Afaka Manampy Antsika Hahay Handefitra ny Baiboly
“Tsy hisy mihitsy ny fiadanana raha tsy eo ny fandeferana.”—UNESCO Declaration of Principles on Tolerance, 1995.
Rehefa tsy mifandefitra kosa ny olona dia mety tsy hifanaja sady hifankahala. Matetika izany no mahatonga an-dry zareo hiteny zavatra mampiseho fankahalana, na hanavakavaka, na hahery setra.
Tsy mitovy anefa ny hevitry ny olona momba ny dikan’ny hoe fandeferana. Mino ny olona sasany hoe tsy maintsy manaiky ny karazan-javatra rehetra ataon’ny olona na ny fitondran-tenany ny olona mandefitra. Ny hafa indray mitovy hevitra amin’ny Baiboly hoe ny olona mandefitra dia manaja ny zon’ny tsirairay hisafidy ny toetra tiany hananana sy ny zavatra inoany, na dia tsy ekeny aza ireny toetra sy zavatra inoana ireny.
Ahoana izany hoe tena mandefitra? Afaka manampy ny olona amin’izany ve ny Baiboly amin’izao androntsika izao?
Inona no lazain’ny Baiboly momba ny fandeferana?
Mampirisika ny olona handefitra ny Baiboly. Milaza izy io hoe: “Ataovy fantatry ny olona rehetra hoe mahay mandanjalanja ianareo.” (Filipianina 4:5) Ampirisihin’ny Baiboly isika mba ho tsara fanahy sy hanaja ary hanao ny rariny rehefa mifandray amin’ny olon-kafa. Raha mampihatra an’izany ny olona iray, dia havelany hisafidy an’izay tiany hatao ny olona, na dia tsy ekeny na tsy hataony mihitsy aza ny zavatra ataon’izy ireo.
Asehon’ny Baiboly anefa fa nomen’Andriamanitra torolalana momba ny fitondran-tena ny olombelona. Izao no voalaza ao: “Ry zanak’olombelona, efa [nolazain’Andriamanitra] taminao izay tsara.” (Mika 6:8) Resahina ao ny tari-dalana nomen’Andriamanitra ny olona mba hahatonga ny fiainan’izy ireo tena hahafinaritra.—Isaia 48:17, 18.
Tsy nomen’Andriamanitra fahefana hitsara olona isika. Milaza ny Baiboly hoe: “Iray ihany ny Mpanao Lalàna sy Mpitsara ... Iza moa ianao no hitsara ny namanao?” (Jakoba 4:12) Avelan’Andriamanitra hanana safidy malalaka isika tsirairay, ary isika ihany no tompon’andraikitra amin’izay safidy ataontsika.—Deoteronomia 30:19.
Inona no lazain’ny Baiboly momba ny fanajana?
Resahin’ny Baiboly fa tokony ‘hanaja ny karazan’olona rehetra’ isika. (1 Petera 2:17) Manaja ny olona rehetra àry izay mifidy ny hanaraka ny torolalan’ny Baiboly, na inona na inona inoan’ireny olona ireny ary na hoatran’ny ahoana na hoatran’ny ahoana ny fomba fiainany. (Lioka 6:31)Tsy midika akory izany hoe heken’izay mankatò ny Baiboly daholo izay zavatra inoan’ny olona na ny hevitr’izy ireo, na hoe hotohanan-dry zareo daholo izay fanapahan-kevitra raisin’ny olona. Na izany aza anefa dia tsy hoe tsy hahalala fomba ry zareo na tsy hanaja ny hafa, fa hiezaka mafy araka izay azony atao mba hanahaka ny fomba nitondran’i Jesosy ny olon-kafa.
Nisy fotoana, ohatra, i Jesosy tafahoana tamin’ny vehivavy iray nanaraka fivavahana tsy nekeny. Tsy vitan’izay fa niara-nipetraka tamin’ny lehilahy tsy vadiny io vehivavy io, ary tena tsy neken’i Jesosy koa izany fomba fiainany izany. Na izany aza dia nanaja an’ilay vehivavy i Jesosy rehefa niresaka taminy.—Jaona 4:9, 17-24.
