Folo taona tany amin’ireo tranomaizin’ny tafika tany Espaina
Nataon’i Fernando Marín
FOLO taona an-tranomaizina tany Espaina frankista, folo taona nanatsara ny fiainako. Mety ho toa misy hevitra mifanipaka amin’izany, kanefa dia marina. Tsy hoe mora sy nahafinaritra akory ireo taona ireo; izany kosa dia nahatonga ahy hahatsapa ny zavatra tena misy feno fahasiahana tsy maintsy setrain’ny mpigadra iray isan’andro ao amin’ny tranomaizin’ny tafika iray. Izany koa anefa dia nahatonga ahy ho afaka hahatsapa tamin’ny fomba mazava ny fiarovan’Andriamanitra izay niseho tamin’ny fomba mahagaga indraindray. Tsaroako toy ny vao omaly izany rehetra izany.
Avy amin’ny fianakaviana katolika iray aho, ary nanao ny fianarako tany amin’ireo sekoly ara-pivavahana tany Barcelone. Nitombo tao anatin’ny tahotra nankarary ny afobe mirehitra sy ny afo fandiovana àry aho. Tsy nanelingelina ny saiko intsony anefa izany fampianarana maharaiki-tahotra izany rehefa nanomboka niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho, teo amin’ny faha-16 taonako. Takatro mazava tamin’izay fa, araka ny Baiboly, dia tsy manana fanahy tsy mety maty akory isika. Amin’izany, ahoana no mety hisian’ny toerana hampijaliana na hanadiovana azy. — Ezekiela 18:4, 20; Mpitoriteny 9:5, 6, 10.
Tamin’ny 1961, teo amin’ny faha-18 taonako, dia nanamarika ny fanolorana ny tenako ho an’Andriamanitra aho tamin’ny fanekena hatao batisa. Tany Paris, any Frantsa, no nanaovana izany, tamin’ny fivoriambe lehibe natrehiko voalohany. Izaho no anankiray tamin’ireo Vavolombelon’i Jehovah espaniola vitsivitsy afaka nankany Frantsa na dia tao aza ny tarehin-javatra ara-toe-karena tsy azo antoka sy ny fandrarana ny asan’izy ireo tamin’izany fotoana izany. Natao tamim-piafenana tokoa ny asa fitorianay saika nandritra ny vanim-potoana frankista rehetra (1939-1975).
Sambatra aoka izany aho nahalala an’i Jehovah sy ny fahamarinana aharihariny amintsika amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, hany ka nanolo-tena ho azy tsy misy fepetra aho. Raha ny marina, dia naniry ny ho tonga mpitory maharitra (minisitra manontolo andro) aho. Tanteraka io faniriana io tamin’ny febroary 1962, ary nijanona ao amin’io asa io aho mandraka ankehitriny ... anisan’izany ireo andro nigadrako. Tsy isalasalana anefa fa manontany tena ianao hoe nahoana no nampidirana an-tranomaizina aho.
Ny fitsapana lehibe voalohany nihatra tamiko
Tamin’ny febroary 1964, teo amin’ny faha-21 taona, dia voantso hanao raharaha miaramila aho. Niomana ho amin’izay niandry ahy aho. Raha ny marina, hatramin’ny taona maro, sahala amin’ny tanora hafa tao amin’ny kongregasiona nisy ahy, dia nanan-java-kendrena roa aho: ho mpitory maharitra sy hitana ny tsy fivadihako tamin’ny raharaha momba ny fialanalanana kristiana. — Jaona 17:16; 18:36.
Rehefa niainga avy tao an-tranoko ho any amin’ny tranon’ny miaramila aho, dia tsy fantatro loatra izay hitranga amiko. Voatery miaiky aho fa somary nahatsiaro fanahiana. Nazava dia nazava tao an-tsaiko anefa ny zavatra ninoako mafy. Rehefa tonga tao amin’ny faritra niasan’ny tafika tao amin’ilay tanàna nonenako aho, dia nanazava fa tsy afaka hanao raharaha miaramila noho ny feon’ny fieritreretana, toerana tsy fantatra tsara ary mbola tsy noleferina loatra tany Espaina tamin’izany fotoana izany. Nomena taratasy aho ary nasaina niseho tany amin’ny tranon’ny miaramila any Tenerife (fitambara-nosy any Canaries), tany amin’ny 1 600 kilaometatra mahery avy ao Catalogne nahaterahako.
