FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • wp22 No. 1 p. 10-11
  • 3 | Esory ao An-tsaina ny Fankahalana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 3 | Esory ao An-tsaina ny Fankahalana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2022
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fampianaran’ny Baiboly:
  • Inona no dikan’izany?
  • Inona no azonao atao?
  • “Tena Nankasitrahan’Andriamanitra i Stefana Sady Nomeny Hery Be”
    ‘Torio Amin’ny Fomba Feno ny Fanjakan’Andriamanitra’
  • Notoraham-bato i Stefana
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Inona no Hanampy ny Olona Tsy Hifankahala Intsony?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2022
  • Afaka Mandresy ny Fankahalana Isika!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2022
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2022
wp22 No. 1 p. 10-11
Lehilahy iray mieritreritra hoe mandray ny tanan’ny olona iray hafa firazanana aminy. Ny alok’izy ireo indray mampiseho an-dry zareo mifamaly sady mitazona takelaka.

INONA NO HANAMPY NY OLONA TSY HIFANKAHALA INTSONY?

3 | Esory Ao An-tsaina Ny Fankahalana

Fampianaran’ny Baiboly:

“Miovà ... ka havaozy ny sainareo mba hamantaranareo tsara ny sitrapon’Andriamanitra, izay tsara sy tena mety ary tonga lafatra.”​—ROMANINA 12:2.

Inona no dikan’izany?

Zava-dehibe amin’Andriamanitra izay eritreretintsika. (Jeremia 17:10) Marina hoe tsy tokony ho hita amin’izay lazaintsika na ataontsika hoe mankahala olona isika. Tsy ampy anefa izany. Manomboka ao an-tsaina sy ao am-po mantsy ny fankahalana. Tsy maintsy esorintsika ao an-tsaintsika àry izay rehetra mety hahatonga antsika hankahala olona. Amin’izay ihany isika vao ‘hiova’ sy tsy hankahala olona intsony.

Inona no azonao atao?

Jereo amin’ny saina tsy miangatra ny fahitanao ny olona sasany sy izay tsapanao momba an-dry zareo, indrindra fa ny olona hafa firazanana na vahiny. Saintsaino izao: ‘Ahoana no fiheverako an’ireny olona ireny? Inona no mahatonga ahy hieritreritra hoatr’izany? Ny zavatra fantatro momba an-dry zareo ve, sa mitsaratsara fotsiny aho?’ Aza mijery tambazotran-tserasera na filma na fialam-boly mampiseho fankahalana sy herisetra.

Afaka manampy antsika hanala ny fankahalana ao am-pontsika sy ao an-tsaintsika ny Baiboly

Afaka manampy antsika ‘hamantatra ny eritreritry ny fo sy ny fikasany’ ny Tenin’Andriamanitra. (Hebreo 4:12) Tsy mora foana mantsy izany. Mazotoa àry mandinika ny Baiboly. Jereo raha mitovy amin’izay ampianarin’izy io ny fomba fisainanao, ary miezaha mafy mba hanana fomba fisainana mampifaly an’Andriamanitra. Na dia hoatran’ny hoe “efa mafy orina” ao an-tsainao sy ao am-ponao aza ny fankahalana, dia afaka manampy anao hanala an’izany ny Tenin’Andriamanitra.​—2 Korintianina 10:4, 5.

Tantara Tena Nisy​—STEPHEN

Nanova ny Fomba Fisainany Izy

Stephen.

Nankahalain’ny fotsy hoditra i Stephen sy ny fianakaviany. Lasa liana tamin’ny fikambanana ara-politika iray niady ho an’ny zon’ny olom-pirenena àry izy. Nanao heloka bevava mihitsy aza izy, tatỳ aoriana, satria nankahala fotsy hoditra. Izao no nolazainy: “Nisy fotoana, ohatra, izahay sy ny namako mandeha mijery sinema. Filma momba ny fampijaliana andevo afrikanina tany Etazonia no nojerenay. Tezitra izahay ka nidaroka fotsy hoditra tao amin’ilay fijerena sinema. Nankany amin’ny tanànan’ny fotsy hoditra izahay avy eo, mba hamely olon-kafa.”

Niova be ny fiheveran’i Stephen ny fotsy hoditra, rehefa nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy. Nitantara izy hoe: “Niaina tao anatin’ny fanavakavahana aho taloha ka gaga rehefa niaraka tamin’ny Vavolombelona. Tsy maintsy nankany an-tany hafa, ohatra, ny Vavolombelona fotsy hoditra iray ary nasainy nokarakarain’ny fianakaviana mainty hoditra aloha ny zanany. Nalain’ny fianakaviana fotsy hoditra iray hipetraka tao aminy koa ny ankizilahy iray mainty hoditra tsy nanan-kialofana.” Resy lahatra i Stephen hoe ny Vavolombelon’i Jehovah ilay tena Kristianina noresahin’i Jesosy, satria nifankatia hoatran’ny fianakaviana iray ry zareo.​—Jaona 13:35.

Inona no nanampy an’i Stephen tsy hahery setra sy hankahala olona intsony? Nahasoa azy ny nandinika ny Romanina 12:2. Izao no nolazainy: ‘[Lasa] fantatro hoe mila manova ny toe-tsaiko aho. Tsy maintsy miova aho mba ho tia fihavanana sy hiaiky hoe izay mihitsy no tokony hataoko.’ Efa 40 taona mahery izao i Stephen no tsy nankahala olona intsony.

Afaka mahita ny tantaran’i Stephen ianao, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay 2015, pejy 10-11.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara