FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mrt lahatsoratra 93
  • Olana Ara-bola: Inona no Hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Olana Ara-bola: Inona no Hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra?
  • Foto-kevitra Hafa
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no Hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra mba Hamahana ny Olana Momba ny Tontolo Iainana?
    Foto-kevitra Hafa
  • Mpanao Politika Tsy Manao ny Marina: Inona no Hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra?
    Foto-kevitra Hafa
  • Ny Tsy Fitovian-jo — Fikasan’Andriamanitra Ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Fanjakan’Andriamanitra
    Mifohaza!—2013
Hijery Hafa
Foto-kevitra Hafa
mrt lahatsoratra 93
Tanàn-dehibe feno setroka maloto, ary ahitana trano efa tranainy be mihasimba eo aloha.

Kim Steele/The Image Bank via Getty Images

Olana Ara-bola: Inona no Hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra?

Be dia be ny olona eran-tany no sahirana ara-bola satria tsy mahavelona azy intsony ny karamany, ary vao mainka mitombo ilay olana.

  • Milaza ny tatitra maneran-tanya iray vao haingana hoe “mihena be ny fahefa-mividin’ny olona.” Mampitandrina ilay tatitra hoe “vao mainka hisy elanelany be ny mahantra sy ny mpanankarena” raha avela amin’izao fotsiny izany, ka hidina be “ny fari-piainan’ny mpiasa maro sy ny fianakaviany.”

Hahavita hamaha an’izany olana ara-bola izany ve ny fitondrana, na hahavita hanatsara ny fari-piainan’ny olona fotsiny aza?

Milaza ny Baiboly hoe misy fanjakana iray afaka mamaha sady hamaha ny olana ara-bola rehetra, anisan’izany ny tsy fitovian’ny fari-piainana. Resahiny hoe “hanangana fanjakana iray ilay Andriamanitry ny lanitra”, dia io fanjakana io irery ihany no hitondra ny tany manontolo. (Daniela 2:44) Tsy hisy olona ho hadino na tsy horaharahiana rehefa mitondra io fanjakana io. (Salamo 9:18) Homen’ny Fanjakan’Andriamanitra izay ilain’ny vahoakany mba hahasambatra azy ireo. Ho afaka hankafy ny vokatry ny asa mafy ataony ny olona rehetra.​—Isaia 65:21, 22.

Inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra?

Ny gazety “Ny Tilikambo Fiambenana” mitondra ny lohateny hoe “Inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra?”

Manasa anao izahay hamaky an’ilay gazety Ny Tilikambo Fiambenana mitondra ny lohateny hoe “Inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra?” Ho hitanao ato ny valin’ireto fanontaniana ireto:

  • Iza no Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra?

  • Rahoviana ny Fanjakan’Andriamanitra no Hitondra ny Tany?

  • Inona no Hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra?

a International Labour Organization Global Wage Report 2022-23

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara