FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb23 Mey p. 13
  • Mampiasa Tsara ny Baiboly Noraisim-peo ve Ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mampiasa Tsara ny Baiboly Noraisim-peo ve Ianao?
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2023
  • Mitovitovy Aminy
  • Ampiasao Tsara Ireo Zavatra Noraisim-peo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2015
  • ‘Hita sy Heno’ Tsara ny Fandaharana Rehetra Rehefa Fivoriambe
    Fomba Ampiasana ny Fanomezanao
  • Soso-kevitra Hanampy Anao Hamaky Baiboly Isan’andro
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
  • Ampiasao Hanampiana Olona Mampiasa Fiteny Hafa ny Tranonkalantsika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
Hijery Hafa
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2023
mwb23 Mey p. 13
Sary: Mihaino Baiboly noraisim-peo. 1) Rahalahy iray eny an-jaridaina, dia mampiasa casque mba hihainoana Baiboly noraisim-peo ao amin’ny telefaoniny. 2) Reny iray sy ny zanany vavy kely, mampiasa fitaovana azo baikoina amin’ny alalan’ny feo mba hihainoana Baiboly noraisim-peo. Sady mihaino ry zareo no manaraka ao amin’ny Baiboly vita pirinty. 3) Anabavy iray ao anaty fitateram-bahoaka, dia mampiasa écouteurs mba hihainoana Baiboly noraisim-peo ao amin’ny telefaoniny.

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Mampiasa Tsara ny Baiboly Noraisim-peo ve Ianao?

Raisina feo ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina, dia avoaka tsikelikely ao amin’ny jw.org na ao amin’ny JW Library®, amin’ny fiteny betsaka araka izay azo atao. Anisan’ny mampiavaka azy io ny hoe misy feo samihafa arakaraka ny olona miteny. Marina tsara ny fomba amoahana ny hafatra ao amin’ny Baiboly amin’ilay izy, satria mety tsara ny fomba amakiana azy sady mivoaka tsara ny fihetseham-po.

Inona no itiavan’ny olona sasany an’ilay Baiboly noraisim-peo? Maro amin’ireo mihaino azy io tsy tapaka no miteny hoe lasa velombelona ny tantara ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Azon-dry zareo an-tsaina be ilay tantara sady mazava aminy kokoa satria misy feo samihafa arakaraka ny olona miteny. (Oh 4:5) Betsaka koa no miteny hoe mampitony azy ny mihaino an’ilay raki-peo rehefa mitebiteby izy.​—Sl 94:19.

Rehefa vakina amintsika ny Tenin’Andriamanitra dia mety hisy vokany be eo amin’ny fiainantsika izany. (2Ta 34:19-21) Misy amin’ny fiteny azonao ve ny Baiboly noraisim-peo na ny ampahany aminy? Maninona raha manokana fotoana mba hihainoana azy io tsy tapaka?

JEREO ILAY VIDEO HOE FAMOKARANA BAIBOLY NORAISIM-PEO​—AMPAHANY, ARY VALIO ITY:

Inona no mampiaiky anao amin’ny famokarana Baiboly noraisim-peo?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara