FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • wp22 No. 1 p. 14-15
  • Tsy Hisy Intsony ny Fankahalana!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tsy Hisy Intsony ny Fankahalana!
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2022
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • NY FOTOTRY NY FANKAHALANA MIHITSY NO HESORIN’ANDRIAMANITRA
  • MILAZA NY BAIBOLY FA HO FOANA NY FANKAHALANA ETO AN-TANY
  • Maninona ny Olona no Mifankahala?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2022
  • Afaka Mandresy ny Fankahalana Isika!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2022
  • Fampidirana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2022
  • Hifarana ve ny Fankahalana Indray Andro Any?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2022
wp22 No. 1 p. 14-15

Tsy Hisy Intsony ny Fankahalana!

Na efa tsy mankahala olona intsony aza isika ao am-pontsika ao, dia tsy hahavita hisakana ny olon-kafa tsy hifankahala. Noho izany, dia mbola hijaly foana ny tsy manan-tsiny, satria misy mankahala. Iza àry no afaka hanafoana mandrakizay ny fankahalana?

I Jehovah Andriamanitra ihany no mahavita an’izany, ary tena hanao an’izany izy araka ny ampanantenain’ny Baiboly.​—Ohabolana 20:22.

NY FOTOTRY NY FANKAHALANA MIHITSY NO HESORIN’ANDRIAMANITRA

  1. 1. SATANA DEVOLY. Ilay anjely mpikomy antsoina hoe Satana no tena mahatonga an’izao fankahalana hitantsika izao. Horinganin’Andriamanitra i Satana sy izay rehetra mankahala ny hafa hoatr’azy.​—Salamo 37:38; Romanina 16:20.

  2. 2. TONTOLO RATSIN’I SATANA. Hofongoran’Andriamanitra ny ratsy rehetra, anisan’izany ny mpanao politika fetsifetsy sy ny mpitondra fivavahana mampirisika ny olona hifankahala. Hofongorany koa ny tontolo ara-barotra, ka tsy hisy intsony ny kolikoly sy ny fanararaotana olona.​—2 Petera 3:13.

  3. 3. NY TSY FAHALAVORARIANA. Hazavain’ny Baiboly hoe nandova ota ny olombelona rehetra, ka mora mieritreritra zavatra ratsy sy manana fihetseham-po ratsy ary mora manao ratsy. (Romanina 5:12) Anisan’izany ny hoe mitana lolompo sy mankahala ny hafa. Hanampy ny olona handresy an’izany rehetra izany Andriamanitra, ka tsy hisy intsony mandrakizay ny fankahalana.​—Isaia 54:13.

MILAZA NY BAIBOLY FA HO FOANA NY FANKAHALANA ETO AN-TANY

  1. 1. TSY HISY INTSONY NY TSY RARINY. Ny Fanjakan’Andriamanitra no hitondra ny tany manontolo. Avy any an-danitra izy io no hitondra, ary hampanjaka ny rariny mandrakizay. (Daniela 2:44) Tsy hisy olona hitsara an-tendrony na hanavakavaka intsony amin’izay. Hanitsy ny tsy rariny rehetra zakain’ny olona amin’izao Andriamanitra.​—Lioka 18:7.

  2. 2. HIADANA NY OLONA REHETRA. Tsy hisy intsony ny olona hijaly noho ny ady na herisetra. (Salamo 46:9) Ny olona tia fihavanana sisa no hiaina eto an-tany, ka tsy hisy hampanahy azy ireo.​—Salamo 72:7.

  3. 3. HIAINA MANDRAKIZAY NY OLONA SADY HO TSARA BE NY FIAINANA. Ho tia ny mpiara-belona aminy ny olona rehetra eto an-tany. (Matio 22:39) Tsy hisy hampijaly ny olona intsony, na dia fahatsiarovana ny zava-dratsy nitranga tamin’ny lasa aza. (Isaia 65:17) Tsy hisy intsony ny fankahalana, ka “ho faly be mihitsy” ny olombelona rehetra, “satria tena hiadana.”​—Salamo 37:11.

Tsy andrinao ve ny hiaina an’izany? Na amin’izao aza, dia be dia be ny olona mianatra tsy hankahala ny hafa intsony rehefa mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly. (Salamo 37:8) Manao an’izany ny Vavolombelon’i Jehovah an-tapitrisany maneran-tany. Avy amin’ny kolontsaina sy fiaviana samy hafa izy ireo, nefa hoatran’ny fianakaviana mifankatia sady miray saina.​—Isaia 2:2-4.

Kisary mampiseho toetra tsara, ohatra hoe fitiavana, fihavanana, faharetana, fifehezan-tena, sy mampiseho toetra ratsy, ohatra hoe fankahalana.

Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hanazava aminao hoe ahoana no hiatrehana ny tsy rariny sy ny fanavakavahana. Hanampy anao tsikelikely izany mba tsy hankahala olona intsony fa ho be fitiavana. Ho hitanao hoe ahoana no hatao mba ho tsara fanahy amin’ny olona rehetra, na dia amin’izay tsy mahay mankasitraka na mankahala anao aza. Vokatr’izany, dia ho faly kokoa ianao dieny izao ary hihatsara ny fifandraisanao amin’ny hafa. Misy zava-dehibe noho izany anefa. Hianaranao hoe inona no tokony hataonao mba hiaina eto an-tany ianao rehefa mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra, ka tsy hisy intsony mandrakizay ny fankahalana.​—Salamo 37:29.

Hahita fanazavana fanampiny ianao ao amin’ilay bokikely hoe Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! Azo alaina ao amin’ny jw.org izy io.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara