JESÚS MARTÍN | TANTARAM-PIAINANA
“Namonjy Ahy i Jehovah Tamin’ny Fotoana Nanjombona Indrindra teo Amin’ny Fiainako”
Teraka tany Madrid aho tamin’ny 1936. Raha mbola Espaniola mitovitovy taona amiko, dia tsy hanadino an’io taona io mihitsy. Nisy ady an-trano nipoaka mantsy teto Espaina tamin’io taona io.
Efa ho telo taona io ady an-trano io no nandravarava an’i Espaina. Be dia be ny olona nitondra takaitra avy amin’izany, sady mbola malahelo be foana hatramin’izao. Iray amin’ireny olona ireny ny dadako. Nino an’Andriamanitra foana izy hatramin’izay, fa lasa tezitra be rehefa nahita pretra katolika nidikiditra be tamin’ilay ady. Nanapa-kevitra àry izy hoe tsy hatao batemy any amin’ny Katolika mihitsy izaho sy ny rahalahiko.
Niara-niasa akaiky tamin’ny Eglizy Katolika i Francisco Franco
Nisy Vavolombelona roa tonga nandondòna tao an-tranonay tamin’ny 1950. Nihaino an-dry zareo i Dada, dia nanaiky hoe hianatra Baiboly isan-kerinandro. Vao 14 taona aho tamin’izay, ary tia nilalao baolina be mihitsy. Nataon’i Dada izay namakiako ny boky nomen’ny Vavolombelon’i Jehovah azy, fa tsy namaky mihitsy aho. Avy nilalao baolina aho indray tolakandro izay. Nanontany an’i Neny aho rehefa nody hoe: “Neny a! Ao indray angaha ireny mpampianatra Baiboly ireny?” Hozy i Neny hoe: “Ie, ao amin’ny efitra fisakafoana miaraka amin’i Dada ry zareo.” Tonga dia nihazakazaka nankany amin’ny arabe indray aho!
Nampiaiky an’ahy i Dada fa tsy mba nataony nahakivy azy ilay izaho tsy tia Baiboly. Tena tiany be aza ny fahamarinana nianarany, dia natao batisa izy ka lasa Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1953. Nanitikitika ny saiko ilay izy hoe natao batisa, dia nanomboka nanontanintany azy aho. Nangataka mihitsy aza aho mba hahazo Baiboly anankiray. Nasainy hampianatra Baiboly an’ahy i Máximo Murcia, Vavolombelona tanora iray izay. Natao batisa aho roa taona taorian’izay, tamin’izaho 19 taona, dia lasa Vavolombelon’i Jehovah. Teo amin’ilay renirano hoe Jarama, eo atsinanan’i Madrid, no nanaovana ny batisako.
Fitoriana nandritra ny fitondrana jadon’i Franco
Sarotra be ny nitory sy nivory nandritra an’ireo taona maromaro taorian’ny 1950. I Francisco Franco no nitondra an’i Espaina tamin’izany. Mpanao didy jadona izy ary tsy tiany hanaraka fivavahana hafa ankoatra ny Katolika ny olona manerana an’ilay firenena. Nataon’ny polisy haza lambo matetika ny Vavolombelon’i Jehovah vokatr’izany. Nivory tany an-tranon’olona àry izahay dia nitandrina be mba tsy hiahiahy anay ny mpiara-monina, sao ry zareo hanao tatitra any amin’ny polisy. Niezaka tsy nisehoseho be koa izahay rehefa nitory isan-trano. Nitory tamin’ny trano roa na telo tao amin’ny toerana iray izahay, dia avy eo nifindra haingana tany amin’ny toeran-kafa. Be dia be ny olona nihaino anay nefa tsy izy rehetra no tia an’ilay hafatra nentinay.
