FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w99 1/8 p. 4-6
  • Ny Tsy Fitovian-jo — Fikasan’Andriamanitra Ve?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Tsy Fitovian-jo — Fikasan’Andriamanitra Ve?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fototry ny tsy fitoviana
  • Hiova ve ny toe-javatra?
  • Loza Mihanaka Ankehitriny ny Tsy Fitovian-jo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Fifehezana Ilay Loza Mihanaky ny Tsy Fitovian-jo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Olana Ara-bola: Inona no Hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra?
    Foto-kevitra Hafa
  • Ny fikatsahana fitoviana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
w99 1/8 p. 4-6

Ny Tsy Fitovian-jo — Fikasan’Andriamanitra Ve?

Tsia no valiny, raha lazaina amin’ny teny tokana. Andeha hojerentsika ny antony.

NY FIKASAN’ANDRIAMANITRA dia ny hananan’ny olombelona rehetra fahafahana mitovy mba hankafy ny fiainana sy ny fahasambarana. Toy izao no vakintsika momba ny famoronany ny olombelona: “Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika; ary aoka izy hanjaka amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany.” Rehefa vita ny zavatra noforonina teto an-tany, dia “hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany”. — Genesisy 1:26, 31.

Afaka milaza ny tsy fitoviana mampalahelo misy amin’izao andro izao ho “tsara indrindra” ve Andriamanitra? Tsia, satria “Andriamanitra dia fitiavana”. (1 Jaona 4:8). Voalaza fa “tsy mizaha tavan’olona” izy, ary “tanteraka ny asany; fa ny làlany rehetra dia amin’ny rariny avokoa. Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy ao aminy; marina sy mahitsy Izy”. (Deoteronomia 10:17; 32:4; ampitahao amin’ny Joba 34:19.) Ary nanatsoaka hevitra toy izao ny apostoly Petera: “Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” — Asan’ny Apostoly 10:34, 35.

Koa satria Andriamanitra be fitiavana, tsy mizaha tavan’olona, tia ny rariny, mahitsy ary marina, ahoana no hahafahany hamorona olombelona hanana tsy fitoviana raiki-tampisaka raha ny amin’ny zony hanana fahasambarana? Hifanohitra tanteraka amin’ny toetrany ny famelana ny hisian’ny fanavakavahana eo amin’ny olona sy ny fametrahana azy ireo eo amin’ny fandehan-javatra iray anjakan’ny tsy fitoviana. Ny fikasany dia ny hahatonga ny rehetra ho ‘teraka ho olona afaka sady hitovy fahamendrehana sy zo’. Kanefa, miharihary fa tsy izany ny toe-javatra amin’izao andro izao. Fa nahoana?

Ny fototry ny tsy fitoviana

Ny namoronan’Andriamanitra ny olombelona hitovy dia tsy midika fa nokasainy hitovy tamin’ny lafiny rehetra izy rehetra. Mety tsy hitovy izy ireo eo amin’ny talenta sy ny zavatra mahaliana ary ny toetra. Mety tsy hitovy koa izy ireo eo amin’ny saranga na ny ambaratongam-pahefana. Ohatra, tsy mitovy amin’ny lafiny rehetra ny lehilahy sy ny vehivavy, nefa namorona ny vehivavy ho ‘famenon’ny’ lehilahy Andriamanitra. (Genesisy 2:18, NW ). Miharihary fa tsy mitovy ny fahefan’ny ray aman-dreny sy ny zanaka. Na dia eo aza anefa ireo tsy fitoviana ireo, ny rehetra — ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy, dia natao hanana ny zo avy amin’Andriamanitra hanana fahafahana mitovy hanome fahafaham-po ireo zavatra fototra takina mba hahazoana fahasambarana. Natao hanana fahamendrehana sy toerana mitovy eo anatrehan’Andriamanitra izy rehetra.

Toy izany, ireo zanaka ara-panahin’Andriamanitra, noforonina talohan’ny olombelona, dia nomena fanendrena sy andraikitra tsy nitovy. (Genesisy 3:24; 16:7-11; Isaia 6:6; Joda 9). Na dia izany aza, tao anatin’ny fetra nomena azy ireo, dia afaka nankafy ireo fandaharan’Andriamanitra ny amin’ny fiainana sy ny fahasambarana tamin’ny ambaratonga nitovy ny rehetra. Tamin’izany izy ireo dia nampiseho taratry ny tsy fizahan’Andriamanitra tavan’olona tamin’ny fomba nahatalanjona.

Mampalahelo fa tsy nianina tamin’ny fandaharan’Andriamanitra nampiseho tsy fizahan-tavan’olona ny zavaboary ara-panahy iray. Naniry nihoatra noho izay nomen’Andriamanitra azy izy, ka naniry mafy hahazo toerana ambony kokoa sy misandratra kokoa. Tamin’ny fanolokoloana io fanirian-dratsy io izy dia nanao ny tenany ho rafin’i Jehovah, dia ilay Mpamorona manana ara-drariny ny fahefana tampony eo amin’ny zava-drehetra. Nandrisika ny olombelona hitaky tamin’Andriamanitra nihoatra noho izay nomeny azy ireo, io zanak’Andriamanitra ara-panahy mpikomy io tatỳ aoriana. (Genesisy 3:1-6; ampitahao amin’ny Isaia 14:12-14.) Araka izany, ny fandaharana nataon’i Jehovah mba hahazoan’ny olombelona fiainana sy fahasambarana dia toa nanjary tsy araka ny tokony ho izy intsony. Io mpikomy tany amin’ny faritra ara-panahy io, izay ampahafantarina ao amin’ny Apokalypsy 20:2 ho “ny devoly sy Satana”, dia nanjary rangory fototry ny afo tamin’ny tsy fitovian’ny olombelona.

Hiova ve ny toe-javatra?

Eny! ny valin-teny raha lazaina amin’ny teny tokana.

Iza anefa no afaka mitondra ireo fiovana irina? Tsy isalasalana fa niady mafy tamim-pahatsorana tanteraka nandritra ny taonjato maro, ireo filoha olombelona mba hanaovana izany. Voafetra ny fahombiazany, ka nahatonga olona maro hanatsoaka hevitra fa tsy araka ny zava-misy ny hanantenana fa ho voalamina ny zava-manahirana ny amin’ny tsy fitovian’ny olombelona indray andro any. Voarakitra ao amin’ny Isaia 55:10, 11 anefa izao fomba fijerin’Andriamanitra izao: “Toy ny ranonorana sy ny orampanala milatsaka avy any an-danitra ka tsy miverina any, raha tsy efa nahavonto ny tany ka nampaniry sy nampahavokatra azy, mba hahatonga voa ho an’ny mpamafy sy hanina ho an’ny mpihinana, — dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako: Tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin’izay ampandehanako azy.”

Tena mitondra fampiononana tokoa ny mahafantatra fa i Jehovah Andriamanitra mihitsy no nanambara fa hanatanteraka ny fikasany tany am-boalohany ny tenany, dia ny hanome ho an’ny olombelona rehetra fahafahana mitovy ho amin’ny fiainana sy ny fahasambarana! Amin’ny maha Andriamanitra milaza ny marina azy, dia nanery ny tenany mba hanatanteraka izay nampanantenainy izy. Soa ihany fa sady manana ny faniriana izy, no manana ny hery hanaovana izany. Ahoana no hanatanterahany izany?

Hita ao amin’ilay Fanjakana izay nampianarin’i Jesosy Kristy ny mpanara-dia azy rehetra mba hangatahina amin’ny vavaka toy izao ny valiny: “Rainay Izay any an-danitra, (...) Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” (Matio 6:9, 10). Eny, ny Fanjakan’Andriamanitra no fitaovana hampiasain’i Jehovah mba ‘hanorotoroana sy handevonana ireo fanjakana rehetra ireo [izay misy ankehitriny], fa izy kosa hitoetra mandrakizay’. — Daniela 2:44.

Hisy fitambaran’olona vaovao hipoitra, eo ambanin’ny fanapahan’ilay Fanjakana any an-danitra. Mahakasika izany, dia nanoratra toy izao ny apostoly Jaona, ao amin’ny Apokalypsy, boky farany ao amin’ny Baiboly: “Nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany”. (Apokalypsy 21:1). Tsy hisy intsony ireo endrika ratsin’ny tsy fitoviana rehetra — ny fahantrana, ny aretina, ny tsy fahalalana, ny fanavakavahana, ary ny fahoriana hafa mahazo ny olombelona.a

Efa maherin’ny zato taona no nisarihan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny sain’ny olona ho amin’io Fanjakana io. (Matio 24:14). Amin’ny alalan’ny zavatra vita pirinty sy ny fanampiana manokana, dia nikely aina izy ireo mba hanampy ny olona hahazo fahalalana momba ny fikasan’Andriamanitra voarakitra ao amin’ny Baiboly. Ny asa fampianarana ataon’izy ireo maneran-tany anefa, dia tsy nanome ny olona ilay fanantenana ny hiaina ao anatin’ny fitoviana sy ny fahasambarana amin’ny ho avy fotsiny, fa nitondra soa dieny izao koa mba hifehezana ny loza mihanaky ny tsy fitovian-jo. Andeha hojerentsika hoe amin’ny ahoana.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Mba hanaovana dinika feno kokoa ny amin’ny fomba hitondran’ny Fanjakan’Andriamanitra tsy ho ela fitovian-jo ho an’ny rehetra, dia jereo, aza fady, ny toko faha-10 sy faha-11 amin’ny boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.

[Teny notsongaina, pejy 5]

Fikasan’Andriamanitra ny hananan’ny olombelona rehetra fahafahana mitovy raha ny amin’ny fiainana sy ny fahasambarana

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara