Inona no Hotanterahintsika Mandritra Itỳ Taom-piasana Itỳ?
1 Amin’ny fiantombohan’ny taom-piasana 1994 ny 1 Septambra, dia fotoana mety ho antsika rehetra izao, amin’ny maha-vahoakan’i Jehovah antsika, mba hanorenana mazava ao an-tsaintsika izay irintsika hotanterahina isam-batan’olona sy amin’ny maha-fandaminana mandritra itỳ taom-piasana vaovao itỳ.
2 Mitomboa ara-panahy hatrany: Raha vao haingana isika no nifandray tamin’ny fahamarinana, dia tokony haniry ny ho tonga matanjaka ao amin’ny finoana. (Heb. 6:1-3). Raha efa matanjaka ara-panahy isika, dia tsy ireo vaovao sy ny hafa ihany no tokony hampiantsika, fa tsy maintsy mitandrina ny fahasalamantsika ara-panahy manokana koa isika, amin’ny tsy fiheverana mihitsy fa manana ny fahalalana rehetra ilaina momba ny Baiboly sy ny fanandraman-javatra amin’ny fiainana kristiana isika. Moa ve isika mandinika ny teny natao hovakina isan’andro, maharaka ny fandaharam-pamakiana Baiboly aseho ao amin’ny Fandaharan’ny Sekoly ho Amin’ny Fanompoana Teokratika sy manomana ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona ary ny Fianarana ny Tilikambo Fiambenana? Izany no tokony ho tanjona fara fahakeliny ho antsika rehetra. Tsy maintsy mitombo hatrany ara-panahy isika raha te ho tafita velona amin’ny fandravana an’itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ ka harovana mba hiditra ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra.— Ampitahao amin’ny Filipiana 3:12-16.
3 Mitoera ho madio ara-panahy: Mba hahatonga antsika hankasitrahana amin’ny fomba feno eo anatrehan’i Jehovah dia tsy maintsy ho voadio amin’ny “fahalotoana rehetra, na amin’ny nofo na amin’ny fanahy” isika. (2 Kor. 7:1). Koa satria isika efa madio, nahoana indray isika no haniry ‘hihosim-potaka’ ao amin’itỳ tontolo tranainy sady ratsy itỳ? (Ampitahao amin’ny 2 Petera 2:22.) Tsy maintsy tapa-kevitra ny hitoetra ho matanjaka ara-panahy sy ho madio isika. Amin’izay, dia ho fantatsika ny teti-dratsin’i Satana ary tsy ho resy isika, tsy ho latsaka ao amin’ny fahotana ary tsy hamoy ny fankasitrahan’i Jehovah. — 2 Kor. 2:11, NW.
4 Araho ny torohevitra feno fahendrena: Manao izao fanamarihana izao ny Ohabolana 15:22 (NW): “Ao amin’ny hamaroan’ny mpanolo-tsaina no misy fanatanterahana.” Tadidio anefa, fa i Solomona, ilay lehilahy nilaza ireo teny ireo, tatỳ aoriana dia namela ‘ireo vadiny hampivily ny fony hanaraka andriamani-kafa’ noho ny tsy nanarahany ny torohevitr’Andriamanitra nilaza mba tsy hanambady vehivavy hafa firenena. (1 Mpanj. 11:1-4). Noho izany, raha tsy arahintsika manokana ny torohevitra feno fahendrena, ahoana no ahafahantsika manantena ny hahita vokatra ao amin’ny fanompoana an’i Jehovah na hanome ohatra mendrika ny hotahafina? (1 Tim. 4:15). Hanampy antsika hiaro ny fontsika ny torohevitry ny Baiboly. (Ohab. 4:23). Ny fitiavana izay tian’i Jehovah, ny fankahalana izay ankahalainy sy ny fitadiavana mandrakariva ny fitarihany ary ny fanaovana izay sitrany dia fiarovana azo antoka. — Ohab. 8:13; Jaona 8:29; Heb. 1:9.
5 Tsy zavatra mandeha ho azy ny fanompoam-pivavahantsika amin’i Jehovah, tsy endri-pifikirana amin’Andriamanitra toy ny ataon’ireo milaza azy ho Kristiana eo amin’izao tontolo izao izany, fa feno hery sy marisika ary velona mifanaraka amin’ny fahamarinana hita ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. — Jaona 4:23, 24.
6 Mety hosedraina isan’andro ny fahatapahan-kevitsika hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Tokony hahazo hery isika noho ny fahalalana fa ny “fitambarana manontolon’ireo” rahalahintsika dia miatrika fisedrana mitovy amin’izany ary i Jehovah no hampahatanjaka antsika. (1 Pet. 5:9, 10, NW). Amin’izany fomba izany isika dia ho afaka hanatanteraka amin’ny fomba feno ny fanompoantsika mandritra ny taom-piasana 1994. — 2 Tim. 4:5, NW.