Ampiasao amim-pahendrena ny fotoam-pialan-tsasatra
1 Matetika ireo ankizy mpianatra no anontaniana hoe inona no kasainy hatao mandritra ny fotoam-pialan-tsasatra, ary rehefa miverina any an-tsekoly indray izy dia mety hangatahina mba hanome filazana ny amin’ny zavatra nataony. Marina tokoa fa isika rehetra, na tanora na antitra, dia tsara raha manontany tena hoe: ‘Inona no kasaintsika hatao amin’ny fotoam-pialan-tsasatra? Rehefa lasa izany, moa ve isika ho afaka hanome filazana ny amin’ny fialan-tsasatra mendrika sy mahavokatra?’ Ho afaka hanao izany isika raha mihaino ny torohevitra mba ‘hanararaotra ny andro azo anaovan-tsoa’.—Efes. 5:15, 16.
Soa azo avy amin’ny fivoriambe
2 Ny iray amin’ireo zavatra izay tokony ho nampidirintsika rehetra ao anatin’ny zavatra nokasaintsika hatao dia ny fanatrehana ny fivoriamben’ny Distrika “Ny Fiteny madio”. Aorian’izany, dia ho tsara ny hijerentsika indray ireo hevitra noraisintsika an-tsoratra mba hahitana hoe foto-kevitra inona no nianarantsika ka ho azontsika ampiharina eo amin’ny fiainantsika amin’ny maha-mpidera an’i Jehovah antsika. Ao amin’ny Efesiana 4:25 isika dia ampirisihina mba “hilaza ny marina amin’ny namany avy”. Ny namantsika akaiky antsika indrindra dia ny fianakaviantsika. Afaka mifanakalo hevitra amin’izy ireo isika na amin’ny mpianakavintsika ara-panahy ny amin’ny sasany amin’ny sakafo ara-panahy nahatalanjona nomena nandritra ny fandaharana tamin’ny fivoriamben’ny distrika. Raha manao izany isika dia hifanampy mba “hiantsoan’izy rehetra ny anaran’i Jehovah, hanompoany Azy amin’ny firaisan-kina.”—Zef. 3:9.
Mandraisa anjara amin’ny asa fitoriana
3 Mandritra ny volana Jolay sy Aogositra ny zavatra hatolotra dia izay mety ho bokikely afa-tsy ny bokikely Ny Sekoly sy ny Vavolombelon’i Jehovah. Nikasa ny handray anjara betsaka araka izay azo atao amin’ny fanompoana ve ianao mandritra ireo roa volana ireo, ka hanararaotra ny fotoana rehetra mba hanolorana ireo bokikely? Raha miaraka amin’ny kongregasionantsika isika dia haniry ny hanohana ireo fihaonana amin’ny asa fitoriana voalamina tsy tapaka. Raha monina any amin’ny ila bolan-tany avaratra isika, dia mety ho afaka handray anjara amin’ny fitoriana ny hariva satria mihalava ny andro mandritra ireo volana amin’ny lohataona. Olona maro be no tratra ao an-trano amin’ny hariva sady mahazo aina kokoa, ka ho moramora kokoa ho antsika amin’izay ny hiresaka amin’izy ireny momba ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra izay nampianarina antsika.—Isaia 50:4.
4 Raha manana fikasana ny hanao dia isika, na mba hamonjy fivoriambe izany na mba haka fialan-tsasatra, dia afaka manao fandaharana mba hitondra bokikely sasantsasany miaraka amintsika. Rehefa misy fahafahana hanao fanambarana tampotampoka, dia afaka mampitodika ny sain’ny olona ho amin’ny anankiray amin’ireo bokikely isika. Raha mandeha any an-toeran-kafa isika dia mety ho afaka hitady ny Efitrano Fanjakana, hanatrika ireo fivoriana, ary handray anjara amin’ny asa fitoriana miaraka amin’ireo rahalahy sy rahavavy any an-toerana. Izany dia loharanom-pampaherezana tsara dia tsara ho antsika sy ireo rahalahy hiarahantsika.—Rom. 1:12.
5 Raha ho lavitra ny kongregasionantsika isika amin’ny faran’ny volana, dia tokony handefa amin’ny paositra ny filazana asantsika any amin’ny mpitantsoratra aloha tsara mba ho tafiditra miaraka amin’ny filazana asa halefany ny fahenin’ny volana manaraka izany.
Miezaha mba hitarika fampianarana Baiboly
6 Mazàna dia vitsy kokoa ny fampianarana tarihina amin’ny fotoam-pialan-tsasatra satria lasa maka rivotra ny mpianatra Baiboly sasany. Ilay mitarika ny fampianarana koa dia mety handeha fa amin’ny fotoana hafa. Tsy havelantsika ho tapaka mandritra ny herinandro maromaro ny fianarana fa mety ho afaka hifandamina amin’ny olona iray ao amin’ny kongregasiona ve isika mba hitarika ny fampianarana amin’ny fotoana tsy maha-eo antsika? Tsara raha atao tsy tapaka araka izay azo atao ny fampianarana mba handatsahan’ilay mpianatra ao an-tsainy ny ilàny sakafo ara-panahy tsy tapaka.
7 Rehefa mahita fahalianana eny amin’ny faritany isika, dia tokony hanaraka izany fahalianana izany haingana araka izay azo atao. Raha mandray ny bokikely ny tompon-trano dia afaka mampiseho aminy ny fomba hampiasana azy isika amin’ny fandinihana fehintsoratra vitsivitsy miaraka aminy. Avy eo dia tokony hiezaka isika mba hanao fotoana hiverenana hitsidika azy amin’ny fotoana voafaritra tsara mba hanohizana ny fianarana.
8 Enga anie isika rehetra ka ho afaka ny hahatsiaro ny fotoam-pialan-tsasatra 1990 ka hahatsapa, amin’ny maha-mpanompo nanolo-tena ho an’i Jehovah antsika, fa nampiasa izany fotoana izany tamim-pahendrena isika tamin’ny ‘fitanana ny mariky ny teny tsy misy kilema’ sy ny fanampiana ny hafa mba hianatra ny teny tsy misy kilema, dia ny fahamarinana avy amin’ny Tenin’i Jehovah.—2 Tim. 1:13.