Rahalahy Franz, nanao lahateny tany amin’ny fivoriambe iray natao tany amin’ny toerana miafina
Nihaona tamin’ny pretra katolika izahay, indray mandeha, rehefa nitory tao amin’ny trano anankiray. Nohazavaiko taminy ny anton-dianay, dia hozy izy avy eo: “Fa iza no nanome alalana anareo hanao an’izao? Tsy fantatrao angaha fa azoko iantsoana polisy ianareo?” Nohazavaiko taminy fa efa nampoizinay izany. Hozy aho: “Ny fahavalon’i Jesosy Kristy aza nitady hisambotra azy, dia tsy tokony hanam-po an’izany koa ve izahay mpanara-dia azy?” Tsy faly tamin’ny valin-teniko mihitsy ilay pretra, ka niditra tao an-trano dia niantso polisy. Mazava ho azy fa niala haingana hoatran’ny tsy teo aho.
Marina hoe nisy hoatr’izany indraindray rehefa nitory izahay, fa mbola betsaka anefa ny olona liana tamin’ny hafatra nentinay. An-jatony ny mpitory teto Espaina tamin’izany. Voatendry ho mpisava lalana manokanaa aho, tamin’ny Febroary 1956, tamin’izaho vao 19 taona. Mbola tanora kely sy tsy dia za-draharaha ny ankamaroan’ny mpisava lalana tamin’izay, dia nila nampiofanina sy nampaherezina. Soa ihany anefa fa nisy misionera vitsivitsy nanampy anay. Voatendry hanompo tao Alicante izaho sy ny mpisava lalana tanora anankiray. Mbola tsy nisy nitory mihitsy io tanàna io. Tao anatin’ny volana vitsivitsy fotsiny, dia afaka nanomboka fampianarana Baiboly be dia be sy nizara boky sy gazety an-jatony izahay.
Mazava ho azy fa tsikaritry ny olona ny zavatra nataonay. Nosamborin’ny polisy àry izahay rehefa afaka volana vitsivitsy, dia nalain-dry zareo ny Baibolinay. Nogadrain-dry zareo nandritra ny 33 andro izahay, dia avy eo nalefany tany Madrid. Tany izahay vao navotsotra. Tsisy dikany iny fotoana fohy nanagadrana anay iny, raha oharina tamin’izay mbola niandry anay.
Ilay fotoana nanjombona indrindra teo amin’ny fiainako
Voantso hanao miaramila aho tamin’izaho 21 taona, dia tsy maintsy nankany amin’ny toby miaramila tany Nador. Tanàna any avaratr’i Maroc izy io ary mbola teo ambany fahefan’i Espaina tamin’izany. Nohazavaiko tamim-panajana tamin’ny manam-pahefana tao hoe tsy hanao miaramila mihitsy aho ary tsy hanao akanjona miaramila. Nentina tany amin’ny fonjan’i Rostrogordo any Melilla aho avy eo, dia tany no niandry hotsaraina tany amin’ny fitsarana ho an’ny miaramila.
Fonjan’i Rostrogordo, any Melilla
Talohan’ny nitsarana ahy, dia nanapa-kevitra ny lehiben’ny tafika espaniola tao Maroc hoe hataon-dry zareo izay hampiova hevitra ahy. Nompana sy nokaravasina nandritra ny 20 minitra àry aho. Nodakadakana aho avy eo, ary tsy namelan-dry zareo raha tsy efa zara raha nahatsiaro tena. Mbola tsy nahafa-po an-dry zareo anefa izany, dia nohitsakitsahin’ilay kapiteny tamin’ny baotiny ny lohako ary tsy navelany raha tsy nandeha ra. Nentina tany amin’ny biraony aho avy eo ary novazavazainy hoe: “Aza mieritreritra mihitsy hoe ampy izay nataoko an’ialahy izay. Mbola aiza ny hanjo an’ialahy isan’andro!” Nasainy nohidian’ny mpiambina tany ambany lakaly aho avy eo. Mandomando sy maizimaizina tao, dia hoatran’ny hoe vao mainka aho very fanantenana.
