-
Misy Dikany Amin’Andriamanitra ve Ianao?Ny Tilikambo Fiambenana—2014 | 1 Aogositra
-
-
MATOAN-DAHATSORATRA | SAROBIDY AMIN’ANDRIAMANITRA VE IANAO?
Misy Dikany Amin’Andriamanitra ve Ianao?
“Ory sy mahantra aho. Mihevitra ahy i Jehovah.”a—DAVIDA, TANY ISRAELY FAHINY.
“Toy ny rano indray mitete avy amin’ny siny ireo firenena.” —ISAIA 40:15
Nieritreritra i Davida hoe nihevitra azy Andriamanitra. Tena tokony ho nanantena an’izany ve izy? Mihevitra anao koa ve Andriamanitra? Maro no mieritreritra hoe tsy misy dikany amin’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra izy ireo. Nahoana?
Fantatr’izy ireo fa tena faran’izay ambony Andriamanitra raha oharina amin’ny olombelona. “Toy ny rano indray mitete avy amin’ny siny” no fahitan’Andriamanitra an’ireo firenena, ary “toy ny vovoka manify eo amin’ny mizana no fiheverana azy.” (Isaia 40:15) Nilaza aza ny mpanoratra iray fa “ny olona mieboebo no mihevitra hoe liana amin’izay ataony Andriamanitra.”
Misy indray mieritreritra hoe tsy misy dikany amin’Andriamanitra izy noho ny zavatra ataony. Hoy, ohatra, i Jim, lehilahy efa zokinjokiny: “Nivavaka foana aho mba ho tony sy hahay hifehy tena, nefa mbola tsy nahafehy ny hatezerako ihany. Nieritreritra àry aho hoe ‘angamba ity izaho ity efa mpanota matevin-koditra mihitsy ka tsy azon’Andriamanitra ovana intsony.’ ”
Tena lavitra ny olombelona tokoa ve Andriamanitra ka tsy miraharaha azy ireo? Ahoana no tena fiheverany ny olona tsy lavorary? Andriamanitra ihany no mahavaly an’izany. Manome toky antsika ny Teniny, dia ny Baiboly, fa “tsy lavitra antsika tsirairay izy”, ary tena mitady izay hahasoa antsika manokana. (Asan’ny Apostoly 17:27) Ahoana no anaporofoany an’izany? Efa nanao an’izany ve izy? Ho hitantsika ao amin’ireo lahatsoratra efatra manaraka izany.
a Salamo 40:17. Jehovah no anaran’Andriamanitra, araka ny Baiboly.
-
-
Mahita ny Mahazo Anao IzyNy Tilikambo Fiambenana—2014 | 1 Aogositra
-
-
MATOAN-DAHATSORATRA | SAROBIDY AMIN’ANDRIAMANITRA VE IANAO?
Mahita ny Mahazo Anao Izy
“Mijery ny ataon’ny olona Izy, ary mahita ny diany rehetra.” —JOBA 34:21.
Amin’ilay izy mbola kely iny ny zaza no tena mila arahi-maso
NAHOANA NO MISY TSY MINO AN’IZANY? Hita tamin’ny fikarohana vao haingana, fa ny vahindanitra misy antsika fotsiny no efa misy planeta iray hetsy tapitrisa, fara fahakeliny. Tena midadasika be izao rehetra izao ka maro no mieritreritra hoe: ‘Ilay Andriamanitra Mahery Indrindra sady Mpamorona ve dia hahamarika an’izay ataon’ny olombelona tsinontsinona eto amin’ity planeta kely ity?’
INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? Tsy hoe nomen’Andriamanitra antsika fotsiny ny Baiboly dia avy eo izy tsy niraharaha antsika intsony. Hoy kosa i Jehovah: “Hanoro hevitra anao aho ary hitsinjo anao ny masoko.”—Salamo 32:8.
Eritrereto i Hagara, vehivavy ejipsianina niaina tamin’ny taona 1900 Talohan’i Kristy tany ho any. Mpanompon’i Saray izy, saingy nampietreny satria tsy nanaja azy. Lasa nitsoaka tany an-tany efitra àry i Hagara. Tsy noraharahain’Andriamanitra intsony ve izy satria nanao fahadisoana? Tsia. Hoy ny Baiboly: ‘Hitan’ny anjelin’i Jehovah izy.’ Nanome toky azy ilay anjely hoe: “Efa ren’i Jehovah ny fahorianao.” Hoy àry i Hagara tamin’i Jehovah: “Andriamanitra mahita ianao.”—Genesisy 16:4-13.
