FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • wp23 No. 1 p. 10-11
  • 3 | Mahasoa Anao ny Tantaran’olona ao Amin’ny Baiboly

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 3 | Mahasoa Anao ny Tantaran’olona ao Amin’ny Baiboly
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2023
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no dikan’izany?
  • Nahoana izany no manampy?
  • 2 | ‘Mampionona Antsika ny Soratra Masina’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2023
  • 4 | Misy Torohevitra Mahasoa ao Amin’ny Baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2023
  • Ahoana no Hiatrehako ny Aretiko? (Fizarana 3)
    Manontany ny Tanora
  • Ahoana no Ahaizako Mifehy ny Fihetseham-poko?
    Manontany ny Tanora
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2023
wp23 No. 1 p. 10-11
Mosesy mpaminany miady saina be. Miandrandra ny lanitra izy ary mivavaka amin’Andriamanitra.

3 | Mahasoa Anao ny Tantaran’olona ao Amin’ny Baiboly

RESAHIN’NY BAIBOLY HOE... Misy lehilahy sy vehivavy manam-pinoana “nanana fihetseham-po hoatran’ny antsika.”​—JAKOBA 5:17.

Inona no dikan’izany?

Feno tantarana lehilahy sy vehivavy tena nisy ao amin’ny Baiboly. Nanana fihetseham-po isan-karazany izy ireny. Rehefa mamaky ny tantaran-dry zareo ianao, dia mety hahita olona mitovy fihetseham-po aminao.

Nahoana izany no manampy?

Tiantsika rehetra raha mba azon’ny olona izay manjo antsika. Ny olona tratran’ny aretin-tsaina no tena mahatsapa hoe mila an’izany. Rehefa mamaky tantaran’olona tena nisy ao amin’ny Baiboly isika, dia mety ho tsapantsika ny manjo azy, ary lasa fantatsika hoe hay misy olona manana eritreritra sy fihetseham-po mitovy amin’ny antsika koa. Tonga saina isika hoe tsy isika ihany no mitebiteby be hoatr’izany, dia lasa mahatsapa isika hoe tsy manirery rehefa miatrika ny adin-tsaina sy ny fihetseham-po mifamahofaho.

  • Misy tenin’olona be dia be nahatsiaro ho tapi-dalan-kaleha sy namoy fo ao amin’ny Baiboly. Efa nisy fotoana ve ianao niteny hoe: ‘Tsy vitako intsony ka!’ Efa nanao hoatr’izany i Mosesy sy Elia ary Davida.​—Nomery 11:14; 1 Mpanjaka 19:4; Salamo 55:4.

  • Miresaka momba ny vehivavy iray antsoina hoe Hana ny Baiboly. ‘Nalahelo be’ izy satria tsy mba nanan-janaka. Ny rafivaviny koa ratsy fanahy be taminy, dia nanesoeso azy momba an’izany foana.​—1 Samoela 1:6, 10.

  • Miresaka momba an’i Joba koa ny Baiboly. Mitovy amin’ny azy angamba ny zavatra iainanao. Lehilahy nanam-pinoana izy, nefa nisy fotoana izy kivy be ka niteny hoe: “Maharikoriko ahy ny fiainako. Tsy te ho velona intsony aho.”​—Joba 7:16.

Nahavita nanitsy ny eritreritra mahakivy nananany ireny olona tantaraina ao amin’ny Baiboly ireny. Raha mianatra avy amin’izy ireny isika, dia hanana hery hiatrehana ny adin-tsaina koa.

Ny Nanampian’ny Baiboly An’i Kevin

Nisy vokany tamiko ilay fihetseham-po miovaova (Trouble Bipolaire)

Kevin miara-misotro kafe amin’ny namany anankiroa.

“Niovaova be ny fihetseham-poko tamin’izaho 50 taona latsaka kely, dia hitan’ny dokotera hoe efa aretina ilay izy. Misy fotoana aho mahatsapa hoe zakako daholo na inon-kidona na inon-kihatra. Indraindray anefa hoatran’ny hoe tsy misy antony tokony hahavelomako intsony.”

Manampy ahy ny Baiboly

“Ny tantaran’ny apostoly Petera no hitako hoe mitovy amin’ny ahy. Nanao fahadisoana izy, dia nahatsiaro ho tsy nisy vidiny. Tsy nifantoka tamin’izany anefa izy, fa naleony nitady namana afaka miahy azy. Kivy aho rehefa mihetsika ny aretiko, ka manamelo-tena be sady mahatsiaro ho tsy misy vidiny. Naleoko anefa nanao hoatran’i Petera dia miezaka mifandray akaiky amin’ny namako. Ry zareo mantsy no manampy ahy tsy hamoy fo.

“Tena mampahery ahy koa ny tantaran’i Davida Mpanjaka voaresaka ao amin’ny Baiboly. Matetika izy no kivy be noho ny zavatra niainany, ary nanenenany ny tsy nety nataony tamin’ny lasa. Azoko tsara ny fihetseham-pony satria misy fotoana aho manao na milaza zavatra anenenako. Mampahery ahy ny teniny ao amin’ny Salamo 51:3 hoe: ‘Fantatro tsara ny heloka vitako, ary eo anatrehako foana ny fahotako.’ Izany mihitsy no tsapako rehefa maizina amiko ny tany aman-danitra. Hoatran’ny tsy misy mangirana mihitsy mantsy ny fiainako amin’ireny fotoana ireny. Izao indray no lazainy eo amin’ny andininy faha-10: ‘Amoròny fo madio aho, Andriamanitra ô, ary omeo toe-tsaina vaovao tsy miova mihitsy.’ Miangavy an’Andriamanitra hoatr’izany koa aho mba hanampy ahy tsy ho kivy amin’ny tenako. Nampionona ahy koa ny andininy faha-17 hoe: ‘Tsy holavinao ny fo torotoro sy kivy, Andriamanitra ô!’ Nanome toky ahy io andininy io hoe tia ahy Andriamanitra.

“Be fanantenana kokoa aho izao, rehefa mifantoka amin’ireny olona tantaraina ao amin’ny Baiboly ireny sy amin’ny zavatra efa omen’Andriamanitra ahy. Lasa matoky aho hoe tena ho tanteraka ny fampanantenan’ny Baiboly, dia izany no manampy ahy hiezaka foana.”

Fanampiana Hafa:

Jereo ao amin’ny jw.org/mg ilay lahatsoratra hoe “Rehefa Tsy Te ho Velona Intsony Ianao” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 2019, No. 2, p. 12-13.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara