Fanontanian’ny mpamaky
◼ Araka ny filazana vaovao momba ny olona tsy vita batisa manomboka mivoaka amin’ny fanompoana ampahibemaso, moa ve ny mpianatra ny Baiboly iray azo asaina na dia vetivety monja aza mba hahita ny fomba fanaovana ny asa?
Raha ny ara-dalàna, ireo olona tsy vita batisa miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah eny amin’ny saha fitoriana dia olona nahafeno fepetra takina amin’ny mpitory ny vaovao tsara.
Maro ny olona no manaja ny Vavolombelon’i Jehovah noho ny asany tsara sy tsy manam-paharoa amin’ny ‘fanaovana mpianatra, fampianarana azy ireny’ isan-trano sy amin’ny fampianarana Baiboly any an-tokantrano (Matio 28:19, 20). Ahoana àry no mety hiheveran’izy ireny ny olona iray miaraka amin’ny Vavolombelona iray amin’izany asa izany? Hilaza araka ny marina izy fa io olona miaraka io dia minisitra ihany koa na efa madiva ho toy izany.
Tsy azo lavina fa mety ho tonga ao an-tsaina ny tarehin-javatra maningana sasany.
Misy fotoana mahalana hamelan’ny loholona manana fahefana hanao izany, ny solontenan’ny fampahalalam-baovao, ny mpampianatra, na ny toy izany, hiaraka amin’ny Vavolombelona iray handeha amin’ny fanompoana isan-trano mba hahita ny fomba fanaovana izany. Tsy isalasalana fa ny fisehoana ivelan’ilay olona na ny fihetsiny amin’izany fotoana izany dia tsy tokony hifanipaka amin’ny fitsipika arahintsika. Ary dia mety ho tian’ilay Vavolombelona ny hanazava amin’ny tompon-trano fa ilay miaraka aminy dia solontenan’ny fampahalalam-baovao na mpampianatra liana ta-hahita izay fomba anaovantsika ny asa lehibe momba ny Baiboly tanterahintsika.
Ireo ray aman-dreny kristiana koa dia mitondra ny zanak’izy ireo miaraka aminy eny amin’ny fanompoana na dia mbola kely aza izy ireny, na, noho ny antony hafa, dia mbola tsy vonona ho tonga mpitory tsy vita batisa. Tsy hamela ny zanany ho irery ny ray aman-dreny amin’izay. Ny fiarahany amin’izy ireny eny amin’ny saha fitoriana dia manampy ireo ray aman-dreny hiresaka amin’ireo zanany momba ny Tenin’Andriamanitra sy ny lalany raha “mandeha any an-dàlana” izy ireo (Deoteronomia 6:4-7). Kanefa izany dia endriny iray amin’ny fiainam-pianakaviana kristiana, fa tsy fitondrana olon-kafa ho toy ny mpitazana fotsiny. Tsy isalasalana fa ny fampiofanana avy amin’ny ray aman-dreny toy izany dia manomana ireo zanany ho amin’ny fotoana hiderany an’i Jehovah amin’ny maha-mpitory. — Matio 21:15, 16; ampitahao amin’ny Voalamina mba hanatanteraka tsara ny fanompoantsika, pejy faha-99 sy faha-100.
Ahoana anefa ny amin’ny olona iray ampianarin’ny Vavolombelona iray Baiboly, izay eo an-dalam-pahatongavana ho mpianatra? Manana antony tsara hiresahana amin’ny havany, mpiara-miasa aminy, mpifanila trano aminy, ary ny hafa momba ny “asa lehibe ataon’Andriamanitra” izay nianarany tao amin’ny Soratra Masina izy (Asan’ny apostoly 2:11). Antenaina fa ho tonga ny fotoana hahitany ny ilàna ny handraisana anjara miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fandaharana voalamina mba “hitoriana ny Tenin’Andriamanitra”. — Asan’ny apostoly 13:5.
Vao haingana Ny Tilikambo Fiambenana no nampiseho ireo dingana tokony hatao alohan’ny hiarahan’ny mpianatra iray amin’ny Vavolombelona eo an-toerana amin’ny fanompoana ka hahatongavana ho mpitory tsy vita batisa. Ara-dalàna ny tokony hananany fahalalana fototra ao amin’ny Baiboly, ny hahazoany tsara ny hevitry ny fitsipik’Andriamanitra momba ny fitondrantena sy ny hiainany mifanaraka amin’izany ary ny haniriany mihitsy handray anjara miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fanompoana ampahibemaso. Amin’izay ny loholona roa ao amin’ny kongregasiona dia afaka hanao fifanakalozan-kevitra manampy sy mampahery momba ireo hevitra ireo, miaraka aminy sy ilay Vavolombelona miara-mianatra ny Baiboly aminya. Tokony hatao izany alohan’ny hanasana ilay mpianatra ny Baiboly hiaraka amin’ilay mpitory eny amin’ny saha fitoriana mba handray fampiofanana miandalana.
Takatra fa rehefa mahafeno ireo fepetra takina mba hivoaka eny amin’ny saha fitoriana ny mpianatra iray ary manao izany voalohany avy eo, dia misy fotoana sasany aniriany hiaraka fotsiny amin’ny mpitory mba hianarana ny tena fomba fanaovana ny asa fitoriana. Ilay minisitra miaraka aminy dia afaka manome fampiofanana miandalana azy, toy ny fanasana azy hamaky andalan-teny, ary avy eo dia izy mihitsy no asainy hitarika ny resaka amin’ny tompon-trano. Amin’izay dia afaka mamerina ny filazana asany voalohany izy rehefa tena mandray anjara tokoa amin’ny fanambarana eny am-pitoriana. Ny fandrosoany amin’ny fitomboan’ny fandraisany anjara miandalana amin’ny asa dia mifanaraka amin’izao tenin’i Jesosy izao: “Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra; fa izay rehetra tanteraka [nahazo fampianarana tanteraka, MN ] dia ho tahaka ny mpampianatra azy ihany.” — Lioka 6:40.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mba hahitana fanazavana misimisy kokoa, dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 febroary 1989, pejy faha-17.