Tsy Manan-tsiny Nefa Nisy Nametaveta
HOY i Eilene:a “Efa ho 40 taona aho izao. Mbola tsy afaka ao an-tsaiko foana ny zavatra nahazo ahy, na dia efa 30 taona mahery aza ilay izy no nitranga. Lasa mora tezitra aho, dia manamelo-tena foana koa, sady misy olana be dia be ao an-tokantranoko. Tsy ho azon’ny olona mihitsy ny zavatra mahazo ahy na dia miezaka aza ry zareo.” Fa maninona i Eilene no miteny an’izany? Nisy nametaveta izy tamin’ny mbola kely, dia mbola misy vokany aminy foana ilay izy hatramin’izao.
Tsy i Eilene irery no tratran’izany. Araka ny fanadihadiana natao, dia be dia be mihitsy ny lehilahy sy vehivavy mijaly satria nisy nametaveta tamin’ny mbola kely.b Tsy hoe mahalana àry vao misy mametaveta ankizy, fa zavatra misy maneran-tany ilay izy sady tsy mifidy saranga na fari-piainana na fivavahana na foko niaviana.
Soa ihany fa tsy mampijaly ankizy hoatr’izany ny ankamaroan’ny lehilahy sy vehivavy. Na dia ny mieritreritra an’izany fotsiny aza dia efa tsy tian-dry zareo. Fa misy vitsivitsy manana an’izany faniriana ratsy be izany ihany anefa. Mieritreritra ny olona hoe ireny mpamono olona faran’izay mahery setra be ireny ny mpametaveta ankizy, dia miafinafina sy mitilitily ankizy eny amin’ny toerana filalaovana. Tsy tena hoatr’izany anefa ny ankamaroan-dry zareo, fa olona mody miseho ho hoatran’ny rehetra ihany. Ny ankizy mora fetsifetsena sy matoky azy sady tsy misy mpiaro no anamparany ny filan-dratsiny. Ny zanany vavy ihany matetika no anaovany an’izany.c Hoatran’ny hoe tsara fanahy ry zareo rehefa eny imason’olona. Mandrahona sy mampijaly ary mametaveta an’ilay zanany anefa ry zareo rehefa tsy misy mahita.
Tsy mampino hoe be dia be ny tokantrano hoatran’ny hoe milamina be, nefa misy an’izany zavatra mahatsiravina be izany. Na tamin’ny andron’ny Baiboly aza anefa, dia efa nisy nampiasa ankizy ‘mba hahazoana fahafinaretan’ny nofo vetivety fotsiny.’ (The International Critical Commentary; ampitahao amin’ny Joela 3:3.) Efa nilaza ny Baiboly hoe: “Fantaro anefa izao: Amin’ny andro farany, dia hisy fotoan-tsarotra tsy mora atrehina. Fa ny olona ho tia tena, ... tsy ho tia ny mpianakaviny, ... tsy hahafehy tena, ho masiaka be, tsy ho tia ny tsara.” Tsy tokony hahagaga antsika àry raha be dia be ny olona mpametaveta ankizy amin’izao.—2 Timoty 3:1-3, 13.
Mety tsy ho hita eny amin’ny vatan’ny olona iray hoe nisy nametaveta izy tamin’ny mbola kely. Tsy izay rehetra tratran’izany koa no hita etỳ ivelany hoe kivy be sy mijaly. Misy ohabolana iray efa ela anefa milaza hoe: “Na mihomehy aza ny olona dia mety ho ory izy ao am-pony ao.” (Ohabolana 14:13) Marina mihitsy izany! Be dia be no lasa mijaly be noho ny ratram-po. Hoatran’ny hoe misy fery manonitra any anatiny any. Fa maninona no misy vokany be hoatr’izany amin’ny olona sasany ilay hoe nisy nametaveta izy tamin’ny mbola kely? Nahoana ny olona sasany no mbola mijaly be foana na dia efa ela be atỳ aoriana aza? Hiresaka momba an’ireo ny lahatsoratra manaraka. Tena mila resahina izany satria lasa mihabetsaka ny iharan’ilay izy. Marina hoe mety tsy te hamaky ny zavatra sasany resahina ao ianao, indrindra raha hoe ianao mihitsy no nisy nametaveta tamin’ny mbola kely. Matokia anefa fa mbola misy fanantenana hoe tsy hijaly be hoatr’izany intsony ianao.
a Novana ireo anarana.
b Tsy ho fantatra mihitsy hoe firy marina ny ankizy nisy nametaveta, satria samy hafa be ny hevitry ny olona momba ny atao hoe fametavetana sy ny fomba anaovana fanadihadiana.
c Ny dadany na ny dadakeliny ihany matetika no mametaveta ny zanany. Indraindray koa anefa ny zokiny no manao an’izany, na ny dadatoany, na ny dadabeny, na olon-dehibe fantany, na olon-kafa. Hoatran’ny hoe natao ho an’ny vehivavy ny zavatra horesahina ato, satria vehivavy ny ankamaroan’ny olona nisy nametaveta. Natao ho an’ny lehilahy koa anefa ilay izy, amin’ny ankapobeny.