Efa vonona hanazava ny anton’ny zavatra inoany amin’izay vonona hihaino koa ny Kristianina, ary “feno fanajana” izy ireo rehefa manao an’izany, hoatran’i Jesosy ihany. (1 Petera 3:15) Mampianatra ny Kristianina ny Baiboly mba tsy hanery ny hafa hanaiky ny heviny. Lazaina ao fa “tsy tokony hiady” ny mpanara-dia an’i Kristy, “fa halemy fanahy amin’ny rehetra kosa”, anisan’izany izay tsy mitovy zavatra inoana aminy.—2 Timoty 2:24.
Inona no lazain’ny Baiboly momba ny fankahalana?
Manoro hevitra antsika ny Baiboly mba ‘hanao izay hihavanana amin’ny olona rehetra.’ (Hebreo 12:14) Tsy mankahala olona izay tia fihavanana. Tsy mampandefitra ny zavatra inoany mihitsy izy, nefa miezaka be mba hitandro fihavanana foana. (Matio 5:9) Mampirisika ny Kristianina koa mantsy ny Baiboly mba ho tia ny fahavalony ka ho tsara fanahy foana na dia amin’ny olona ratsy toetra aminy aza.—Matio 5:44.
Marina aloha fa milaza ny Baiboly hoe ‘halan’Andriamanitra’ na “tena tsy tiany” izay zavatra mety hanisy ratsy olona na hahatonga azy ho tsy misy hajany. (Ohabolana 6:16-19) Mampiasa teny mifandray amin’ny fankahalana anefa ny Baiboly eo mba hilazana fa misy zavatra ataon’ny olona halan’Andriamanitra, izany hoe tena tsy tiany maizina. Asehon’ny Baiboly fa vonona hamela heloka Andriamanitra, sady vonona hanampy ny olona hiova sy hiaina mifanaraka amin’ny torolalana omeny.—Isaia 55:7.
Andinin-teny ao amin’ny Baiboly mifandray amin’ny fandeferana sy ny fanajana
Titosy 3:2: “Hahay handanjalanja kosa sy halemy fanahy tanteraka amin’ny olona rehetra.”
Malemy fanahy ny olona mahay mandanjalanja rehefa tsy mitovy hevitra aminy ny olona, ary miezaka izy mba hisy foana ny fifanajana.
Matio 7:12: “Izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo àry, dia mba ataovy aminy koa.”
Tena tiantsika rehefa manaja antsika ny olona sady mihevitra ny fihetseham-pontsika sy ny hevitsika manokana. Raha tianao ny hianatra bebe kokoa hoe ahoana no azo ampiharana an’io torohevitra malaza nomen’i Jesosy io, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Inona no Tian’i Jesosy Holazaina Amin’ilay hoe ‘Izay Tianareo Hataon’ny Olona Aminareo dia mba Ataovy Aminy Koa’?”
Josoa 24:15: “Fidio androany izay hotompoinareo.”
Mampisy fihavanana isika rehefa manaja ny zon’ny olona hanana safidy malalaka.
Asan’ny Apostoly 10:34: “Tsy mijery tavan’olona Andriamanitra.”
Tsy manilikilika an’iza na iza noho ny kolontsainy, ny fiaviany, ny fokony, ny fari-piainany, na noho ny hoe lehilahy izy na vehivavy, Andriamanitra. Manaja ny olona rehetra tsy an-kanavaka koa izay te hanahaka azy.
Habakoka 1:12, 13: “Tsy [tantin’Andriamanitra] mihitsy ny mahita zava-dratsy.”
Misy fetrany ny fandeferan’Andriamanitra. Tsy havelany hitohy mandrakizay ny zavatra ratsy ataon’ny olombelona. Raha te hahazo fanazavana bebe kokoa, dia jereo ilay video hoe Nahoana Isika no Avelan’Andriamanitra Hijaly?
Romanina 12:19: “Avelao Andriamanitra no hampiseho ny hatezerany. Fa voasoratra hoe: ‘“Ahy ny famaliana, ary izaho no hamaly”, hoy i Jehovah.’”a
Tsy misy olona avelan’Andriamanitra hamaly faty. Tsy maintsy hataony izay hampivoaka ny rariny amin’ny fotoana efa notondroiny. Raha te hahazo fanazavana bebe kokoa, dia vakio ilay lahatsoratra hoe “Mbola ho Foana ve ny Tsy Rariny Indray Andro Any?”
a Jehovah no anaran’Andriamanitra. (Salamo 83:18) Jereo ilay lahatsoratra hoe “Iza moa i Jehovah?”