Mbola tadidiko foana hatramin’izao ilay izaho nitsirara tamin’ny tany tao amin’io efitra figadrana io, sady mbola nihosin-dra ny lohako. Tsy nanana afa-tsy bodofotsy manify kely izay aho mba hirakofako, ary voalavo no mba namako indraindray. Tsy nisy azoko natao afa-tsy ny nivavaka tamin’i Jehovah mba hahazoako hery sy hahavitako miaritra. Tsy nitsahatra nivavaka taminy aho tao anatin’io efitra maizina sy mangatsiaka io.b
Novonovonoina indray aho ny ampitson’iny. Kaporaly iray izay indray no namono ahy. Nanatri-maso teo ilay kapiteny satria tiany ho azo antoka hoe nahafa-po azy ny natao tamiko. Tsoriko aloha fa nanomboka nanontany tena aho tamin’izay hoe mbola hahavita hiaritra an’izao ve aho. Rehefa tao amin’ny efitra figadrako aho ny alin’io, dia nitalaho tamin’i Jehovah mba hanampy ahy.
Voantso tany amin’ny biraon’ilay kapiteny indray aho ny afakampitson’iny. Natahotra be aho hoe mbola ho mafy noho ny hatramin’izay izao no hanjo an’ahy. Nivavaka tamin’i Jehovah aho rehefa niditra tao amin’ilay birao. Efa niandry ahy tao ilay sekreteran’ny fitsarana ho an’ny miaramila. Don Estebanc no anarany. Hanomboka an’ilay fitsarana no nahatongavany.
Nofonosina lamba ilay lohako naratra. Rehefa nahita an’izany i Don Esteban, dia nanontany ahy izy hoe fa nisy inona. Nisalasala hilaza ny marina aho, satria natahotra sao hifototra atỳ amiko eo indray izany. Notsoriko taminy ihany anefa ny marina. Rehefa henony hoe inona avy no nitranga, dia hozy izy: “Tsy afaka ny hanakana ny fitsarana anao aho. Matokia anefa fa tsisy hikasi-tanana anao intsony manomboka izao.”
Tsy nisy nikasi-tanana ahy tokoa taorian’izay, araka ny nampanantenainy. Tsy mbola azoko hatramin’izao hoe fa maninona no tamin’io andro io mihitsy ilay mpitsara no niresaka tamiko. Ny fantatro dia hoe novalian’i Jehovah tamin’ny fomba miavaka ny vavaka nataoko. Hitako hoe namonjy ahy i Jehovah tamin’ny fotoana nanjombona indrindra teo amin’ny fiainako. Tsy navelany hiharan’ny fanenjehana mihoatra noho izay zakako aho. (1 Korintianina 10:13) Lasa natoky tanteraka an’i Jehovah aho rehefa niatrika an’ilay fitsarana ahy.
Tao amin’ny fonjan’i Ocaña
Voaheloka higadra 19 taona aho. Niampy telo taona izany tatỳ aoriana satria, hono, aho tsy nankatò. Rehefa avy nigadra herintaona sy telo volana tany Maroc aho, dia nafindra tany amin’ny fonjan’i Ocaña, tsy lavitra an’i Madrid. Tany aho no namita ny saziko. Tena fitahiana avy amin’i Jehovah ny namindrana ahy tany, satria hoatran’ny paradisa kely tao raha oharina amin’ny tany Rostrogordo. Nisy fandriana sy kidoro ary lamba maromaro mantsy tao amin’ilay efitra figadrako. Notendrena hiandraikitra kaonty tao amin’ny fonja aho tatỳ aoriana. Nahatsiaro ho nanirery be anefa aho rehefa nandeha teny ny fotoana. Anisan’ny mafy indrindra tamiko ilay izaho tsy afaka nifanerasera tamin’ny mpiara-manompo.
