Fitaovana Vaovao Iray Hanampiana ny Olona mba Hianatra Ireo Zavatra Takin’Andriamanitra
“ILAY fomba fitarihan-dresaka tsotra sy mivantana ary feno hatsaram-panahy ao amin’izy io dia hitondra vokatra mihoatra noho izay ampoizina. Aseho amin’ny fomba tsy sarotra sy mahafinaritra aoka izany ireo loha hevitra, hany ka na iza na iza olona tso-po sy mandinika dia ho voatosika hilaza hoe: ‘Andriamanitra dia ao aminareo marina tokoa.’ ” (1 Korintiana 14:25). Izany no nolazain’ny Vavolombelon’i Jehovah iray avy any Thaïlande rehefa nilazalaza ilay bokikely vaovao hoe Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? izy. Navoakan’ny Fikambanana Watch Tower tamin’ny Fivoriamben’ny Distrika “Iraka Milaza Fiadanana Araka An’Andriamanitra” nandritra ny 1996/1997 izy io.
Natao ho fampianarana Baiboly io bokikely miloko misy 32 pejy io. Mivaofy ireo fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly izy io. Tsotra sy mivantana ny fomba filazany zavatra, ka manazava tsara izay takin’Andriamanitra amintsika. Tsy tokony ho sahirana hahazo ny hevitra raketin’izy io ny mpamaky. Ahoana no azonao itarihana fampianarana Baiboly amin’io bokikely vaovao io?
Ampiasao ireo fanontaniana. Misy fanontaniana eo am-piandohan’ny lesona tsirairay. Ao anaty fononteny eo aorian’ny fanontaniana tsirairay no hahitanao ny laharan’ny fehintsoratra ahitana ireo valiny. Ireo fanontaniana ireo dia azo ampiasaina mba hanampy eo amin’ny fampianarana, ka sady hanaovana fanadihadiana mialoha no hanaovana famerenana. Ohatra, eo am-piandohan’ny fampianarana Baiboly iray any an-tokantrano, dia ho azonao atao ny hametraka ireo fanontaniana ireo amin’ilay mpianatra mba hahitana izay teniny. Tsy hanitsy avy hatrany izay valin-teny diso omeny anefa ianao, fa hanomboka ilay fampianarana kosa. Eo amin’ny faran’ilay lesona, dia ho afaka hiverina amin’ireo fanontaniana ianao mba hahitana raha afaka mamaly azy ireo mifanaraka amin’ny Baiboly amin’izay ilay mpianatra.
Jereo ireo andinin-teny. Amin’ny lesona tsirairay, ireo fanambarana fohy an’ireo fahamarinana ara-baiboly dia ampiarahina amin’ny andinin-teny manohana azy. Koa satria voatondro, fa tsy tononina, ny ankamaroan’ireo andinin-teny, dia zava-dehibe ny hampirisihana ilay mpianatra mba hijery an’ireny andinin-teny ireny ao amin’ny Baiboliny manokana. Mila mamaky sy misaintsaina ny Tenin’Andriamanitra izy vao ho afaka hampihatra azy io eo amin’ny fiainany. — Josoa 1:8.
Asongadino ireo sary. Nasiana sary sy sary hoso-doko be dia be tokoa ilay bokikely — zava-kanto maherin’ny 50 amin’ny fitambarany. Izy ireny dia tsy hoe natao hanintona ny maso fotsiny fa natao koa hanampy antsika bebe kokoa eo amin’ny fampianarana. Ohatra, ireo lesona roa farany (pejy iray avy, eo amin’ireo pejy mifanatrika) dia mitondra ny lohateny hoe “Fanampiana ny Hafa Hanao ny Sitrapon’Andriamanitra” sy ny hoe “Ny Fahatapahan-kevitrao Hanompo An’Andriamanitra”. Ireo sary izay mivelatra manaraka ireo pejy roa ireo dia milazalaza ny fandrosoana ara-panahin’ny olona iray ihany, mampiseho azy manao fanambarana tsy ara-potoana, mandray anjara amin’ny fitoriana isan-trano, manao ny fanoloran-tenany, ary farany dia atao batisa. Amin’ny fitarihana ny sain’ilay mpianatra ho amin’ireo sary ireo, dia manampy azy hahita ireo dingana takina mba hanompoana an’Andriamanitra ianao.
Ahoana raha tsy dia mahay mamaky teny tsara na tsy mahay mamaky teny mihitsy ny olona liana iray? Ny Fikambanana dia eo am-panaovana cassette amin’io bokikely vaovao io amin’ny fiteny maromaro. Ilay cassette dia mirakitra ny lahatsoratra ao amin’ilay bokikely ary koa ny maro amin’ireo andinin-teny voalaza. Toy izao manaraka izao ny nandraisam-peo azy io: Vakina ny fanontaniana voalohany, arahin’ilay (ireo) fehintsoratra mamaly azy, miaraka amin’ny sasany amin’ireo andinin-teny voatondro. Avy eo dia vakina ny fanontaniana manaraka, arahin’ilay lahatsoratra sy andinin-teny mamaly azy, ary toy izany hatrany. Afaka mihaino ilay feo noraisina ilay mpianatra eo am-panomanana ilay fianarana. Azo ampiasaina koa ilay cassette rehefa mitarika fampianarana Baiboly.
Ireo nanatrika ilay fivoriambe dia dodona ny hampiasa an’io bokikely vaovao io eny amin’ny fanompoany eny amin’ny saha. Ohatra, andro vitsivitsy monja taorian’ny nahazoan’ny mpisava lalana (mpitory ny filazantsara manontolo andro) roa avy any Etazonia an’ilay bokikely, dia nametraka azy io tamin’ny mpivady tanora iray izay efa notsidihiny izy ireo. Rehefa nojeren’izy mivady ireo loha hevitra ao anatiny, dia nanintona ny sainy ilay lesona hoe “Fanao Izay Halan’Andriamanitra”. “Izaho dia nampianarina foana hoe tsy ho afaka ny hankahala na oviana na oviana Andriamanitra — fitiavana tanteraka izy”, hoy ilay tovovavy. “Itỳ aloha no hovakiko.” Rehefa niverina ireo mpisava lalana roa ny herinandro nanaraka, dia hoy ilay tovovavy: “Namaky ilay bokikely vaovao aho. Sarotra be ny hanao ny zavatra rehetra tokony hataonay. Tsy faly aminay i Jehovah — tsy vita soratra izahay. Nandray fanapahan-kevitra anefa izahay. Efa nataonay ny fandaharana mba hahavitan’ny fisoratam-panambadianay amin’ny zoma izao.” Namihina ilay mpivady mpisava lalana izy ireo ka nanampy teny hoe: “Miala tsiny izahay fa tsy afaka nanao ilay fianarana tsy tapaka. Izao anefa dia afaka aloha ny enta-mavesatra iray taminay.”
Amin’izay fomba rehetra azo atao, dia mampiasà ny bokikely Takina. Fitaovana tsara dia tsara hanampiana ny hafa mba hianatra ireo zavatra takin’Andriamanitra izy io.
[Sary, pejy 17]
Ahoana no hampiasanao ilay bokikely vaovao?