FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwwd lahatsoratra 44
  • Ny Fahaizan’ny Hormonina Mandrindra ny Fiasan’ny Vatana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Fahaizan’ny Hormonina Mandrindra ny Fiasan’ny Vatana
  • Nisy Namorona Ve?
  • Mitovitovy Aminy
  • Fantatrao ve ny Atao hoe Tiroida?
    Mifohaza!—2009
  • Sokay
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Zavatra Simika — Namana sa Fahavalo?
    Mifohaza!—1999
  • Hoatran’ny Ahoana Ilay hoe Miady Saina?
    Mifohaza!—2020
Nisy Namorona Ve?
ijwwd lahatsoratra 44
Vehivavy iray mijery ny tendany eo amin’ny fitaratra, dia mandinika sao manana olana amin’ny tiroida izy.

NISY NAMORONA VE?

Ny Fahaizan’ny Hormonina Mandrindra ny Fiasan’ny Vatana

Tokony ho voafaritra tsara ny fatran’ny mineraly ao amin’ny ra, amin’izay vao hiasa tsara ny vatantsika. Tsy mitovy anefa ny habetsahan’ny mineraly miditra ao amin’ny vatantsika isan’andro. Ahoana no ataon’ny vatana mba tsy hiovaova mihitsy ny fatran’izy io?

Mamokatra sy mitahiry hormonina, ary mandefa an’izany mankao amin’ny ra ny vatan’olona salama iray, mba hahatonga ny habetsahan’ny mineraly tsy hiovaova mihitsy. Mandrindra ny fiasan’ny zavatra maro ao amin’ny vatana ny hormonina. Na dia hormonina kely fotsiny aza dia efa mety hisy vokany be amin’ny vatana. Milaza ny Encyclopedia Britannica fa rehefa mandefa hormonina ao amin’ny ra ny vatana, dia “tsy alefalefany amin’izao ilay izy, fa voakajy tsara sady be pitsiny.”

Ny paratiroida ao amin’ny tenda, ohatra, no mahamarika ny fiovana kely amin’ny habetsahahan’ny kalsioma ao amin’ny ra. Anankiefatra amin’ny ankapobeny ny paratiroida, dia hoatran’ny voam-bary ny haben’ny tsirairay aminy.

Sary: Kisarisary mampiseho tiroida. 1) Sary avy eo anoloana, mampiseho ny toerana misy ny tiroida eo amin’ny tenda. 2) Sarin’ilay tiroida avy ao aoriana, ahitana an’ireo paratiroida.

Rehefa tsapan’ny paratiroida hoe latsaky ny tokony ho izy ny kalsioma, dia mamoaka hormonina haingana ry zareo, indraindray ao anatin’ny segondra vitsy fotsiny. Dia ireny hormonina ireny no mibaiko ny taolana mba handefa ny tahirina kalsioma ao anatiny ho any amin’ny ra. Misakana ny voa mba tsy hanasivana ny kalsioma ao amin’ny ra koa io hormonina io, dia ny tsinaikely indray asainy mitroka kalsioma bebe kokoa avy amin’ny sakafo.

Ary ahoana raha be loatra ny kalsioma ao amin’ny ra? Mamoaka karazana hormonina hafa ny taova kely iray atao hoe tiroida. Io hormonina io no mibaiko ny taolana mba hampitombo ny kalsioma trohiny sy tehiriziny. Ny voa indray baikoiny mba hanasivana sy hanary kalsioma betsaka kokoa.

An-jatony ny hormonina mandrindra ny fiasan’ny vatan’ny olombelona. Vao roa fotsiny amin’izany anefa ireo hitantsika ireo.

Ahoana ny hevitrao? Nivoatra miandalana ve ny fahaizan’ny hormonina mandrindra ny fiasan’ny vatana, sa nisy namorona?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara