FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • wp21 No. 3 p. 9-11
  • Ampy ve ny hoe Manao ny Tsara?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ampy ve ny hoe Manao ny Tsara?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2021
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • BE DIA BE NO MANAO NY TSARA
  • NISY VOKANY VE IZANY?
  • Iza no Tsy Maniry Hoavy Sambatra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2021
  • Hoavy Sambatra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2021
  • Fampidirana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2021
  • ‘Ny Mpandefitra no Handova ny Tany’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2018
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2021
wp21 No. 3 p. 9-11
Vehivavy iray ao anaty bisy: Nomeny ho an’ny vehivavy iray zokiolona ny toerany.

Ampy ve ny hoe Manao ny Tsara?

Efa an-jatony taona ny olona no nihevitra hoe hanana hoavy sambatra izay manao ny tsara. Olona maro any Azia, ohatra, no manaraka ny fampianaran’ilay filozofa atao hoe Confucius (551-479 T.K.). Hoy izy io: “Aza atao amin’ny hafa izay tsy tianao hatao aminao.”a

BE DIA BE NO MANAO NY TSARA

Mbola betsaka ny olona mihevitra hoe miantoka hoavy sambatra ny fanaovana ny tsara. Miezaka hanaja ny hafa sy hahalala fomba àry izy ireo. Manao tsara ny andraikiny eo anivon’ny fiaraha-monina koa izy ireo, sady miezaka hanana feon’ny fieritreretana madio. Hoy i Linh, vehivavy mipetraka any Vietnam: “Nino foana aho hoe hahazo fitahiana rehefa miezaka manao ny marina sy manao zavatra amin’ny fo.”

Ilay vehivavy teo ihany, mizara sakafo ho an’ny mahantra sy ny tsy manan-kialofana.

Misy olona miezaka manao ny tsara satria izany no ampianarin’ny fivavahany. Izao, ohatra, no nolazain’i Hsu-Yun, lehilahy iray mipetraka any Taïwan: “Nampianarina ahy hoe raha manao ny tsara ny olona dia ho sambatra aorian’ny fahafatesany, fa raha manao ratsy kosa izy dia hijaly.”

NISY VOKANY VE IZANY?

Ilay vehivavy teo ihany, miampofo ny zanany lahikely. Malahelo sy reraka be izy rehefa hariva ny andro.

Marina aloha hoe handray soa be dia be isika raha miezaka manao ny tsara. Maro amin’ireo manao an’izany anefa no mahita hoe tsy arakaraka ny nataon’izy ireo no avalin’ny hafa aminy. Hoy i Shiu Ping, vehivavy iray mipetraka any Hong-Kong: “Hitako teo amin’ny fiainako fa tsy voatery hivaly amintsika ny soa nataontsika. Niezaka nikarakara tsara ny fianakaviako aho sady niezaka nanao ny tsara. Tsy sambatra anefa ny tokantranoko ary nandao anay mianaka ny vadiko.”

Maro koa no mahita hoe tsy voatery hanao ny tsara rehefa mpivavaka. Izao no nolazain’i Etsuko, vehivavy iray mipetraka any Japon: “Nanaraka fivavahana iray izay aho, dia nasaina nitarika tanora tao amin’izy io. Kivy be aho rehefa nahita ny nataon’ny mpivavaka tao. Ratsy fitondran-tena be ry zareo, niady fahefana, ary nanodinkodina ny volan’ny fiangonana.”

“Niezaka nikarakara tsara ny fianakaviako aho sady niezaka nanao ny tsara. Tsy sambatra anefa ny tokantranoko ary nandao anay mianaka ny vadiko.”​—SHIU PING, HONG KONG

Lasa diso fanantenana ny olona niezaka nanao ny tsara sy tia fivavahana, rehefa nahita hoe hoatran’ny tsy misy dikany ny ezaka nataon’izy ireo. Izany no tsapan’i Van, renim-pianakaviana iray avy any Vietnam. Hoy izy: “Nividy voankazo sy voninkazo ary sakafo be dia be aho isan’andro, mba hatao eo amin’ny alitaran’ny razambeko. An-taonany maro no nanaovako an’izany, sady niezaka nanao ny tsara koa aho. Nanantena hahazo fitahiana mantsy aho. Mbola narary mafy ihany anefa ny vadiko. Maty tanora koa ny zanako vavy, tamin’izy nianatra tany ivelany.”

NAHOANA NO TSY AMPY NY MANAO NY TSARA?

Zava-dehibe ny hoe manao ny tsara. Tsy ampy anefa izany raha te hanana hoavy sambatra. Diniho ange izay lazain’ny Soratra Masina amintsika e!

TSY NY OLONA REHETRA NO TE HANAO NY TSARA

“Afaka manimba zava-tsoa maro na dia mpanota iray monja aza.”​—MPITORITENY 9:18.

Mety hoe miezaka mafy ianao mba hanao ny tsara. Mety hanimba ny hoavinao anefa ny ataon’ny olona tia tena. Eritrereto hoe manaraka an’izay lazain’ny manam-pahefana ianao mba hiarovan-tena amin’ny valanaretina iray, ka tsy mifanerasera be amin’ny hafa. Ahoana anefa raha misy tsy miraharaha an’izany toromarika izany? Mety harary ihany ianao, noho ny zavatra ataon’izy ireo.

METY HO DISO HEVITRA MOMBA AN’IZAY ATAO HOE TSARA SY RATSY NY OLONA

“Misy lalana heverin’ny olona ho mahitsy, nefa any amin’ny fahafatesana no iafaran’izany.”​—OHABOLANA 14:12.

Asehon’ny tantara fa nisy olona natoky hoe nety ny nataony, nefa hay izy diso hevitra. Tsy maintsy hizaka ny vokany ny olona nandray fanapahan-kevitra ratsy, na dia nieritreritra aza izy hoe nety ny nataony.

TSY MISY MAHALALA IZAY HAVOAKY NY AMPITSO

‘Tsy fantatrareo akory izay hitranga aminareo rahampitso.’​—JAKOBA 4:14.

Mety ho faty tampoka ny olona iray na dia nanao ny tsara aza. Betsaka, ohatra, ny olona nahafoy tena ka niezaka nanampy ny mpiara-belona taminy, nandritra an’ilay valanaretina COVID-19. Maro tamin’izy ireny anefa no maty. Eritrereto koa ny nanjo an’i Liting, vehivavy iray any Chine. Maty tamin’ny lozam-piarakodia ny dadany. Hoy izy: “Tsy azoko mihitsy hoe fa maninona ny olona tsara toetra hoatran’i Dada no maty. Olona tsotra izy, manetry tena, ary tia miasa mafy. Izy irery no maty tamin’ireo mpandeha.”

Inona àry no azo atao, raha tsy miantoka hoavy sambatra ny fanaovana ny tsara? Mila tari-dalana azo antoka isika mba hahitana ny valin’ny fanontaniantsika sy hanoro antsika ny fomba hahazoana hoavy sambatra. Aiza no ahitana an’izany?

a Misy fanazavana momba ny fampianaran’i Confucius ao amin’ilay boky hoe Mitady An’Andriamanitra ny Olombelona (frantsay), toko 7, fehintsoratra 31-35. Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah io boky io, ary azo jerena ao amin’ny Internet ao amin’ny www.pr2711.com/mg.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara