Mamafaza Be dia Be Nefa Amim-pahaiza-manavaka
1 Fantatry ny mpamboly rehetra fa raha mamafy voa be dia be izy, dia azo inoana fa hijinja vokatra be, nefa raha mamafy kely izy, dia azo antoka fa hijinja kely. (2 Kor. 9:6). Mitandrina ireo mpamboly mba tsy handanilany foana ny voa amin’ny famafazana eny amin’izay tsy mety hitomboan’ny voa. Ilaina ny fahaiza-manavaka mitovy amin’izany rehefa manolotra ireo zavatra vita an-tsoratra eny amin’ny fanompoana isika. Ny faniriantsika dia ny hamela zavatra vita an-tsoratra amin’ireo izay liana hamaky izany. Irintsika ny hanome ho an’ireo olona mendrika, ny fahafahana hianatra momba ny hatsaram-panahin’i Jehovah ho an’izay tsy mendrika akory sy ny fanantenana momba ilay Fanjakana.
2 Hitanao ve fa mihamiangona eo amin’ny talantalana ao an-tranonao ireo gazety sy bokikely ary zavatra vita an-tsoratra hafa, kanefa azo ampiasaina mba hitondrana ny fahalalana ny fahamarinana any amin’ireo olona mendrika ao amin’ny faritaninao izy ireo? (Ampitahao amin’ny Matio 25:25.) Moa ve ianao indraindray misalasala manolotra ireo gazety na zavatra vita an-tsoratra hafa amin’ny fitsidihana voalohany, satria fotsiny hitanao ho mahasanganehana ny milaza ilay fandraisana anjara amin’ny lany amin’ny zavatra vita an-tsoratra atolotra? Ireo mpitory za-draharaha dia nahita fa manana fihetsika tsara ireo tompon-trano mankasitraka rehefa lazaina tsotra sy mivantana ny fomba ampiasana ireo fandraisana anjara an-tsitrapo ho amin’ny asan’ilay Fanjakana.
3 Ho azonao atao ny hilaza toy izao:
◼ “Manontany tena angamba ianao hoe ahoana no ahafahanay manolotra zavatra vita an-tsoratra amin’ny fandraisana anjara an-tsitrapo toy izao. Anisan’ny asa fampianarana maneran-tany izay tohanana amin’ny alalan’ny fanomezana an-tsitrapo izany. Raha tianao ny handray anjara kely amin’ny asa ataonay, dia ho faly aho handray izany.”
4 Tompon-trano maro no hanontany ny vidin’ireo zavatra vita an-tsoratra atolotsika.
Ho azonao atao ny hamaly toy izao:
◼ “Tsy misy vola takina amin’ireo zavatra vita an-tsoratra afa-tsy amin’ny taratasy sy ny ranomainty, satria tohanana amin’ny alalan’ny fanomezana an-tsitrapo ny asa ataonay. Raha tianao ny hanome fandraisana anjara kely an-tsitrapo dia ho faly izahay hahita fa ampiasaina amin’ny asa fitoriana maneran-tany izany.”
Na ho azonao atao ny hilaza toy izao:
◼ “Manao izay hahazoan’ireo rehetra liana amin’ny fianarana bebe kokoa ny Baiboly, ny zavatra vita an-tsoratra avoakanay izahay. Raha maniry hanome fandraisana anjara kely (lazao ny vidin’ilay zavatra vita an-tsoratra) amin’izany asa maneran-tany izany ianao, dia ho faly aho handray izany.”
5 Rehefa mizara gazety ny mpitory sasany, dia mampiseho ny pejy anatiny amin’ny gazety iray ary milaza toy izao:
◼ “Araka ny hitanao eto, ny asa ataonay dia tohanana amin’ny alalan’ny fanomezana an-tsitrapo. Raha tianao ny hanome fandraisana anjara kely 250 FMG mba hampandrosoana an’io asa io, dia ho azoko atao ny handray izany.”
Indro misy fitenenana tsotra hafa iray:
◼ “Na dia atolotra amin’ny fandraisana anjara an-tsitrapo aza ny zavatra vita an-tsoratra atolotray, dia tsy mahasahana afa-tsy ampahany kely amin’izay tena lany amin’itỳ zavatra vita an-tsoratra itỳ izany.”
6 Tsy tokony ho malaina na oviana na oviana hamafy ny voan’ilay Fanjakana isika satria hoe misalasala isika ny hilaza ny fomba anohanana ara-bola ny asa. Ao anatin’izany fotoana izany ihany koa, dia ilaina ny fahaiza-manavaka mba tsy hahaverivery foana ny zavatra vita an-tsoratra atolotsika eny amin’ny ‘tany vatoina’. (Marka 4:5, 6, 16, 17). Ireo izay mankasitraka ny vaovao tsara entintsika dia faly manana fahafahana handray anjara amin’ny fanohanana azy io ara-bola. — Ampitahao amin’ny Matio 10:42.