“Mahita” ny mahazo anao koa Andriamanitra. Intỳ misy ohatra: Manara-maso ny zanany kely ny reny be fitiavana mba hahitany izay mahazo azy, satria amin’ilay izy mbola kely iny ny zaza no tena mila an’izany. Mahita ny mahazo anao koa Andriamanitra sady vonona hanampy, indrindra amin’ilay ianao kivy sy malahelo be iny. “Any amin’ny avo sy any amin’ny toerana masina aho no mitoetra”, hoy i Jehovah, nefa koa “eo amin’ireo torotoro fo sy manetry tena, mba hamelombelona ny sain’ireo manetry tena sy ny fon’ireo torotoro fo.”—Isaia 57:15.
Mety hieritreritra anefa ianao hoe: ‘Ahoana no ataon’Andriamanitra rehefa mijery ahy? Mitsara ivelany fotsiny ve izy? Sa tena mahafantatra tsara ahy izy, ka tsy mifantoka amin’ny fahadisoako?’
-
-
Mahafantatra Tsara Anao IzyNy Tilikambo Fiambenana—2014 | 1 Aogositra
-
-
MATOAN-DAHATSORATRA | SAROBIDY AMIN’ANDRIAMANITRA VE IANAO?
Mahafantatra Tsara Anao Izy
“Jehovah ô, mandinika ahy amin’ny an-tsipiriany ianao, ka mahalala ahy.”—SALAMO 139:1.
“Nahita ahy ny masonao na dia mbola vao niforona aza aho.”—SALAMO 139:16
NAHOANA NO MISY TSY MINO AN’IZANY? Maro no mieritreritra hoe tsy misy zavatra hitan’Andriamanitra amin’ny olombelona afa-tsy ny hoe mpanota izy ireo, izany hoe maloto sy tsinontsinona. Nanamelo-tena be i Kendra, satria tsy nahavita nanaraka tsara ny didin’Andriamanitra mihitsy. Tena ketraka izy ka tsy nivavaka intsony.
INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? Tsy mifantoka amin’ny fahadisoantsika i Jehovah. Fantany tsara mantsy isika. Milaza ny Baiboly fa “fantany tsara ny nanaovana antsika, ary tsaroany fa vovoka ihany isika.” Tsy mamaly antsika “araka ny fahotantsika” koa izy, fa tena mamela antsika raha mibebaka isika.—Salamo 103:10, 14.
Hoy i Davida, ilay mpanjaka tany Israely noresahina tao amin’ny lahatsoratra voalohany: ‘Nahita ahy ny masonao na dia mbola vao niforona aza aho. Ary voasoratra tao amin’ny bokinao ny faritra rehetra amin’izay ho vatako. Diniho amin’ny an-tsipiriany aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko.’ (Salamo 139:16, 23) Nanao fahadisoana i Davida ary fahotana lehibe ny sasany aminy. Resy lahatra anefa izy hoe mbola nandinika ny fony ihany i Jehovah, ka fantany fa tena nibebaka izy.
Mahafantatra anao kokoa noho ny olona rehetra i Jehovah. Hoy ny Baiboly: “Ny olona mijery izay hitan’ny maso, fa i Jehovah kosa mijery ny fo.” (1 Samoela 16:7) Fantatr’Andriamanitra tsara hoe misy vokany aminao ny toetra nolovanao, ny nanabeazana anao, ny manodidina anao, ary ny maha izy anao. Na manao fahadisoana aza ianao, dia hitany hoe efa miezaka manatsara ny toetranao ianao ary tena sarobidy aminy ny ezaka ataonao.
Raha mahalala tsara anao àry Andriamanitra, ahoana no ampaherezany anao?
-
-
Afaka Mampahery Anao IzyNy Tilikambo Fiambenana—2014 | 1 Aogositra
-
-
MATOAN-DAHATSORATRA | SAROBIDY AMIN’ANDRIAMANITRA VE IANAO?
Afaka Mampahery Anao Izy
“Andriamanitra, izay mampionona an’ireo naetry, dia nampionona anay.” —2 KORINTIANINA 7:6.
‘Tia ahy ilay Zanak’Andriamanitra, ka nanolotra ny tenany ho ahy.’ —GALATIANINA 2:20
NAHOANA NO MISY TSY MINO AN’IZANY? Mihevitra ny olona sasany hoe tia tena be izy raha mangataka ny fanampian’Andriamanitra, na dia tena mila fampaherezana aza. Hoy ny vehivavy atao hoe Raquel: “Tsy sahy mangataka fanampiana amin’Andriamanitra aho rehefa manana olana. Hoatran’ny tsisy dikany mantsy ny ahy raha ampitahaina amin’ny an’ny olona tsy hita isa eran-tany.”
INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? Efa nanao zavatra niavaka Andriamanitra mba hanampiana sy hampaherezana antsika. Nandova ota ny olon-drehetra, ka tsy mahavita mankatò tanteraka ny fitsipik’Andriamanitra. ‘Tia antsika’ anefa izy ‘ka nirahiny ny Zanany [Jesosy Kristy] ho sorona fampihavanana noho ny fahotantsika.’ (1 Jaona 4:10) Lasa afaka manana feon’ny fieritreretana madio àry isika sady afaka mahazo famelan-keloka sy fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovao.a Natao ho an’ny olona amin’ny ankapobeny fotsiny ve anefa io sorona io, sa natao ho anao manokana?
Eritrereto ny apostoly Paoly. Tena nanohina ny fony ny soron’i Kristy ka hoy izy: “Efa tia ahy” ilay Zanak’Andriamanitra “ka nanolotra ny tenany ho ahy.” (Galatianina 2:20) Mbola tsy Kristianina i Paoly tamin’i Jesosy maty, nefa noheveriny hoe nataon’Andriamanitra ho azy manokana ilay sorona.
Nataon’Andriamanitra ho anao manokana koa ny soron’i Jesosy. Hita avy amin’izany fa tena sarobidy amin’Andriamanitra ianao. Hanome anao “fampiononana mandrakizay sy fanantenana tsara” io sorona io sady ‘hampahery anao amin’izay asa sy teny tsara rehetra ataonao.’—2 Tesalonianina 2:16, 17.
Marina aloha hoe efa ho 2 000 taona izay i Jesosy no namoy ny ainy. Mbola te hifandray aminao foana anefa Andriamanitra. Inona no manaporofo an’izany?
a Misy fanazavana fanampiny momba ny soron’i Jesosy ao amin’ny toko 5 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
-
-
Te Hifandray Aminao IzyNy Tilikambo Fiambenana—2014 | 1 Aogositra
-
-
MATOAN-DAHATSORATRA | SAROBIDY AMIN’ANDRIAMANITRA VE IANAO?
Te Hifandray Aminao Izy
“Tsy misy mahay manatona ahy raha tsy taomin’ny Ray izay naniraka ahy.”—JAONA 6:44.
NAHOANA NO MISY TSY MINO AN’IZANY? Maro amin’ny olona mino an’Andriamanitra no tsy mahatsapa ho akaiky azy. Nandeha niangona isan-kerinandro i Christina, any Irlandy, nefa hoy izy: “Tsisy zavatra fantatro momba an’Andriamanitra ankoatra ny hoe namorona ny zava-drehetra izy. Mbola tsy nahatsiaro ho akaiky azy mihitsy aho.”
INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? Nanao an’ity fanoharana ity i Jesosy: “Raha misy olona manana ondry zato ka nania ny iray, tsy hamela ny sivy amby sivifolo eo an-tendrombohitra ve izy ka handeha hikaroka ilay nania?” Te hilaza izy hoe ‘tsy tian’ny Rainy any an-danitra hisy ho very koa ny iray amin’ireny madinika ireny.’ (Matio 18:12-14) Raha mahatsiaro ho very àry ianao ka tsy mahita haleha intsony, dia tadidio fa tsy hahafoy anao mihitsy i Jehovah.
Sarobidy amin’Andriamanitra daholo ny tsirairay “amin’ireny madinika ireny.” Ahoana àry no ikarohany an’izay “nania”? Taominy hanatona azy izy ireo, araka ilay andinin-teny erỳ am-piandohana.
Iza ankehitriny no manatona ny olona any an-tranony na eny amin’ny toerana be olona, mba hiresaka momba an’Andriamanitra?
Diniho izay nataon’Andriamanitra fahiny. Nasainy niresaka tamin’ny tandapa etiopianina iray i Filipo, Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, mba hanazava ny dikan’ilay faminaniana novakin’io tandapa io. (Asan’ny Apostoly 8:26-39) Nirahiny ho any amin’i Kornelio koa ny apostoly Petera. Efa nivavaka tamin’Andriamanitra io manamboninahitra romanina io sady niezaka nanompo azy. (Asan’ny Apostoly 10:1-48) Andriamanitra koa no nitarika ny apostoly Paoly sy ny namany ho any amin’ny renirano iray tany ivelan’i Filipy. Hitan’izy ireo tany i Lydia, “mpivavaka tamin’Andriamanitra”, ary “nanokatra tanteraka ny fony i Jehovah mba handraisany tsara ny teny.”—Asan’ny Apostoly 16:9-15.
Asehon’ireo tantara ireo fa raha mitady an’i Jehovah ny olona iray, dia ataony izay hahafantaran’ilay olona azy. Iza ankehitriny no manatona ny olona any an-tranony na eny amin’ny toerana be olona, mba hiresaka momba an’Andriamanitra? Maro no hamaly hoe: “Ny Vavolombelon’i Jehovah.” Mieritrereta àry hoe: ‘Sao dia ry zareo àry no ampiasain’Andriamanitra mba hitaomana ahy hanatona azy?’ Hanaiky ve ianao? Nahoana àry raha mangataka amin’Andriamanitra mba hanampiany anao?a
a Raha mila fanazavana fanampiny ianao, dia jereo ilay video hoe Nahoana Ianao no Tokony Hianatra Baiboly? ao amin’ny www.pr2711.com/mg.
-