Mandraisa Anjara Amin’ilay Asa Izay Tsy Haverina Intsony Mihitsy
1 Tamin’ny fotoana samihafa nandritra ny tantaran’ny olombelona manontolo, dia nila nampihatra didim-pitsarana tamin’ireo fahavalony i Jehovah. Kanefa, noho ny famindram-pony, dia nanome fahafahana ho voavonjy ho an’ny olona tso-po izy. (Sal. 103:13, NW ). Ny fihetsik’izy ireo teo anoloan’izany no namaritra ny hanjo azy.
2 Ohatra, talohan’ny Safo-drano, tamin’ny 2370 al.f.i., i Noa dia “mpitory ny fahamarinana”. Ireo olona ringana dia ireo izay tsy niraharaha ny fampitandreman’Andriamanitra. (2 Pet. 2:5; Heb. 11:7, NW ). Talohan’ny fandringanana an’i Jerosalema tamin’ny 70 am.f.i., i Jesosy dia nanoritra mazava tsara ilay zavatra nilain’iza na iza hatao mba handosirana ilay fandravana hanjo an’ilay tanàna. Ireo rehetra nanda ny hafatra fampitandremany dia niharan’ny vokatra faran’izay nahatsiravina. (Lioka 21:20-24). Niverimberina imbetsaka nandritra ny tantara manontolo ny fampitandremana sy ny didim-pitsarana avy tamin’Andriamanitra toy izany.
3 Asa fampitandremana amin’ny andro ankehitriny: Efa ela izay, i Jehovah dia nanambara fa hihatra amin’ny fandehan-javatra ratsy amin’izao andro izao ny fahatezerany, ary koa fa ny mpandefitra ihany no ho tafita velona. (Zef. 2:2, 3; 3:8). Mihamifarana haingana ny fotoana itoriana io hafatra fampitandremana io! Efa antomotra ny “fahoriana lehibe”, ary efa angonina ankehitriny ireo mpandefitra. Eny tokoa, “efa masaka sahady hojinjana” ny saha. Noho izany, dia tsy misy asa afaka mifampitaha amin’io, raha ny amin’ny halehibeny sy ny ilana azy maika. — Matio 24:14, 21, 22; Jaona 4:35.
4 Tsy maintsy mandray anjara amin’ny fampanakoakoana amin’ny hafa ilay fampitandremana amin’ny andro ankehitriny, isika, “na hihaino izy na tsy hihaino”. Izany dia fanendrena nomen’Andriamanitra izay tsy ho sahintsika hodian-tsy hita. (Ezek. 2:4, 5; 3:17, 18). Ny fandraisantsika anjara feno amin’io asa io dia manome porofo mampiaiky ny amin’ny fitiavantsika lalina an’Andriamanitra, sy ny fiahiantsika feno fahatsorana ny mpiara-belona amintsika ary ny finoantsika tsy azo hozongozonina an’i Jesosy Kristy, ilay Mpamonjy antsika.
5 Izao no fotoana hanaovan-javatra: Isaky ny avy nampihatra didim-pitsarana i Jehovah tamin’ny lasa, dia nirongatra foana ihany ny faharatsiana, satria mbola niasa i Satana sy ny demoniany. Kanefa, itỳ indray mitoraka itỳ dia ho hafa noho izany. Hofoanana ny fitaoman’i Satana. Tsy hilaina intsony mihitsy ny fampitandremana maneran-tany ny amin’ny “fahoriana lehibe” hananontanona. (Apok. 7:14; Rom. 16:20). Manana tombontsoa manokana ho anisan’ireo izay manao io asa tsy haverina intsony mihitsy io isika. Izao no fotoana hanararaotantsika be indrindra io fahafahana io.
6 Momba ny asa fitoriany, dia hoy ny nambaran’ny apostoly Paoly, tamim-piekena mafy: “Afaka amin’ny ranareo rehetra aho”. (Asa. 20:26). Tsy nahatsapa trosan-dra izy, satria hoe tsy nampanakoako ilay fampitandremana. Fa nahoana? Satria afaka nilaza toy izao momba ny fanompoany izy: “Ny hahatanteraka izany no ikelezako aina koa sy iezahako fatratra”. (Kol. 1:29). Aoka isika hahatsapa fahafaham-po toy izany noho ny fandraisana anjara feno indrindra araka izay azo atao, amin’ilay asa izay tsy haverina intsony mihitsy! — 2 Tim. 2:15.