Ireo Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny Septambra
Herinandron’ny 5 Septambra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Fampandrenesana avy ato amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana.
20 min: “Itaro ny Harenanao, dia ny Fanompoana Mifandray Amin’ilay Fanjakana”. Miara-mandinika ireo hevi-dehibe ao amin’ilay lahatsoratra ny mpiandraikitra ny asa sy ny loholona hafa iray. Diniho indray ny asa nataon’ny kongregasiona tamin’ny taon-dasa, ka manomeza teny fiderana ary koa fanipazan-kevitra mba hihatsarana. Hamafiso ny tanjona ny amin’ny fampitomboana ny fandraisan’ny tenantsika anjara amin’ny fanompoana.
15 min: “Ampitomboy ny Fahalianan’ny Olona Amin’ny Boky Hiaina Mandrakizay”. Miara-mandinika ilay lahatsoratra ny mpitory telo na efatra, anisan’izany ny tanora iray, ary avy eo dia manao fanazaran-tena. Manao fampisehoana momba ny fomba fampiseho roa na telo izy ireo ary avy eo dia mandinika azy ireo indray, ka mifanome fanipazan-kevitra sy teny fiderana.
Herinandron’ny 12 Septambra
7 min: Fampandrenesana eo an-toerana.
20 min: Fitondran-tena Kristiana any Am-pianarana. Fiarahan’ny loholona iray midinika amin’ny zatovo telo na efatra. Any am-pianarana, ireo tanorantsika dia iharan’ny fanerena maro samihafa mba hampanaiky lembenana ny fanajany ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly. Betsaka amin’izany no avy amin’ny fanaovan-javatra tsy mifandray mivantana amin’ny ao an-dakilasy. Ny fanatanjahan-tena sy ny mampiaraka ary ny fifaneraserana ara-tsosialy dia samy mahatandindomin-doza. Miara-mandinika “Ireo Zavatra Fanao Ivelan’ny Fianarana” amin’ireo zatovo ilay loholona, amin’ny fampiasana ny bokikely Sekoly, pejy faha-22-25. Milaza ireo tanora fa miatrika fanerena handray anjara amin’ireo zavatra ireo izy ireo, ka noho izany dia mankasitraka ireo torohevitra nomena.
18 min: “Hiverina any Am-pianarana Indray”. Fanontaniana sy valiny. Asongadino ireo zava-manahirana atrehin’ny tanora sy ny fomba ahafahan’ny ray aman-dreny manampy ireo zanany.
Herinandron’ny 19 Septambra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Vakio ny filazana momba ny toe-bola sy izay fankasitrahana avy amin’ny Fikambanana noho ireo fanomezana natao.
15 min: “Tsy Niahotra Izy Ireo Nanao Fanambarana”. Fanontaniana sy valiny. Asongadino fa na dia tsy afaka mandany fotoana mitovy eo amin’ny fitoriana aza isika rehetra, dia tokony hahita fifaliana ary hiezaka mafy mba hanao zavatra amin’ny fo.
20 min: “Fanombohana Fampianarana Baiboly Amin’ny Alalan’ny Boky Hiaina Mandrakizay”. Fiaraha-mandinika ilay lahatsoratra amin’ny mpanatrika. Manaova fandaharana mba hisian’ny fampisehoana roa ampiasana ireo fomba fampiseho anipazan-kevitra.
Herinandron’ny 26 Septambra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Asao ny mpanatrika hitantara fanandraman-javatra fohy ny amin’ny nametrahany ny boky Hiaina Mandrakizay na ny nanombohany fampianarana taminy.
15 min: Zavatra ilaina eo an-toerana. Na manaova lahateny miorina amin’ny lahatsoratra hoe “Mahakivy Anao ve Ireo Fameperana?” ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Septambra 1994, pejy faha-27-28.
20 min: Fanolorana Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Mandritra ny Volana Oktobra. Manana anjara asa lehibe eo amin’ny asa fitoriana maneran-tany ireo gazetintsika; izany no fomba nandrenesan’ny olona an-tapitrisany maro ny fahamarinana voalohany. Hamafiso ny maha-zava-dehibe ny fanohizana mampiasa azy ireo sy ny fanolorana azy ireo eo amin’ny fitoriana isan-trano, na dia zavatra vita an-tsoratra hafa aza no asongadina. Lazao ireo soa azo avy amin’ny Andro Fizarana Gazety isan-kerinandro. Resaho fa ny fanaovana fanambarana isaky ny fivarotana dia manome fahafahana maro hametraka gazety. Ampahatsiahivo ireo rahalahy mba handray an-tsoratra ireo gazety napetrany, ka ny tanjona amin’izany dia ny hanomboka lalana fizarana gazety. Hazavao fa azo atao ny manolotra famandrihana isaky ny misy fahafahana ho amin’izany, ary raha tsy manaiky famandrihana ilay olona, dia azo atao ny manolotra ireo gazety. Antitrantero ny maha-zava-dehibe ny fiomanana tsara, alohan’ny handehanana. Asaivo manao fampisehoana fohy momba ny fanolorana gazety ny mpitory telo, ka tanora ny iray amin’izy ireo.