Nihevitra aho ho adala ireo manam-pahefana ara-tafika tany Tenerife. Tsy isalasalana fa nihevitra izy ireo hoe ny olona nanan-tsaina dia tsy afaka nanda tsy hanao ny raharaha miaramila teo ambany fitondrana jadona fasista. Nalefa foana tany amin’ny hopitalin’ny marary saina aho. Soa ihany fa nahalala ny Vavolombelona ilay mpitsabo nizaha ahy. Tsy nanome ahy fitsaboana azo antoka fa ho nanakorontana ny fiainako rehetra àry izy, ka tonga tao amin’ny tranomaizin’ny tafika iray aho. Haharitra toy inona no hijanonako ao? Tsy fantatro mihitsy, satria tamin’izany fotoana izany dia tsy nisy sazy voafetra nanamelohana ny tsy mety manao raharaha miaramila noho ny feon’ny fieritreretana.
Tao anatin’ireo taona nanaraka, dia nahatsapa ny fahabangana anaty ateraky ny fitoerana irery aho ary tsapako ny fietrena nahalavoan’ny mpigadra sasany. Notandindomin-doza ny fiainako indraindray ary nanipazana hevitra nanintona aho mba hialako tamin’ny tsy fivadihako sy ny fialanalanako. Takatro tsikelikely, fa ny fonja mahitsizoro bitika iray dia nety ho tonga toerana midadasika aoka izany ho an’izay mitana fifandraisana akaiky amin’Andriamanitra. Nampitombo fitokisana tsy azo hozongozonina an’i Jehovah Andriamanitro aho. — Salamo 23.
Natokan-toerana
Avy ao Tenerife aho, dia nalefa ho any amin’ny manda fiarovana ara-tafika any San Francisco del Risco, tao amin’ny nosy Canarie Lehibe (provans’i Las Palmas). Natahorana io tranomaizina io noho ny lazan’ny mpitari-tafika tao, dia lehilahy iray botrefona sy mpampijaly izay nahita fahafinaretana tamin’ny fikapohan’ny tenany mihitsy ireo mpigadra. Nomena anaram-bositra hoe Pisamondongo (ilay mpanapotsitra tsinainkena) rahateo izy io.
Natokan-toerana aho ary nalaina ny entako rehetra, anisan’izany ny Baiboliko. Tao anatin’ny alina ihany aho no navela hivoaka vetivety avy tao amin’ny fonja nisy ahy — mba hanary ny tao amin’ny ‘pot’ sy hisotro lasopy iray baolina. Nandritra ireo volana nitokanana ireo anefa, dia tsy tena irery mihitsy aho (Salamo 145:18). Sahala amin’ilay misionera atao hoe Harold King izay nitovy tamin’ny nanjo ahy ny nahazo azy tany Shina, nandritra izany vanim-potoana rehetra izany dia nanamafy ny fifandraisako tamin’i Jehovah aho (jereo La Tour de Garde tamin’ny 1963, pejy faha-661 ka hatramin’ny faha-666).
Indray alahady, rehefa nanapotsitra voasarimakirana teo amin’ny variko aho, dia nisy nifantsitsitra teo amin’ny ‘dallage’ mena tamin’ny fonja nisy ahy izany ka namela pentina kely teo. Izany dia nanome hevitra ahy hampiasa ranomboasarimakirana mba hanoratana fehezanteny iray teo amin’ny tany. Koa satria nahazo voasarimakirana indray mandeha isan-kerinandro izahay tamin’ny sakafo, dia azoko natao ny nanoratra tsikelikely nanapaka ny fonja hoe “El nombre de mi Dios es Jehová” (“Jehovah no anaran’Andriamanitra”). Ireo teny ireo dia nanampy ahy hahatsiaro foana fa tsy irery tanteraka akory aho. Io fahamarinana tsotra dia tsotra voasoratra teo an-tongotro io dia nampahatsiahy ahy fahamarinana lalina kokoa momba ny fifandraisana azon’ny olombelona tanana amin’Andriamanitra. Taty aoriana, dia nokosehiko tamin’ny labozia ny gorodon’ny fonjako mandra-pahatongany halama sy hamirapiratra tahaka ny fitaratra.
Fisetrana loza tamin’ny famakian-teny
Indray andro, dia nisy rahalahy nigadra tany El Aaiún, any Sahara, nandre fa natokan-toerana tsy nanana Baiboly na boky aho. Koa nanao fandaharana izy ireo mba handefa ho ahy, pejy vitsivitsy tamin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana iray sy kopian’ny Filazantsara iray tamin’ny alalan’ny mpigadra iray hafindra toerana. Nisy zava-nanahirana nipetraka anefa: ahoana no hahafahan’io lehilahy io manome ahy ireo zavatra voasoratra ireo raha mbola ho ao am-ponja aho?
Indray alina, raha nandeha hanary ny tao anaty ‘pot’ aho, dia nisy fonosana kely natsipy ho ahy avy teo amin’ny ambonin’ny rindrina amin’ny trano fivoahana. Tonga dia nandrombaka ilay izy aho, toy ny olona maty noana nandrombaka mofo, ary, rehefa tafaverina tao amin’ny fonja nisy ahy aho, dia nandany ny alina manontolo namakiana sy namerenana namaky ireo pejy ireo. Vao voalohany hatramin’ny herintaona izay no nahitako zavatra voasoratra niresaka ny amin’i Jehovah! Rehefa maraina ny andro, dia nodinihiko fatratra ireo lahatsoratra ireo sy ireo teny mampahery nataon’i Jesosy voatantara tao amin’ilay Filazantsara.
Ny alina nanaraka, rehefa niverina tao amin’ny fonjako nitondra ny lasopiko iray baolina aho, dia hitako fa niandry ahy ny mpitari-tafika tao amin’ny tranomaizina, Don Gregorio. Nijery ahy tamim-pandrahonana izy ary nibontsin’ny fahatezerana ny tendany toy ny an’ny vantotrombilahy. Teny an-tanany ireo pejy tamin’ilay gazetiko. Hita ny toerana nanafenana ireo bokiko sarobidy! Sady niteny ratsy ny anaran’i Jehovah izy ary nandrahona ny hampamono ahy ho faty, no nandidy ahy hanatona. Avy hatrany, dia nivavaka mafy tamin’i Jehovah tao am-poko aho mba hangataka fanampiana taminy hahazakako izay hitranga amiko sady hitana fihetsika mendrika ny kristiana marina iray.
Raha vantany vao namoha ny varavaran’ny fonjako ilay mpitari-tafika, dia nankeo amin’ny zoron-trano iray haingana aho ka, noho ny fieritreretana fa hahazo famelezana aho, dia nandramako narovana ireo faritra mora voa indrindra amin’ny tenako. Tamin’izay dia nimaona nanatona ahy izy sady nikiakiaka toy ny olona simba saina, ny maso menan’ny ra. Nalama loatra anefa ilay gorodona ka nianjera izy, ny lohany no lasa voalohany. Romotra izy ka nanandrana nitsangana raha nahatsikaritra ny teny hoe “El nombre de mi Dios es Jehová” voasoratra teo amin’ny tany. Ninonino foana tokoa anefa izy io. Rehefa nahita ny anaran’Andriamanitra izy dia nimonomonona tamin’ny feo mampiseho tsy finoana hoe: “Jehovah!” Avy eo dia niantsoantso tsy ankijanona izy hoe: “Jehovah! Jehovah!...” sady nandositra avy ao amin’ny fonjako nila handady! Afaka nisoroka fikapohana mafy aho, ary tsy niverina intsony mihitsy mba hiteraka fanahiana ho ahy izy io.
Nanatanjaka ny finoako ny tanan’i Jehovah mpiaro izay nitranga tamin’io takariva io. Na dia natokan-toerana tanteraka aza aho, dia tsy nafoy. Nenjehina aho nefa tsy ringana. — II Korintiana 4:7-10.
Kongregasiona iray na dia tany an-tranomaizina aza
Tamin’ny farany aho dia nafindra ho any amin’ny tranomaizin’i Santa Catalina, any Cadix, ka tsy ela dia teo amin’ny zato izahay no rahalahy tao. Nifandamina ho kongregasiona iray izahay. Raha ny marina, dia io no anankiray tamin’ireo kongregasiona lehibe indrindra tany Espaina tamin’izany fotoana izany! Nataonay ny fivoriana rehetra ary nanaraka fandaharam-pianarana manokana izahay. Nanana ireo fivoriamben’ny fizaran-tany sy distrika aza izahay tao amin’io tranomaizina io.
Nety ho nihevitra mora foana ny toeranay ho nampangitakitaka izahay. Fantatray anefa fa nosedraina isan’andro koa ny fahatokiana sy ny tsy fivadihan’ireo rahalahy sy anabavinay, ka indraindray aza izy ireo dia nisetra fahasahiranana tsy hitanay tany an-tranomaizina. Fara faharatsiny, dia tsy nahatsiaro ho tafasaraka tamin’i Jehovah sy ny fandaminany izahay. Tena nilainay ny fotopoto-pitsipiny, indrindra fa rehefa nahazo anay ny fahaketrahana. Ireo andro, izay toa tsy nety tapitra, dia nisesy toy ny vely tantanana teo amin’ny fivelaran’ny fahatanoranay. Tsy nanaiky ho resin’ny famoizampo mihitsy anefa izahay. — Salamo 71.
Na dia tao aza ny fifangaroharoana tsy nilamina, dia tsy maintsy nitana toe-tsaina tsara teo aminay izahay, ary tsy mora foana akory izany. Marina fa tafasaraka tamin’ny mpigadra hafa izahay, kanefa nila tsy hisy fifankazarana tao amin’ireo fonja niombonanay. Afa-tsy izany koa, dia toy inona moa ny alahelonay fa nanao fahotana lehibe ny anankiray taminay, ka voatery nandroaka azy izahay mba hiarovana ny fahadiovan’ny kongregasionanay. Tsy maintsy mbola niara-niaina taminay ihany anefa izy; tsy afaka namoaka azy avy tao an-tranomaizina izahay, ary tsy tianay ny hangataka mba hametrahana azy miaraka amin’ny mpigadra hafa noho ny ho fanalam-baraka an’i Jehovah sy ny antokonay raha izany. Tsy fantatray izay tokony hatao tao anatin’izany tarehin-javatra nahasakodiavatra izany. Homena anay amin’ny fomba tsy nampoizina ny valiny.
Tamin’ny alalan’ny varavaran’ny talantalana anaty rindrina iray
Tsy ela taorian’izay, dia nahazo fitsidihana faran’izay nilaina izahay: ny an’ny rahalahy Grant Suiter, anisan’ny Kolejy foibe. Tsy navela hiteny afa-tsy tamin’ny mpigadra iray monja izy tao amin’ny toerana firesahana. Nirinay rehetra anefa ny hahita sy handre azy. Ahoana no hatao? Tao amin’ny toerana fiasanay, dia nahita varavarana tsy novohana iray nifandray tamin’ny trano fandrianay izahay. Voafina tao ambadiky ny taratasy niloko fotsiny izy io. Tapa-kevitra izahay ny hanafina azy tao ambadiky ny talantalana iray tsy nisy lamosiny. Araka izany, rehefa avy niditra tao amin’ilay talantalana anaty rindrina, dia azo natao ny namoha an’io varavarana io ka tonga teo anoloan’ny farafara nifanaingina nanaraka lalana niolikolika.
Rehefa irery niaraka tamiko tao amin’ny toerana firesahana ny rahalahy Suiter, dia nasaiko izy hanaraka ahy ho ao amin’ny toerana fiasanay mba hoe hampiseho azy ny asa vitan’ny tananay. Alao sary an-tsaina ny fahagagany rehefa nangataka azy aho mba hiditra tao amin’ilay talantalana anaty rindrina ka tonga tao amin’ny efitrano fandriana niandrasan’ny Vavolombelona tanora maherin’ny zato azy izy! Nisy fisetrana loza tamin’izany, nefa manina aoka izany ny fiarahana tamin’ireo rahalahinay tany ivelany izahay, hany ka noheverinay fa nety tanteraka izany. Sarotra taminay ny nieritreritra hoe tena teo aminay tokoa ny mpikambana iray ao amin’ny Kolejy foibe.
Nanararaotra ny fotoana izahay mba hamelabelarana tamin’ny rahalahy Suiter ilay zava-nanahirana momba ny fandroahana nataonay. Nazava ny valinteniny: tsy azo korontanina amin’ny fitsipik’olombelona ny fandaminana sy ny fotopoto-pitsipik’i Jehovah. ‘Tsy ao an-tranomaizina akory ny fandaminana! hoy izy taminay. Nahoana raha angatahinareo amin’ny lehibe ny hamindrana toerana an’ilay nanota?’
Ilay lehibe dia lehilahy mpanesoeso izay nanao anay ho fihomehezana matetika. Nohazavaiko taminy ihany anefa ny tarehin-javatra ka hoy aho taminy: “Tsy leferinay eo amin’ny laharanay ny mpandika lalàna. Tsy maintsy miaro ny fahadiovan’ny fandaminanay izahay.” Ahoana no nandraisany izany? Toy ny hoe nahatakatra fotopoto-pitsipika mandrakizay noheveriko tsy ho azony izy, ka nanandrana nampionona ahy! Ankona aho! Nanome toky ahy izy fa hanome baiko avy hatrany mba hamindrana toerana an’ilay nandika lalàna ka tsy haverina ao amin’ny trano fandrianay izy raha tsy efa nanao fangatahana ny amin’izany ny komity mpitsaranay. Noderainy aza ny tsy fivadihanay sy ny fanajanay ireo fotopoto-pitsipika ambony.
Nahazo famotsorana sy nafahana
Tany an-tranomaizina, dia nijaly nandritra ny taona maro noho ny tsy fananana fahafahana izahay, nefa ambon’izany, dia niaina tao anatin’ny fisalasalana izahay: tsy fantatray hoe rahoviana no hafahana izahay, na mbola hafahana ihany izahay indray andro any. Nahoana? Isaky ny afaka ny sazinay, dia nantsoin’ny tafika indray izahay ary nomelohina hanala sazy mbola lava kokoa ihany. Araka izany, ny anankiray tamin’ireo rahalahinay dia nomelohina 26 taona an-tranomaizina tamin’ny fitambarany — satria tsy nety nanao raharaha miaramila 18 volana! Inona no nahatonga anay ho afaka hijoro nandritra izany fitsapana naharitra izany? Anankiray tamin’ireo foto-javatra tena lehibe mba hitanana ny tsy fivadihanay ny vavaka.
Tany amin’ny 1972, dia nisy feo nandeha hoe mety hanome famotsorana ho an’ireo tsy nety nanao raharaha miaramila noho ny feon’ny fieritreretana izay tany am-ponja nandritra ny ela be ny fitondram-panjakana espaniola. Andro vitsivitsy talohan’ny hitrangan’izany, ny 70 tamin’ireo rahalahy 100 izay ho afaka dia nameno fangatahana hiditra hanao ny asa manontolo andro! Mampiseho izany fa tsapanay aoka izany ireo andraikitray kristiana nandritra izany taona nigadrana izany. Ny fahalalahana azonay indray dia tsy noheverinay ho fahafahana hanararaotra ny fahafinaretana eo amin’ny fiainana sy hanatratra izay toa nafoinay. Nirinay kosa ny hampiseho tamin’i Jehovah fa velom-pankasitrahana azy tokoa izahay noho ny fiarovany anay nandritra izany taona rehetra izany. Ary tsy afomololo fotsiny akory izany: maro be aminay no mbola mpitory maharitra hatramin’izao andro izao. Mihoatra ny roa ambin’ny folo no manao ny asan’ny mpitety faritany na manompo ao amin’ny Betela, ary izany tokoa no ataoko miaraka amin’ny vadiko, Conchita.
Very ve ireo folo taona tamin’ny fiainako lany tany an-tranomaizina? Tsy very na oviana na oviana ny tsy fivadihana. Noho ny fahatokian’ny rahalahy an-jatony maro nampidirina am-ponja tany Espaina, dia mahafantatra ny anaran’i Jehovah ireo manam-pahefana ambony indrindra ao amin’ny fitondram-panjakana sy ny Parlemanta ary ny Eglizy katolika. Na dia ny jeneraly Franco aza dia voatery nanaiky ny fisian’io antokon’olona kristiana miavaka tsy azo nohozongozonina io. Nanaiky ho ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah tokoa ny fitondram-panjakany tamin’ny 1970.
Nozakainay tamim-pandresena ny fitsapam-paharetana sy fiaretana lava tany amin’ireo tranomaizina espaniola. Izany anefa dia nanome anay fahafahana tsy nanam-paharoa hianatra manokana tsara ny Baiboly sy hamboly fifandraisana akaiky amin’i Jehovah. Tsy verinay akory ireo taona sarobidy ireo. Noho izany antony izany, ny ankamaroanay dia nivoaka avy tany an-tranomaizina natanjaka ara-panahy lavitra noho ny fony izy vao niditra tany. Eny, nandritra izany taona rehetra izany, dia ‘nenjehina izahay, nefa tsy nafoy; potraka, nefa tsy maty’. — II Korintiana 4:9.
[Teny notsongaina, pejy 20]
Na dia rehefa natokan-toerana aza aho dia tsaroako mandrakariva fa tsy irery akory aho
[Sary, pejy 22]
Ny rahalahy Grant Suiter tafasaraka aminay (eo afovoany), anisan’ny Kolejy foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny fitsidihana tao amin’ny tranomaizin’ny tafika tany Cadix (eo ankavia, Bernard Backhouse, mpandika teny; eo ankavanana, Fernando Marín).