FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 12/96 p. 1
  • Iza no Hihaino ny Hafatra Entintsika?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Iza no Hihaino ny Hafatra Entintsika?
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
  • Mitovitovy Aminy
  • Ataovy azo antoka ny hiverina hitsidika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
  • Fitaovana Vaovao Anombohana Fampianarana!
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
  • Misikìna Fahasahiana mba Hanao Fiverenana Mitsidika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
  • “Mitondra Teny Soa Mahafaly”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
km 12/96 p. 1

Iza no Hihaino ny Hafatra Entintsika?

1 Mbola tsy tototry ny fanazavana toy izao mihitsy ny olona teo amin’ny tantaran’ny olombelona, fanazavana izay ny ankamaroany dia tsy misy vidiny firy sy mamitaka mihitsy aza. Ho vokany, dia maro no mahatsiaro tena ho difotra, ary manjary fihaikana ho antsika ny manao izay hihainoan’izy ireny ny hafatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy takany hoe vokany tsara toy inona moa no mety hoentin’ny fihainoany ny Tenin’Andriamanitra eo aminy. — Lioka 11:28.

2 Faly isika satria, any amin’ny faritra maro amin’izao tontolo izao, dia olona an’aliny maro no mihaino an’ilay hafatra sy manaiky ny fanolorantsika fampianarana Baiboly any an-tokantrano. Tsy mandray firy anefa ny olona any amin’ny faritany hafa. Maro amin’ireo fitsidihana ataontsika eo amin’ny fanompoana no tsy misy vokatra tsara, ary mety hanontany tena isika hoe iza no hihaino ny hafatra entintsika.

3 Tsy maintsy mitandrina isika mba tsy hanjary ho kivy. Nanazava toy izao i Paoly: “ ‘Izay rehetra miantso ny anaran’ny Tompo no hovonjena’. Hataony ahoana ary no fiantso (...) izay Olona tsy reny? Ary hataony ahoana no fandre, raha tsy misy mpitory? (...) araka ny voasoratra hoe: ‘Akory ny hatsaran’ny tongotr’iry mitondra teny soa mahafaly!’ ” (Rom. 10:13-15). Raha mamafy amim-pahazotoana ny voan’ny Fanjakana isika, Andriamanitra dia hampitombo azy io ao amin’ireo tso-po. — 1 Kor. 3:6.

4 Ny manao fiverenana mitsidika tsy tapaka no fanalahidy: Ao amin’ireo faritany izay toa olona vitsy monja no mihaino ny hafatra entintsika, dia mila mifantoka amin’ny fampitomboana izay fahalianana rehetra hitantsika isika, na nametraka zavatra vita an-tsoratra isika na tsia. Nahoana no mailaka hanatsoaka hevitra fa tsy hisy zavatra ho vita? Rehefa mamafy voa isika, dia tsy fantatsika izay ho vanona. (Mpit. 11:6). Raha miverina isika, na dia vetivety monja aza, niomana tsara mba hizara zavatra avy ao amin’ny Soratra Masina, dia mety ho afaka hanohina ny fon’ilay olona. Afaka mametraka taratasy mivalona na manolotra gazety vao haingana isika. Any aoriana, dia mety ho afaka hampiseho ny fomba fianarana Baiboly ianao. Ho gaga sy ho finaritra isika mahita ny hitahian’i Jehovah be dia be ny ezaka ataontsika. — Sal. 126:5, 6.

5 Nisy taratasy mivalona napetraka tamin’ny vehivavy iray izay naneho fahalianana kely. Tsy hita tao an-tranony indray izy raha tsy roa volana tatỳ aoriana, ary tamin’izay dia be zavatra natao loatra izy ka tsy afaka niresaka. Napetraka taminy indray ny taratasy mivalona iray mitovy amin’ilay teo ihany. Na dia teo aza ny ezaka tamim-pikirizana nataon’ilay mpitory mba hahatratrarana azy tao an-trano, dia nila telo volana hafa vao tafaresaka taminy, mba hahitana fotsiny fa narary izy. Nitsidika azy indray ilay anabavy ny herinandro nanaraka, ary nisy resaka fohy natao vokatr’izany momba ilay taratasy mivalona. Rehefa niverina ilay anabavy ny herinandro nanaraka, dia naneho fahalianana marina tamin’ny hafatra momba ilay Fanjakana ilay vehivavy. Nahatonga azy hahatsapa ny zavatra ilainy ara-panahy ny fiovan’ny toe-javatra teo amin’ny fiainany. Natomboka ny fianarana Baiboly, ary nianatra tamin-kafanam-po isan-kerinandro izy taorian’izany.

6 Toy ny amin’ny zavatra rehetra irintsika ny hitomboany, na voninkazo izany na legioma, na fahalianana amin’ny hafatra momba ilay Fanjakana, dia ilaina ny fambolena. Maka fotoana, mitaky ezaka, toe-tsaina tia mikarakara, ary fahatapahan-kevitra tsy hilavo lefona izany. Tamin’ny taon-dasa, dia olona maherin’ny ampahatelon-tapitrisa izay nisy voan’ilay Fanjakana namaka tao aminy no natao batisa! Raha tsy mitsahatra mitory isika, dia ho azontsika antoka fa hahita olona maro kokoa hihaino ny hafatra entintsika isika. — Ampitahao amin’ny Galatiana 6:9.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara