Teny Fampidirana
Tianao ve izao raha tsy misy intsony ny ady? Betsaka no mahita hoe mahafinaritra izany nefa sarotra inoana. Hazavain’ny Baiboly hoe nahoana no tsy mahomby ny ezaka ataon’ny olombelona mba hampitsaharana ny ady. Resahiny koa hoe nahoana isika no afaka matoky fa tena hisy fiadanana eran-tany ary tsy ho ela izany.
Ilay teny hoe “ady”, ato amin’ity gazety ity, dia manondro ny fifandonana eo amin’ny antokon’olona samy hafa mampiasa fitaovam-piadiana mba hanatratrarana tanjona ara-politika. Novana ny anaran’ny olona sasany voaresaka ato.