FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • wp24 No. 1 p. 6-9
  • Ny Mety sy ny Tsy Mety: Tari-dalana Azo Ianteherana ny Baiboly

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Mety sy ny Tsy Mety: Tari-dalana Azo Ianteherana ny Baiboly
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2024
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • NY TARI-DALANA ILAINTSIKA
  • HITA AO AMIN’NY BAIBOLY NY TARI-DALAN’ANDRIAMANITRA
  • Efa Lany Andro ve ny Fitsipik’Andriamanitra Momba ny Tsara sy nyRatsy?
    Foto-kevitra Hafa
  • Fanazavana Fanampiny
    Mifohaza!—2018
  • Misy Tari-dalana Azo Antoka Ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2021
  • Ny Mety sy ny Tsy Mety: Safidy Tsy Maintsy Ataonao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2024
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2024
wp24 No. 1 p. 6-9

Ny Mety sy ny Tsy Mety: Tari-dalana Azo Ianteherana ny Baiboly

Tsy azo antoka hoe hahasoa ny safidintsika momba izay mety sy tsy mety, raha miankina amin’izay tsapantsika na izay tsapan’ny olona fotsiny. Manazava ny anton’izany ny Baiboly. Manome tari-dalana azo ianteherana momba ny fitondran-tena koa anefa izy io, ary manampy antsika ho sambatra sy ho afa-po eo amin’ny fiainana ilay izy.

NY TARI-DALANA ILAINTSIKA

Hazavain’i Jehovaha Andriamanitra ao amin’ny Baiboly hoe efa noforoniny hitady ny tari-dalany ny olona, fa tsy hoe hanao izay saim-pantany fotsiny na hoe natao hitondra samirery ny fiainany. (Jeremia 10:23) Izay no mahatonga azy hanome tari-dalana momba ny fitondran-tena ao amin’ny Baiboly. Tiany ny olombelona, dia tiany raha hoe tsy manandranandrana ry zareo rehefa handray fanapahan-kevitra lehibe, dia avy eo hizaka ny vokany sady hanenina. (Deoteronomia 5:29; 1 Jaona 4:8) Ankoatra izay, dia izy no Mpamorona antsika, ka manana ny fahendrena sy ny fahalalana ilaina izy mba hanomezana ny torohevitra tsara indrindra ho antsika. (Salamo 100:3; 104:24) Tsy manery ny olona hanaraka ny fitsipiny mihitsy anefa Andriamanitra.

Nomen’i Jehovah an’i Adama sy Eva, ilay lehilahy sy vehivavy voalohany, izay rehetra nilainy mba tena hahasambatra an-dry zareo. (Genesisy 1:28, 29; 2:8, 15) Nomeny toromarika tsotra koa izy mivady, ary nanantena izy hoe hankatò an’izany izy ireo. Navelany hifidy anefa ry zareo hoe hanaraka an’ilay toromarika sa tsia. (Genesisy 2:9, 16, 17) Nampalahelo fa nifidy ny hanao izay tiany i Adama sy Eva, fa tsy nanaraka ny fitsipik’Andriamanitra. (Genesisy 3:6) Dia inona ny vokany? Sambatra kokoa ve izao ny olombelona satria ry zareo ihany no nifidy an’izay mety sy tsy mety? Tsia! Noporofoin’ny tantara hoe tsy maharitra ny fiadanana sy ny fahasambarantsika rehefa tsy miraharaha ny fitsipik’Andriamanitra isika.​—Mpitoriteny 8:9.

Na avy aiza isika na avy aiza, ary na hoatran’ny ahoana na hoatran’ny ahoana ny fomba nitaizana antsika, dia misy tari-dalana ao amin’ny Baiboly hanampy antsika hisafidy an’izay fitondran-tena mety. (2 Timoty 3:16, 17; jereo ilay hoe “Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra.”) Diniho hoe ahoana no anomezan’izy io tari-dalana antsika.

Nahoana no mety tsara ny iantsoana ny Baiboly hoe “tenin’Andriamanitra”?​—1 Tesalonianina 2:13. Jereo ao amin’ny jw.org/mg ilay video hoe Avy Amin’iza ny Baiboly?

BOKY IRAY HO AN’NY OLONA REHETRA

Hendry sy be fitiavana ilay Mpamorona antsika, ka manantena isika hoe hahazo ny tari-dalany ny olona rehetra. Diniho ireto zavatra mampiavaka ny Baiboly ireto:

Olona samihafa fiaviana mamaky Baiboly. Misy Baiboly be dia be vita pirinty sy amin’ny endriny elektronika aseho eo aloha.
  • 3 500+ Ny isan’ny fiteny nandikana ny Baiboly na, fara fahakeliny, ny ampahany. Io no boky voadika amin’ny fiteny betsaka indrindra hatramin’izay.

  • 5 000 000 000+ Ny isan’ny Baiboly natao pirinty. Io no boky niely indrindra teo amin’ny tantara.

Tsy manindrahindra firazanana, firenena, foko, na kolontsaina ny Baiboly. Tena boky ho an’ny olona rehetra izy io.

Vakio ao amin’ny jw.org/mg ny Baiboly (misy amin’ny fiteny 250 mahery)

Lehilahy iray mamaky Baiboly, dia arahiny amin’ny fanondrony izay vakiny.

MANINONA NO MISY TSY MIRAHARAHA NY BAIBOLY?

Misy miteny hoe tsy ho ao amin’ny Baiboly mihitsy no ahitana tari-dalana tsara momba ny fitondran-tena. Mety hilaza hoatr’izao ry zareo:

Misy miteny hoe: “Mifanohitra izay lazain’ny Baiboly.”