Tsapako hoe nila fampaherezana bebe kokoa aho, na dia nitsidika ahy tsindraindray aza ny ray aman-dreniko. Nilaza tamiko ry zareo hoe nisy rahalahy hafa koa tsy nanaiky hanao miaramila. Nivavaka tamin’i Jehovah àry aho, dia nangataka taminy mba hisy rahalahy iray, fara fahakeliny, higadra ao amin’ny fonja misy ahy. Namaly ny vavaka mafy nataoko indray i Jehovah! Nihoatra noho ny nangatahiko mihitsy aza no nataony. Fotoana fohy taorian’izay mantsy, dia rahalahy telo no nalefa higadra tao amin’ilay fonja nisy ahy. Alberto Contijoch sy Francisco Díaz ary Antonio Sánchez no anaran-dry zareo. Ela ny ela ka tafaraka tamin’ny mpiara-manompo ihany aho, rehefa avy nigadra irery nandritra ny efa-taona. Afaka niara-nianatra Baiboly izahay efatra ary afaka nitory tamin’ny gadra hafa.
Nafahana ary nanohy an’ilay asa indray
Navoaka ny fonja ihany aho tamin’ny 1964, nefa mbola narahi-maso ka mety hogadraina indray raha sanatria tsy nanara-dalàna. Enin-taona sy tapany fotsiny aho izany no nigadra, nefa tokony ho 22 taona! Tonga dia nieritreritra ny hivory tany Madrid indray aho tamin’ilay andro nanafahana ahy mihitsy. Tsy maintsy nandeha taxi anefa aho mba hahatongavana tany. Ilay mba tahiry kely tatỳ amiko izany no tsy maintsy nandoavako ny saran-dalako. Faly anefa aho fa tonga ara-potoana tany am-pivoriana, ary tafaraka tamin’ny mpiara-manompo indray! Tsy izay ihany no nahafaly ahy, fa tsy andriko koa ilay hoe hiverina hanao mpisava lalana. Na dia nanao ny ataony foana aza ny polisy, dia betsaka ny olona liana tamin’ny vaovao tsara. Mbola betsaka koa ny asa niandry.
Tamin’izay aho no nahafantatra an’i Mercedes, anabavy tanora anankiray izay. Mpisava lalana manokana mazoto be izy sady manetry tena, ary te hitory amin’ny olona betsaka araka izay tratrany. Tsara fanahy sy malala-tanana koa izy. Ireo toetrany ireo no tena nahababo ahy taminy. Lasa nifankatia izahay, dia nivady herintaona tatỳ aoriana. Tena fitahiana ho ahy i Mercedes.
Izaho sy Mercedes, taoriana kelin’ny mariazinay
Voasa hanao ny asan’ny faritra izahay, volana vitsivitsy taorian’ny mariazinay. Niara-nanompo sy niara-nivory tamin’ireo rahalahy sy anabavy izahay, isaky ny nitsidika fiangonana mandritra ny herinandro. Lasa nisy fiangonana vaovao niforona nanerana an’i Espaina. Nila fanampiana sy fampaherezana àry ireo mpiara-manompo. Nanana tombontsoa nanampy tao amin’ilay biraon’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Barcelone koa aho, nandritra ny fotoana kelikely. Niasa andro vitsivitsy tany aho, saingy mbola niafina izahay tamin’izany.
Lasa afaka nanompo an’i Jehovah tamin-kalalahana izahay tamin’ny 1967. Namoaka lalàna mantsy ny fitondram-panjakana espaniola hoe mahazo manaraka an’izay fivavahana tiany ny olom-pirenena rehetra. Nekena ho ara-dalàna ihany ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1970. Ela ny ela ka tsy niafinafina intsony izahay rehefa nivory! Afaka nanana ny Efitrano Fanjakana ivorianay koa izahay sady afaka nanokatra biraon’ny sampana mihitsy aza.
Nahazo fanendrena samihafa izahay
Tao Barcelone no nisy an’ilay biraon’ny sampana vaovao, dia voantso hiasa tao izahay mivady tamin’ny 1971. Bevohoka anefa i Mercedes, herintaona tatỳ aoriana, dia niteraka vavikely mahafatifaty. Abigail no anarany. Tsy maintsy niala ny Betela izany izahay satria nahazo fanendrena vaovao. Hitaiza an’i Abigail indray mantsy izahay.
