FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 1/94 p. 1
  • Fiasana Faritany Voasa Matetika

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fiasana Faritany Voasa Matetika
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1994
  • Mitovitovy Aminy
  • Fampidiran-dresaka mandaitra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1990
  • Mampiasa ny Boky Fanjohian-kevitra ve Ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
  • Mianara Fampidiran-dresaka Manosika ny Olona Hanao Zavatra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
  • Fampidiran-dresaka Izay Hanaitra Fahalianana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1994
km 1/94 p. 1

Fiasana Faritany Voasa Matetika

1 Faly izahay maharay tatitra fa kongregasiona maro be no miasa matetika ny faritaniny. (Matio 24:14; 1 Tim. 2:3, 4). Na dia miteraka zava-tsarotra tsy fahita loatra aza izany, dia asehon’ny fanandraman-javatra fa azo atao ny miatrika izany amim-pahombiazana raha voaomana tsara isika ary raha ampy fitaovana isika mba hiatrehana ny tarehin-javatra samihafa izay mipoitra.

2 Fampidiran-dresaka mandaitra no fanalahidiny: Tena zava-dehibe ny ho voaomana mba hampiasa iray na maromaro amin’ireo fampidiran-dresaka vokatry ny fandinihana natao tamim-pitandremana tsara. Tokony hampidirina amin’izany ireo fanamarihana mety tsara izay manazava ireo antony tena lehibe mahatonga antsika hitsidika matetika.

3 Ny boky Fanjohian-kevitra dia manome ohatra tsara dia tsara maro ny amin’ny fampidiran-dresaka mifanentana azo ampiasaina. Nosoratana milahatra eo amin’ny pejy faha-15 ny telo aminy, eo ambanin’ny lohateny hoe “Ao amin’ny faritany voasa matetika”. Mizàra amin’ireo fampidiran-dresaka izay irinao hampiasaina ao amin’ny faritaninao amin’ny famerimberenana izany.

4 Ny mpitory sasany dia mahita fahombiazana amin’ny fampiasana ireo zava-mitranga etsy sy eroa hita ao amin’ny gazety eo an-toerana mba hanombohana resaka ao amin’ny faritany voasa matetika. Manome ohatra telo ny amin’ny fomba azo anaovana izany ny boky Fanjohian-kevitra. Diniho ny fampidiran-dresaka faharoa eo ambanin’ny lohateny hoe “Heloka bevava/Tsy fananana ahiahy” eo amin’ny pejy faha-13 sy ireo fampidiran-dresaka roa voalohany eo ambanin’ny lohateny hoe “Zava-mitranga” eo amin’ny pejy faha-14.

5 Fampidiran-dresaka izay omaninao: Aza misalasala mamelabelatra sy mampiasa ireo fanamarihana mety eo amin’ny fampidiran-dresaka araka ny modely atolotra ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra. Lazao araka ny fombanao manokana tsy namboamboarina izy ireny, amin’ny fampiasana ny fiteninao manokana. Azonao atao ny mamerina azy ireny miaraka amin’ny mpitory za-draharaha iray alohan’ny hampiasana izany eny amin’ny fanompoana.

6 Ohatra, ho azonao atao ny hilaza zavatra tahaka izao:

◼ “Hatramin’izay nitsidihanay anao farany, [lazao ny zava-nitranga vao haingana resahin’ny olona eo amin’ny fiaraha-monina]. Koa satria isika rehetra voakasika na amin’ny fomba iray na amin’ny fomba hafa, dia maro amin’ireo mpiara-monina amintsika no nilaza ny fanahiany lalina. Angamba koa ny tenanao efa nieritreritra izany. [Miatoa kely mba hahafahany hamaly.] Rehefa eritreretina ny toe-piainana misy amin’izao andro izao eo amin’izao tontolo izao, moa ve ianao tsy miray hevitra amin’izay nosoratan’i Jeremia mpaminany ao amin’ny toko faha-10, andininy faha-23?” Aorian’ny famakiana ilay andinin-teny, dia henoy ny fanamarihan’ilay tompon-trano, avy eo dia tariho ny sainy ho amin’ny andinin-teny iray voafaritra tsara izay mampiseho ny fomba handaminan’i Jehovah ilay zava-manahirana manokana resahina.

7 Na ho azonao atao ny hilaza toy izao:

◼ “Tsy isalasalana fa nomarihinao tao amin’ny vaovao androany [lazao ny zava-nitranga voafaritra tsara iray]. Hanaiky angamba ianao fa mahakasika antsika rehetra izany. [Miatoa kely mba hahafahany hamaly.] Manantena isika ny hanoloran’ny manam-pahefana fanafodiny vonjimaika; kanefa, ny Baiboly dia mampiseho ny fomba hahavoalamina ilay zava-manahirana amin’ny fomba maharitra.” Tariho ny sainy ho amin’ny andinin-teny voafaritra tsara izay manazava izay hataon’Andriamanitra.

8 “Nahoana ianareo no mitsidika matetika toy izao?” Ny valin-teny mifanentana amin’io fanoherana mety hitranga io dia omena ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra eo amin’ny pejy faha-20 eo ambanin’ny lohateny hoe “Nahoana ianareo no dia mandalo matetika toy izao?” Na dia tsy anontaniana aza isika dia afaka manao fanambarana tsara dia tsara raha mampiasa ny fahafahana mety rehetra mba hanampiana ny hafa hahatakatra fa ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona amim-pahatsorana no manosika antsika hitsidika matetika araka izay azo atao. Ny fandinihana ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 21:15-17 dia hita ho tena mahasoa amin’io lafiny io.

9 Mandra-pilazan’i Jehovah hoe ampy izay, dia aoka isika hanohy hiatrika ny zava-tsarotra ny amin’ny fiasana faritany voasa matetika. Amin’ny fananantsika izany fahatapahan-kevitra izany, dia mahazo antoka ny amin’ny fitarihany sy ny fiarovany ary ny fitahiany dieny izao ka hatramin’ny farany isika. — Matio 28:19, 20.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara