Fomba Fampiasa An’ilay Bokikely hoe Iza no Tena Manao ny Sitrapon’i Jehovah?
Natao Hanampiana ny Mpianatra Baiboly Hahafantatra ny Fandaminana
1. Inona avy ny antony telo namoahana an’ilay bokikely Sitrapon’i Jehovah?
1 Ianao ve efa nampiasa an’ilay bokikely hoe Iza no Tena Manao ny Sitrapon’i Jehovah? Natao hanampiana ny mpianatra Baiboly mantsy izy io mba hahafantatra 1) ny momba antsika Vavolombelon’i Jehovah, 2) ny asa ataontsika, ary 3) ny fandaminantsika. Lesona iray isaky ny pejy ihany no ao amin’ilay bokikely Sitrapon’i Jehovah. Azo iaraha-midinika isaky ny avy mianatra àry izy io, ary dimy na folo minitra ihany dia vita ny lesona iray.
2. Inona no mampiavaka an’ilay bokikely?
2 Inona no mampiavaka azy io? Misy fizarana telo ao amin’izy io, ary samy miresaka momba ny fandaminan’i Jehovah ny fizarana tsirairay. Misy lesona 28 koa ao ary natao fanontaniana ny lohateniny. Ny lohatenikely sora-matevina no mamaly an’ilay lohateny lehibe. Misy sary avy any amin’ny tany 50 mahery koa ao, mba hahitana hoe mitory eran-tany ny Vavolombelon’i Jehovah. Misy efajoro kely hoe “Iezaho Atao Izao” ao amin’ny ankamaroan’ny lesona. Azonao ampirisihina hanaraka ny soso-kevitra ao ny olona ampianao.
3. Ahoana no fampiasa an’ilay bokikely?
3 Ahoana no fampiasa azy? Asehoy an’ilay mpianatra aloha ny lohatenin’ny lesona. Vakio na asaivo vakiny avy eo ilay lesona, ary asongadino ireo lohatenikely sora-matevina. Rehefa vita izany, dia iaraho midinika ny fanontaniana eny amin’ny faran’ny pejy. Azo atao indray mamaky ilay lesona, na vakina sy dinihina isaky ny lohatenikely. Mahaiza mijery hoe iza amin’ireo andinin-teny voatonona ao no tokony hovakina. Aza hadino ny mandinika ny sary sy ilay efajoro hoe “Iezaho Atao Izao.” Tokony hasesy hatrany amin’ny voalohany ny lesona. Afaka mianatra lesona hafa anefa ianareo, raha hitanao hoe ilain’ilay mpianatra ilay izy. Raha efa akaiky, ohatra, ny fivoriambe, dia tonga dia azo ianarana ny lesona 11.
4. Nahoana ianao no faly nahazo an’io bokikely vaovao io?
4 Manampy ny olona hahalala an’ilay Raintsika any an-danitra isika rehefa mampianatra Baiboly. Tokony hampianarintsika azy ireo koa anefa ny momba ny fandaminan’i Jehovah. (Ohab. 6:20) Tena faly àry isika nahazo an’io bokikely io, satria hanampy antsika hanao izany izy io.