FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • jy toko 23 p. 60-p. 61 feh. 5
  • Nanao Fahagagana tao Kapernaomy i Jesosy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nanao Fahagagana tao Kapernaomy i Jesosy
  • I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Mitovitovy Aminy
  • Fahagagana hafa koa tany Kapernaomy
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Fahagagana hafa koa tany Kapernaomy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Tao Amin’ny Synagoga no Nitory i Jesosy sy ny Mpianany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Synagoga
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
jy toko 23 p. 60-p. 61 feh. 5
Olona marary miangona eo anoloan’ny tranon’i Petera ary sitranin’i Jesosy

TOKO 23

Nanao Fahagagana tao Kapernaomy i Jesosy

MATIO 8:14-17 MARKA 1:21-34 LIOKA 4:31-41

  • NAMOAKA DEMONIA I JESOSY

  • NOSITRANINA NY RAFOZAMBAVIN’I PETERA

Nasain’i Jesosy hanarato olona ny mpianany efatra, dia i Petera, Andrea, Jakoba, ary Jaona. Niaraka nankany amin’ny synagoga iray tany Kapernaomy izy ireo taorian’izay. Sabata ny andro ary nampianatra tao i Jesosy. Talanjona noho ny fomba fampianarany indray ny olona. Nampianatra toy izay manana fahefana mantsy izy, fa tsy toy ny mpanora-dalàna.

Nisy lehilahy nisy demonia tao amin’ny synagoga. Niantsoantso izy io hoe: “Misy zavatra iombonanay aminao angaha moa, ry Jesosy avy any Nazareta? Tonga mba handringana anay ve ianao? Fantatro tsara ange fa ianao Ilay Masin’Andriamanitra e!” Niteny mafy an’ilay demonia nifehy an’io lehilahy io i Jesosy, nanao hoe: “Mangìna, ary mivoaha aminy!”—Marka 1:24, 25.

Nanjera an’ilay lehilahy tamin’ny tany ilay fanahy ratsy sady nampifanintontsintona azy. Nikiakiaka mafy izy avy eo ary nivoaka tamin’ilay lehilahy, nefa “tsy nandratra azy.” (Lioka 4:35) Gaga ny olona nanodidina an’ilay lehilahy ka niteny hoe: “Fa ahoana izao? ... Na ny fanahy maloto aza baikoiny sady ananany fahefana, ka mankatò azy.” (Marka 1:27) Tsy mahagaga raha niely eran’i Galilia ny resaka momba an’io zava-nitranga miavaka io.

Nankany an-tranon’i Simona na Petera i Jesosy sy ny mpianany, rehefa niala tao amin’ny synagoga. Tao ny rafozambavin’i Petera ary nanavy be. Niangavy an’i Jesosy izy ireo mba hanasitrana azy. Nanatona an-dravehivavy àry i Jesosy, nandray ny tanany ary nanarina azy. Sitrana avy hatrany izy ka nikarakara an’i Jesosy sy ny mpianany. Nahandro sakafo ho azy ireo angamba izy.

Maro no nitondra marary tao an-tranon’i Petera, rehefa hilentika ny masoandro. Hoatran’ny hoe ny iray tanàna mihitsy no nitangorona teo am-baravarany. Nahoana? Nitady mpanasitrana izy ireo. “Izay rehetra nanana olona mararin’ny aretina samihafa dia nitondra ny marariny” tany amin’i Jesosy. “Nametra-tanana tamin’ny tsirairay taminy izy mba hanasitranany azy.” (Lioka 4:40) Nositraniny daholo ny aretina nentina teo aminy, araka ny efa voalazan’ny faminaniana. (Isaia 53:4) Namoaka demonia mihitsy aza izy. Rehefa nivoaka ireny demonia ireny dia niantso mafy hoe: “Ianao no Zanak’Andriamanitra.” (Lioka 4:41) Fantatr’izy ireny fa i Jesosy no Kristy. Tsy tian’i Jesosy hiseho ho manompo an’Andriamanitra anefa izy ireo, ka noteneniny mafy mba hangina.

OLONA NISY DEMONIA

Rehefa niditra tao amin’ny olona ny demonia iray na maromaro, dia nampijaly azy mafy. (Matio 17:14-18) Sitrana sy salama saina indray anefa ilay olona, rehefa niala ilay demonia. Imbetsaka i Jesosy no nampiasa ny heriny mba hamoahana demonia. Nanampy azy ny fanahy masin’Andriamanitra.—Lioka 8:39; 11:20.

  • Inona no nitranga tao amin’ny synagoga iray tany Kapernaomy, indray Sabata?

  • Nankaiza i Jesosy rehefa niala tao amin’ny synagoga, ary inona no nataony tao?

  • Inona no nataon’ny olona tao an-tanàna rehefa nahita ny nataon’i Jesosy izy ireo?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara