Itaro ny Harenanao, dia ny Fanompoana Mifandray Amin’ilay Fanjakana
1 Nampitaha ny fanantenana ny amin’ilay Fanjakana tamin’ny harena iray tsy azo vidim-bola aman-karena i Jesosy. (Matio 13:44-46). Moa ve isika tahaka ireo olona ao amin’ireo fanoharan’i Jesosy, izay nivarotra ny fananany rehetra mba hividianana zavatra sarobidy kokoa? Raha izany no izy, dia hanome ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra ny toerana voalohany isika, na dia mety hahafaoka fanelingelenana sy fahafoizan-tena aza izany. — Matio 6:19-22.
2 Koa satria harena ny fanompoantsika mifandray amin’ilay Fanjakana, dia tokony ho faniriantsika ny hanitatra azy io. Inona no asehon’ny fomba fiaina arahin’ny tenantsika manokana? Moa ve isika manitatra ny asa ataontsika mifandray amin’ilay Fanjakana? Afaka manao izany isika amin’ny fandraisana anjara amin’ireo lafiny samihafa amin’ny fanompoana, anisan’izany ny fitoriana isan-trano, ny fanaovana fiverenana mitsidika, ny fitarihana fampianarana Baiboly ary ny fanaovana fanambarana tsy ara-potoana.
3 ‘Ahoana no ahafahako manitatra ny fandraisako anjara?’ Eto am-panombohan’ny taom-piasana vaovao, dia tsara ny handinihan’ny tsirairay indray ny asa ataon’ny tenany manokana mba hahitana izay mety ho azony atao mba hampitomboana ny fotoana laniny eo amin’ny asa fanompoana. Amin’izany dia tsara ny hanontaniana tena hoe: ‘Afaka mandamina ireo raharahako ve aho mba hisoratana anarana ho amin’ny asan’ny mpisava lalana mpanampy indraindray na amin’ny fomba mitohy mihitsy aza? Raha manao fanamboarana sasany aho, moa ve aho ho afaka hiditra hanao ny asan’ny mpisava lalana maharitra?’ Ireo mpisava lalana vaovao nisoratra anarana talohan’ny 1 Septambra dia afaka manatrika ny Sekolin’ny Mpisava Lalana amin’ny herintaona.
4 Ny mpitory sasany dia nametra tanjona manokana mba hanao fanambarana tsy ara-potoana bebe kokoa. Matetika io asa io no miteraka vokatra faran’izay tsara. Ny hafa mety hahatsapa fa mila manatsara ny fanaovana fiverenana mitsidika mandaitra na ny fanombohana fampianarana Baiboly vaovao, ny tenany.
5 Raha manatsoaka hevitra isika fa misy maha-voafetra ny fanompoantsika, inona moa no azontsika atao mba hanitarana azy? Ireo izay nahavita nahatratra tanjona ambony kokoa dia manoro hevitra fa ilaintsika aloha ny ho tapa-kevitra ny hametraka ireo tombontsoan’ilay Fanjakana eo amin’ny toerana voalohany na manao ahoana na manao ahoana vidin’izany. (Matio 6:33). Tena ilaina ny finoana sy ny fianteherana feno amin’i Jehovah. (2 Kor. 4:7). Tadiavo ny fanampiany amin’ny alalan’ny vavaka amim-pahatsoram-po sy fikirizana. (Lioka 11:8, 9, NW). Afaka matoky isika fa hitahy ireo ezaka ataontsika amim-pahatsorana mba hampitomboana ny fandraisantsika anjara amin’ny fanompoana azy, i Jehovah. — 1 Jaona 5:14, NW.
6 Miresaha amin’ny rahalahy sy anabavy hafa izay nahavita nanitatra ny fanompoany. Anontanio azy ireo ny fomba nahafahany nandresy vato misakana kanefa tsy nanjary kivy. Ny fanandraman-javatra hitan’izy ireo indrindra no mety ho izay ilaina mba hampiekena anao fa tsy hoe tsy azo tratrarina akory ny fanompoana miitatra.
7 Rehefa mamaky lahatsoratra ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana na ao amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana, izay miresaka momba ny asa fanompoana ianao, dia diniho amim-bavaka ny fomba ahafahanao mampihatra ireny fanipazan-kevitra ireny eo amin’ny fanompoanao. Izany koa no ataovy rehefa manatrika ireo fivorian’ny kongregasiona na ireo fivoriambe ianao. Ireo fanipazan-kevitra atolotra ato amin’itỳ lahatsoratra itỳ dia miorina amin’ny fandinihana iray anisan’ny fandaharana tamin’ny fivoriamben’ny fizaran-tany tamin’ny taon-dasa. Izy itỳ no voalohany amin’ny fitohitohizan-dahatsoratra iray natao mba hanampiana antsika hanaraka sy hampihatra ny fampirisihana nomena tamin’izany fandaharana izany.
8 Nihevitra ny fanompoany ho zava-dehibe dia lehibe i Jesosy, ka nanao azy io ho ny zavatra nahiny voalohany. Hoy ny nambarany: “Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’Izay naniraka Ahy”. (Jaona 4:34). Toy izany koa ve no tsapantsika? Raha eny, dia tena hahita fomba hanitarana ny asantsika sy hizarana amin’ny hafa “zavatra tsara” avy ao amin’ny rakitra sarobidintsika, isika. — Matio 12:35; Lioka 6:45.