Ny zava-misy: Misy andininy vitsivitsy hoatran’ny hoe mifanohitra ao amin’ny Baiboly, nefa azo hazavaina tsara ilay izy rehefa jerena ny teny manodidina, ny tsipiriany ara-tantara sy ny fomba amam-panaon’ny olona tamin’izany, ny hevitry ny mpanoratra, ary ny antony hafa.

Misy ohatra vitsivitsy momba an’izany ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Misy Zavatra Mifanohitra ve ao Amin’ny Baiboly?”, ao amin’ny jw.org/mg.

Misy miteny hoe: “Tsy tari-dalana tsara ny Baiboly, satria manao ratsy ihany ny olona milaza fa manaraka an’izay voalaza ao.”

Ny zava-misy: Tsy ny Baiboly no tokony homena tsiny, raha misy olona tsy mampihatra an’izay ampianarina ao ka ratsy fitondran-tena. Efa nilaza mialoha izy io hoe ho be dia be no mihambo ho mankatò an’izay lazain’ny Baiboly, nefa tsy mifanaraka amin’izay akory ny ataony, anisan’izany ny mpitondra fivavahana. Resahina ao koa hoe vokatr’izay, dia “hisy hanevateva” ny fampianaran’ny Baiboly.​—2 Petera 2:1, 2.

Betsaka ny mpitondra fivavahana lasa tsy manaraka an’izay tena ampianarin’ny Baiboly. Misy ohatra momba an’izany ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Lasa Atao Fitadiavam-bola Indray ve ny Fivavahana?”, ao amin’ny jw.org/mg.

Misy miteny hoe: “Mampirisika ny olona tsy hanaja an’izay tsy mitovy aminy ny Baiboly.”

Ny zava-misy: Mampirisika ny olona hanaja ny hafa ny Baiboly. Tsy ankasitrahany ny olona...

  • mihevitra ny tenany ho ambony noho ny hafa.​—Filipianina 2:3.

  • tsy manaja ny hafa satria hoe tsy mitovy ny zavatra inoany na ny fitsipika arahiny.​—1 Petera 2:17.

  • manery ny hafa hanaiky ny heviny.​—Matio 10:14.

Asehon’ny Baiboly hoe tsara fanahy sy manao ny rariny amin’ny olona foana Andriamanitra, dia tiany hanao hoatr’izany koa isika.​—Romanina 9:14.

Misy fanazavana fanampiny ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Afaka Manampy Antsika Hahay Handefitra ny Baiboly”, ao amin’ny jw.org/mg.

HITA AO AMIN’NY BAIBOLY NY TARI-DALAN’ANDRIAMANITRA

Voatantara marina tsara ao amin’ny Baiboly ny fifandraisan’i Jehovah tamin’ny olombelona. Manampy antsika izay resahiny ao mba hahafantarana an’izay heverin’Andriamanitra hoe mety na tsy mety, sy izay mahasoa na manimba antsika. (Salamo 19:7, 11) Misy torolalana tsy mety lany andro koa ao manampy antsika hanao safidy tsara eo amin’ny fiainantsika andavanandro.

Diniho, ohatra, ilay torohevitra ao amin’ny Ohabolana 13:20 hoe: “Ho hendry izay miaraka amin’ny hendry, fa hahita loza kosa izay minamana amin’ny tsisy saina.” Mbola azo ampiharina amin’izao io torolalana io, hoatran’ny tamin’ny taloha ihany. Feno torolalana sarobidy sy mahasoa hoatr’izany ao amin’ny Baiboly.​—Jereo ilay hoe “Tsy Mety Lany Andro ny Fahendrena ao Amin’ny Baiboly.”

Mety hieritreritra anefa ianao hoe: ‘Ahoana no ahazoako antoka fa mbola mahasoa amin’izao ny tari-dalan’ny Baiboly momba ny fitondran-tena?’ Handinika tantaran’olona vitsivitsy isika ao amin’ilay lahatsoratra manaraka.

a Jehovah no anaran’Andriamanitra.​—Salamo 83:18.

TSY METY LANY ANDRO NY FAHENDRENA AO AMIN’NY BAIBOLY

Marina hoe efa ho 2000 taona lasa izay no vita ny Baiboly, nefa mbola mahasoa antsika amin’izao izy io. Tsy miova mantsy ny zavatra irin’ny olombelona, fa mbola te ho afa-po sy ho sambatra foana ry zareo. (Mpitoriteny 1:9) Manampy antsika hanatratra an’izany tanjona izany ny fahendrena tsy mety lany andro ao amin’ny Baiboly.

Fanaovana ny marina

  • “Te hanao ny marina amin’ny zava-drehetra izahay.”​—Hebreo 13:18.

  • “Aoka ny mpangalatra tsy hangalatra intsony, fa tokony hiasa mafy kosa izy.”​—Efesianina 4:28.

Fifandraisana amin’ny olona

  • “Aoka ny tsirairay hitady foana an’izay hahasoa ny hafa, fa tsy izay hahasoa ny tenany.”​—1 Korintianina 10:24.

  • “Mahaiza foana mifandefitra sy mifamela heloka tanteraka.”​—Kolosianina 3:13.

Fandraisana fanapahan-kevitra

  • “Mino an’izay teny rehetra henony ny olona mora fetsifetsena, fa ny olona malina kosa mieritreritra tsara isaky ny hanao zavatra.”​—Ohabolana 14:15.

  • “Mahatsinjo ny loza ny olona malina ka miafina, fa izay tsy dia nahita fiainana kosa mbola miroso ihany ka voa.”​—Ohabolana 22:3.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara