Efa Miomana ho Amin’ny Fahatsiarovana ve Ianao?
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2021
  • Mitovitovy Aminy
  • Iza koa no Azonao Asaina?
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2020
  • Tahin’i Jehovah ny Ezaka Ataontsika Hanatrehana Fahatsiarovana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2023
  • “Ataovy Hatrany Izao ho Fahatsiarovana Ahy”
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
  • “Ataovy Hatrany Izao”
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
Hijery Hafa
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2021
mwb21 Martsa p. 5
Petera sy Jaona mametraka mofo sy kaopy eo ambony latabatra.

Petera sy Jaona ao amin’​ny efitra iray ambony rihana manomana ny Paska, taona 33

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Efa Miomana ho Amin’ny Fahatsiarovana ve Ianao?

Tian’i Jesosy hiavaka ilay Paska farany hankalazainy. Efa akaiky ho faty izy tamin’izay. Nikasa hihinana ny Paska miaraka amin’ny apostoliny izy sady hanomboka fankalazana vaovao, dia ny Sakafo Harivan’ny Tompo izay hankalazaina isan-taona. Nirahiny hanomana ny efitra hanaovana azy io àry i Petera sy Jaona. (Lk 22:7-13; jereo ny sary, pejy 1) Mila miomana ho amin’ny Fahatsiarovana amin’ny 27 Martsa koa isika. Mety ho efa nalamin’ny fiangonana ny momba ny mpandahateny, ny mofo sy ny divay, sns. Inona anefa ny fiomanana azontsika tsirairay atao?

Omano ny fonao. Ataovy ny famakiana Baiboly ho amin’ny Fahatsiarovana, izay hita ao amin’ny Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro sy ny bokikely Tari-dalana Hianarana ny Tenin’Andriamanitra Fizarana 16. (Jereo koa ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana, Aprily 2020.) Saintsaino ilay izy avy eo. Azon’ny fianakaviana dinihina mandritra ny fotoam-pivavahan’izy ireo ny hoe nahoana no sarobidy ny vidim-panavotana. Afaka mahita ny valin’izany izy ireo ao amin’ny Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny Fitaovana Fikarohana ho An’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Fianakaviana miresaka momba ny Fahatsiarovana mandritra ny fotoam-pivavahan’izy ireo.

Asao ny hafa. Mazotoa mandray anjara amin’ilay ezaka manokana hizarana fanasana. Eritrereto ny olona azonao asaina, ohatra hoe ny fiverenana mitsidika, mpianatra Baiboly taloha, olom-pantatra, ary ny havana. Tokony hanasa an’ireo tsy mitory intsony ny anti-panahy. Ahoana raha tsy mipetraka ao amin’ny faritaninareo ilay olona? Afaka mahita ny ora sy ny toerana hanaovana Fahatsiarovana any amin’ny toerana misy azy ianao. Midira ao amin’ilay hoe MOMBA ANAY, eo amin’ny pejy fandraisana ao amin’ny jw.org, ary fidio ilay hoe “Fahatsiarovana.”

Anti-panahy roa mitsidika rahalahy iray tsy mitory intsony ary manasa azy hanatrika Fahatsiarovana.

Inona koa ny fiomanana azontsika atao?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara