FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • wp25 No. 1 p. 9
  • Nahoana no Mbola Misy Foana ny Ady?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahoana no Mbola Misy Foana ny Ady?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2025
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • OTA
  • FANJAKAN’OLOMBELONA
  • SATANA SY NY DEMONIANY
  • Ahoana no Hampifarana ny Ady?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2025
  • Inona no Tian’Andriamanitra Hatao ho An’ny Olombelona?
    Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?
  • Inona Ilay Ota Tany Am-boalohany?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Tsy Misy Afa-bela Amin’ny Vokatry ny Ady
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2025
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2025
wp25 No. 1 p. 9

Nahoana no Mbola Misy Foana ny Ady?

Resahin’ny Baiboly hoe inona avy no mahatonga ny ady, ary nahoana no misy ady foana.

OTA

Noforonin’Andriamanitra hitovy endrika aminy i Adama sy Eva, ray aman-drenintsika voalohany. (Genesisy 1:27) Midika izany hoe voajanahary amin-dry zareo ny manahaka ny toetran’Andriamanitra, anisan’izany ny hoe tia fihavanana sy be fitiavana. (1 Korintianina 14:33; 1 Jaona 4:8) Tsy nankatò an’Andriamanitra anefa i Adama sy Eva dia nanota. Nandova ota sy fahafatesana àry isika rehetra. (Romanina 5:12) Mora mieritreri-dratsy sy mahery setra isika satria mpanota.​—Genesisy 6:5; Marka 7:21, 22.

FANJAKAN’OLOMBELONA

Tsy noforonin’Andriamanitra hifampitondra isika. Milaza ny Baiboly hoe: “Tsy natao hitondra samirery ny fiainany ... ny olona.” (Jeremia 10:23) Tsy mahavita manafoana tanteraka ny ady àry ny fanjakan’olombelona.

SATANA SY NY DEMONIANY

Hazavain’ny Baiboly hoe ‘eo ambany fahefan’ilay ratsy izao tontolo izao manontolo.’ (1 Jaona 5:19) I Satana Devoly no antsoina hoe “ilay ratsy”, ary tia mamono olona izy. (Jaona 8:44) Tsy hita maso izy sy ny anjely ratsy hafa, ary ry zareo no mpampirisika ny olona hiady sy hahery setra.​—Apokalypsy 12:9, 12.

Tsy vitantsika ny manala ny fototry ny ady sy ny herisetra, fa vitan’Andriamanitra.

Ny Fivavahana sy ny Ady

Matetika ny fivavahana no milefitra amin’ny ady, manala tsiny an’ilay izy, na mampirisika ny olona handeha hiady. Anisan’ny fivavahan-diso ny fivavahana hoatr’izany, ary “Babylona Lehibe” no iantsoana ny fivavahan-diso rehetra amin’ny fitambarany. (Apokalypsy 18:2) Tompon’andraikitra amin’ny nahafatesan’izay “rehetra naripaka teny ambonin’ny tany” i Babylona Lehibe, eo imason’Andriamanitra. (Apokalypsy 18:24) Raha mila fanazavana fanampiny ianao, dia vakio ao amin’ny jw.org ilay lahatsoratra hoe “Iza moa i Babylona Lehibe?”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara