FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mrt lahatsoratra 64
  • Iza no Fidinao ho Mpitondra? Inona no Lazain’ny Baiboly?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Iza no Fidinao ho Mpitondra? Inona no Lazain’ny Baiboly?
  • Foto-kevitra Hafa
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Voafetra ny vitan’ny mpitondra olombelona
  • Mpitondra iray nofidin’Andriamanitra
  • Mpanao Politika Tsy Manao ny Marina: Inona no Hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra?
    Foto-kevitra Hafa
  • Aiza no Ahitantsika Mpitarika Mahay?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Iza no Mpitondra Tena Mahay Ankehitriny?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
  • Aoka isika handeha amim-pitokisana tanteraka eo ambany fitarihan’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
Hijery Hafa
Foto-kevitra Hafa
mrt lahatsoratra 64
Olona mandatsa-bato amin’ny fifidianana.

Comstock Images/Stockbyte via Getty Images

MIAMBENA FOANA!

Iza no Fidinao ho Mpitondra? Inona no Lazain’ny Baiboly?

Mila mandray fanapahan-kevitra lehibe ny olona hoe iza no hofidiny ho mpitondra.

Inona no lazain’ny Baiboly?

Voafetra ny vitan’ny mpitondra olombelona

Anisan’ny mahatonga an’izany ity resahin’ny Baiboly ity:

  • “Aza matoky ny olona ambony na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy. Miala ny fofonainy, ary miverina amin’ny tany izy; amin’iny andro iny ihany, dia foana ny eritreriny.”​—Salamo 146:3, 4.

Na dia ny mpitondra mahay indrindra aza mbola ho faty ihany. Ankoatra izany, dia tsy afaka manome antoka izy ireo hoe hanohy ny asa tsara vitany izay olona handimby azy.​—Mpitoriteny 2:18, 19.

Lazain’ny Baiboly fa tsy natao hifampitondra mihitsy ny olombelona.

  • “Tsy natao hitondra samirery ny fiainany ... ny olona.”​—Jeremia 10:23.

Mba misy olona afaka ny ho mpitondra mahay ve amin’izao?

Mpitondra iray nofidin’Andriamanitra

Hazavain’ny Baiboly fa nanendry mpitondra faran’izay mahay sy azo itokisana Andriamanitra. Tsy iza izany fa i Jesosy Kristy. (Salamo 2:6) I Jesosy no Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary avy any an-danitra izy io no hitondra.​—Matio 6:10.

Hifidy ny fitondran’i Jesosy ve ianao? Asehon’ny Baiboly fa zava-dehibe ny safidinao:

  • “Omeo voninahitra ilay zanaka [i Jesosy Kristy] sao ho tezitra Andriamanitra ka ho ringana ianareo, fa vetivety dia mirehitra ny fahatezerany. Sambatra izay rehetra mialoka aminy.”​—Salamo 2:12.

Izao no fotoana tokony handraisanao fanapahan-kevitra. Raha jerena ny faminanian’ny Baiboly dia efa nanomboka nanjaka tamin’ny 1914 i Jesosy, ary tsy ho ela ny Fanjakan’Andriamanitra dia hisolo ny fitondram-panjakan’olombelona rehetra.​—Daniela 2:44.

Raha tianao ho fantatra bebe kokoa hoe inona no azonao atao mba hanohanana ny fitondran’i Jesosy, dia vakio ilay lahatsoratra hoe “Miezaha Hanohana ny Fanjakan’Andriamanitra Dieny Izao!”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara