Zava-dehibe ireo teny voalohany lazainao
Moa ve ianao efa nampiasa ny sasany amin’ireo fampidiran-dresaka omena ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra na ireo hita tao amin’ireo Fanompoantsika ilay Fanjakana navoaka vao haingana? Mpitory maro no milaza fa mahita fahombiazana lehibe kokoa amin’ny fanompoana isan-trano, amin’ny fampiasana ireny teny voalohany ireny, araka ny ahitana ny teny tsirairay vita pirinty. Ny hafa dia nahita fa amin’ny fakana fotoana fanampiny kely fotsiny mba hiomanana ho amin’ny asa fitoriana dia afaka milaza ireo teny voalohany amin’ny teniny manokana izy ireo, nefa miorina amin’ny fomba fitenenana ampiasaina ao amin’ireo fanoloran-kevitra vita pirinty.
2 Zavatra iray no azo antoka, dia ny hoe: raha ao an-tsainao tsara ireo teny voalohany holazainao, alohan’ny hanatonanao olona iray amin’ny fitondrana ny hafatr’ilay Fanjakana, dia hahatsapa fifaliana kokoa ianao sy hanana fatokian-tena kokoa. Ireo teny ampiasainao dia hanome taratry ny fanirianao amim-pahatsorana hizara ny vaovao tsara. Ny fiomananao tsara dia hahatonga ny fanompoana hahitana fahafaham-po satria hahazo vokatra tsara kokoa ianao. Ary ny mbola zava-dehibe kokoa, dia hahatonga ny fanati-panompoana ataontsika ho ny tsara indrindra azontsika atolotra izany. — Heb. 13:15; 1 Pet. 2:5.
3 Makà fotoana àry mba hiomanana. Hevero ny karazan’olona mety hifanena aminao ao amin’ny faritaninao. Inona no fanahiany sy mahaliana azy? Fisehoan-javatra fahita inona no mahakasika ny fiainany? Rehefa avy nieritreritra ny amin’ny valin’ireo fanontaniana ireo ianao, dia diniho ireo teny voalohany atolotra eo amin’ny pejy faha-9 ka hatramin’ny faha-15 amin’ny boky Fanjohian-kevitra. Aza misalasala manova na manitsy amin’ny fomba fitenenana marina mba ho mora aminao ilay izy. Ny dingana manaraka dia tokony ho ny famerenana miaraka amin’ny mpitory hafa ireo teny voalohany, amin’ny fanaovana fanazaran-tena. Angamba izany hampirisika ny hafa mba hanatsara koa ny teny voalohany ampiasainy. Na manao ahoana na manao ahoana, dia azo antoka fa hisy fifampaherezana ary fifampiorenana amin’ny asa tsara.
4 Hovalian-tsoa ny fotoana sy ny fiezahana laninao amin’ny fanomanana ireo fampisehoana hatolotrao eny amin’ny saha fitoriana. Mety ho voatahy ianao amin’ny fandraisana anjara mandaitra kokoa amin’ny asa fanangonana mampirisika izay eo am-panaovana azy ankehitriny.