Rehefa lehibebe kely i Abigail, dia nanontany anay ny biraon’ny sampana raha afaka niverina nanao ny asan’ny faritra izahay. Mazava ho azy hoe nivavaka momba an’ilay izy izahay, sady nangataka torohevitra tamin’ny rahalahy matotra. Nisy anti-panahy iray izay niteny hoe: “Jesús a! Raha eny amin’ny saha indray no ilana anareo, dia ekeo ilay izy e!” Nankafy fiainana hafa indray àry izahay nanomboka teo. Fiangonana teny akaikinay aloha no notsidihinay, amin’izay izahay mba afaka nikarakara an’i Abigail foana. Mazava ho azy fa nahaleo tena amin’izay izy rehefa lehibe, dia lasa afaka nanompo manontolo andro bebe kokoa izahay.
Nandritra ny 23 taona izaho sy Mercedes no nanao ny asan’ny faritra. Tiako be ny nanao an’izany, satria afaka nizara ny traikefa nananako aho mba hampaherezana ny tanora. Nisy fotoana aho nampianatra tamin’ny sekoly ho an’ny anti-panahy sy mpanompo manontolo andro, dia tao amin’ny Betelan’i Madrid izahay no nipetraka. Telo kilaometatra eo ho eo miala an’io Betela io fotsiny anefa ilay reniranon’i Jarama, ilay nanaovana batisa an’ahy tamin’ny 1955! Iza moa no nanam-po hoe ho tafaverina tany aho am-polony taona tatỳ aoriana! Izaho indray no nanampy rahalahy sy anabavy tanora hiantsoroka andraikitra bebe kokoa eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah.
Tamin’izaho nampianatra tamin’ny sekoly ara-baiboly iray
Lasa mpisava lalana manokana indray izahay nanomboka tamin’ny 2013. Tsoriko aloha fa sarotra taminay ilay hoe nanao ny asan’ny faritra, dia avy eo niverina nanao mpisava lalana. Soa ihany anefa izahay fa nanaiky hanao an’izany, satria narary be aho tatỳ aoriana. Nisy fotoana aza nila nodidiana ny foko. Tsy maintsy niantehitra tamin’i Jehovah aho tamin’ireny fotoana ireny ary tsy namela ahy ho irery mihitsy izy, hoatran’ny hatramin’izay ihany. Nanohana ahy foana koa i Mercedes tao anatin’izay 56 taona izay, n’inona n’inona fanendrena azoko.
Matetika aho no mahatsiaro an’ireo fotoana mamy tamin’izaho mpampianatra. Mbola tadidiko ny endrik’ireo rahalahy sy anabavy tanora nampianariko. Hita hoe mazoto erỳ ry zareo. Mampahatsiaro ahy ny fahatanorako sy ny zotom-poko izany, tamin’izaho vao nanomboka nanompo an’i Jehovah. Marina aloha hoe niatrika zava-tsarotra aho indraindray, nefa be dia be koa ny zavatra nahafinaritra teo amin’ny fiainako. Na ireny fitsapana mafy ireny aza nianarako zavatra sarobidy. Anisan’izany ny hoe tsy tokony hiantehitra amin’ny heriko manokana mihitsy aho. Izay no lesona lehibe indrindra nianarako. Noho ireny fitsapana nahazo ahy ireny, dia lasa hitako hoe nanohana ahy foana ny tanan’i Jehovah, na tamin’ny fotoana nanjombona indrindra teo amin’ny fiainako aza.—Filipianina 4:13.
Mbola manompo manontolo andro izaho sy Mercedes
a Mpitory manontolo andro no atao hoe mpisava lalana manokana. Manaiky an-tsitrapo ho any amin’izay toerana hitan’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah hoe mila mpampianatra Baiboly izy ireo.
b Nirefy efatra metatra toradroa fotsiny io efitra io, ary tsy nisy n’inon n’inona tao na dia toeram-pivoahana aza. Fito volana aho no nigadra tao. Natory tamin’ny tany aho ary tsy nanana afa-tsy bodofotsy iray.
c Teny fanajana fampiasan’ny olona any amin’ny firenena miteny espaniola ilay hoe “Don.” Atao eo alohan’ny anarana izy io.