FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • wp21 No. 3 p. 3
  • Iza no Tsy Maniry Hoavy Sambatra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Iza no Tsy Maniry Hoavy Sambatra?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2021
  • Mitovitovy Aminy
  • Fampidirana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2021
  • Hoavy Sambatra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2021
  • Ampy ve ny hoe Manao ny Tsara?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2021
  • Manampy ve ny Fianarana Ambony sy ny Vola?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2021
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2021
wp21 No. 3 p. 3
Mpivady iray sy ny zanany vavy, mankafy an’ireo serizy mamelana.

Iza no Tsy Maniry Hoavy Sambatra?

Hoavy manao ahoana no irinao? Azo antoka hoe tianao raha mba manana hoavy sambatra ianareo mianakavy. Maniry an’izany ny ankamaroan’ny olona. Tiany raha mba salama tsara, tsy manana ahiahy, ary manana ny ampy izy sy ny fianakaviany.

Betsaka anefa no tsy matoky hoe hahazo an’izany. Misy zavatra tsy ampoizina mitranga mantsy. Noho ny COVID-19, ohatra, dia lasa mikorontana ny fiainan’ny olona. Misy lasa mahantra, ary misy maty mihitsy. Manahy àry izy ireo hoe hoatran’ny hanjombona ny hoaviny.

Tsy mahafantatra an’izay havoaky ny ampitso ny olona, dia mitady hevitra izy ireo mba hananana hoavy sambatra. Misy olona mino hoe ny lahatra na ny vintana no mibaiko ny fiainany. Ny hafa indray mihevitra hoe hahazo izay iriny izy raha manao fianarana ambony sy mifofotra mba hahazo harena. Ny sasany kosa mieritreritra hoe hahomby izy raha miezaka manao ny tsara.

Misy amin’ireo zavatra ataon’ny olona ireo ve hanampy anao hanana hoavy sambatra? Andao isika handinika an’ireto fanontaniana ireto:

  • Miankina amin’ny inona marina ny hoavinao?

  • Manampy ve ny fianarana ambony sy ny vola?

  • Ampy ve ny hoe manao ny tsara?

  • Aiza no misy tari-dalana azo antoka?

Hanampy anao hahita ny valin’ireo ity gazety ity.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara