Aoreno eo Amin’ny Fanompoana An’i Jehovah ny Fiainanao
1 Nampitovy ny mpihaino azy tamin’ny karazana mpanorina roa i Jesosy. Nanorina ny fomba fiainany teo ambonin’ny vatolampin’ny fankatoavana an’i Kristy ilay iray, ka nahatohitra ny tafio-drivotry ny fanoherana sy ny fahoriana. Ilay faharoa dia nanorina teo ambonin’ny fasiky ny tsy fankatoavana feno fitiavan-tena, ka tsy nahajoro rehefa tonga ny fanerena. (Matio 7:24-27). Miatrika tafio-drivotra mampahory maro isika izay miaina amin’izao fifaranan’ny fandehan-javatra izao. Mitatao eny am-paravodilanitra sady mihamanatona haingana ny rahona maintin’ny fahoriana lehibe. Hiaritra hatramin’ny farany ve isika, ka tsy hihena ny finoantsika? (Matio 24:3, 13, 21). Zavatra betsaka no miankina amin’ny fomba anorenantsika ny fiainantsika dieny ankehitriny. Araka izany, dia ilaina maika ny hanontaniantsika tena toy izao: ‘Moa ve aho manorina mafy ny fiainana kristianina arahiko, eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra amim-pankatoavana?’
2 Inona ny dikan’ny hoe manorina ny fiainantsika eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah? Manao an’i Jehovah ho ny tena votoatin’ny fiainantsika no dikan’izany. Ny fifantohana amin’ilay Fanjakana no tokony hibahana ao an-tsaintsika. Tafiditra amin’izany ny fankatoavana an’Andriamanitra eo amin’ny asa rehetra ataontsika eo amin’ny fiainana andavanandro. Izany dia mitaky ny hanaovantsika amin’ny fo manontolo ny fianarantsika Baiboly — na manokana izany na miaraka amin’ny fianakaviana na miaraka amin’ny kôngregasiôna — sy ny fanompoantsika eny amin’ny saha, ka hanaovantsika ireo ho laharam-pahamehana. (Mpit. 12:13; Matio 6:33). Miteraka finoana mafy orina izay tsy hirodana eo anoloan’ny tafio-drivotra mampahory rehetra izay mety hamely, ny fanaovan-javatra amim-pankatoavana toy izany.
3 Mahafaly ny mahita olona an-tapitrisany maro manorina amin-toky ny fiainany sy ny fanantenany ny hoavy eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, toy ny nataon’i Jesosy. (Jaona 4:34). Mifikitra amin’ny fandaharam-potoana tsy miovaova anaovana asa teôkratika izy ireo, ka mahazo fitahiana tondraka ho vokatr’izany. Nohazavain’ny renim-pianakaviana iray ny fomba nitaizan’izy mivady tamim-pahombiazana ny zanany lahy roa mba hanompo an’i Jehovah, ka hoy izy: ‘Nofenoinay ny fahamarinana ny fiainanay, ka namonjy ny fivoriambe rehetra izahay, niomana ho amin’ireo fivoriana sy nanatrika izany, ary nataonay ho tapany nahazatra teo amin’ny fiainanay ny fanompoana teny amin’ny saha.’ Nanampy teny toy izao ny vadiny: ‘Tsy tapany iray amin’ny fiainanay ny fahamarinana, fiainanay mihitsy izy io. Mifantoka amin’izy io ny zavatra hafa rehetra.’ Moa ve ianao manao toy izany koa ka mametraka ny fanompoana an’i Jehovah ho ny laharam-pahamehana indrindra ao amin’ny fianakavianao?
4 Manaova fandaharam-potoana azo arahina isan-kerinandro: Manampy antsika hanana fahazarana ara-panahy tsara ny fandaminan’i Jehovah, amin’ny alalan’ny fivoriana dimy isan-kerinandro. Mandamina ny raharahany ara-pianakaviana sy tsy ara-pivavahana ny Kristianina izay manorina ny fiainany eo amin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah, mba hahafahany hanatrika ireo fivoriana tena lehibe rehetra ireo. Tsy avelany hanakantsakana ny fanatrehany fivoriana tsy tapaka ireo zavatra tsy dia lehibe firy. — Fil. 1:10; Heb. 10:25.
5 Takatry ny Kristianina matotra fa zava-dehibe tsy misy hafa amin’ny fisakafoana tsy tapaka isan’andro amin’ny fotoana hentitra, ny fanaovana fandaharam-potoana hentitra tsara anaovana fianarana manokana sy miaraka amin’ny fianakaviana, anisan’izany ny fanomanana ireo fivoriana. (Matio 4:4). Afaka manokana 15 na 20 minitra, fara fahakeliny, isan’andro ve ianao, mba hanaovana fianarana manokana? Ny tsy famelana ny zavatra hafa haka ny fotoana natokana ho amin’ny fianarana no fanalahidiny. Ataovy ho fahazarana azo arahina izany. Mety hitaky ny hifohazanao aloha kokoa noho ny fanaonao isa-maraina izany. Mifoha maraina ny fianakavian’ny Betela maneran-tany, izay misy mpikambana miisa 17 000, mba handinika ny andinin-teny ho an’ny andro. Mazava ho azy fa mitaky ny hatoriana amin’ny ora antonony amin’ny alina ny fifohazana maraina, mba ho vonombonona sy ho afa-bizana ny tena rehefa hanomboka ny andro manaraka.
6 Raha loham-pianakaviana ianao, dia aoka ianao no hanomboka handahatra mialoha sy handamina ny fandaharam-potoanan’ny fianakavianao anaovana asa teôkratika. Miara-mamaky ny Baiboly, ny Diary, na ny zavatra vita an-tsoratra hafa iray ny fianakaviana sasany, rehefa iny miala sasatra aorian’ny sakafo hariva iny. Ray aman-dreny maro no nahita ny zanany nihalehibe ka tonga Kristianina matanjaka ara-panahy. Milaza izy ireny fa anton-javatra iray nandray anjara tamin’ny fahombiazan’izy ireo ny fahazaran’ny fianakaviana nanokana takariva iray isan-kerinandro, izay niarahan’izy mianakavy nankafy fotoana mampandroso ara-panahy. Nilaza toy izao ny iray tamin’ireny raim-pianakaviana ireny: “Tsapako fa ny fianaram-pianakaviana tsy tapaka isaky ny alarobia hariva, izay natomboka efa ho 30 taona lasa izay, no nandray anjara lehibe dia lehibe tamin’ny fitomboan’ny zanakay teo amin’ny lafiny ara-panahy.” Vita batisa fony mbola kely avokoa ireo zanany telo, ary samy niditra tao amin’ny fanompoana manontolo andro tatỳ aoriana. Ho fanampin’ny fianaram-pianakaviana, dia azo atao ny manao famerenana ireo fomba fampiseho amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, na ireo anjara amin’ny fivoriana, ary azo atao ny miara-mankafy fanaovan-javatra mahasoa hafa.
7 Ao amin’ny fandaharam-potoananao isan-kerinandro, moa ve misy fotoana ‘hararaotinao’ hitoriana ilay Fanjakana? (Kol. 4:5). Be atao ny ankamaroantsika, satria manana andraikitra ao amin’ny fianakaviana sy ao amin’ny kôngregasiôna. Raha tsy manao fandaharana hentitra tsara mba handraisana anjara amin’ny asa fitoriana sy fampianarana isan-kerinandro isika, dia ho tena mora ho an’ny zavatra hafa ny haka ny toeran’io asa lehibe io. Hoy ny tompon’ny toeram-piompiana lehibe iray: “Tany amin’ny 1944, dia takatro fa ny fanokanana andro iray ho amin’ny fanompoana no hany fomba hahafahako hanao izany. Hatramin’izao dia mbola maka andro iray tsy iasana ao anatin’ny herinandro ihany aho, mba hanaovana fanompoana.” Hitan’ny loholona kristianina iray fa manampy azy hahavita 15 ora isam-bolana, amin’ny antsalany, ny fananana fandaharam-potoana hentitra tsara anaovana asa fitoriana. Raha sendra misy raharaha ataony ny asabotsy, dia ataony aorian’ny fanompoany eny amin’ny saha ny maraina izany. Moa ve ianao sy ny fianakavianao afaka manokana andro iray isan-kerinandro, fara fahakeliny, ho amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, ka hanao izany ho tapany amin’ny fomba fiainanareo ara-panahy? — Fil. 3:16.
8 Diniho ny fahazaranao eo amin’ny fiainana: Misy zavatra izay manohitra ny fanorenantsika ny fiainantsika eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Mety hanelingelina ny fandaharam-potoana efa nomanintsika tamim-pitandremana hianarana sy hivoriana ary hanompoana, ny tarehin-javatra tsy ampoizina. Ary hanao izay rehetra azony atao i Satana, ilay Fahavalontsika, mba ‘hanakana’ sy hampandamòka ny fikasantsika. (1 Tes. 2:18; Efes. 6:12, 13). Aza mamela ireny vato misakana ireny hanakivy anao, ka hahatonga anao hanary toky. Ataovy izay fanitsiana rehetra ilaina mba hanatanterahanao ny asa teôkratika izay efa ao anatin’ny fandaharam-potoananao. Tena ilaina ny fahatapahan-kevitra sy ny fikirizana mba hanatanterahana izay tena mendrika ny hatao.
9 Tsy tokony havelantsika hampiditra fanaovan-javatra tsy ara-panahy, izay mety hanomboka haka be dia be amin’ny fotoanantsika sy ny fiheverantsika, ny fitaoman’izao tontolo izao sy ny fitaoman-dratsin’ny nofontsika tsy lavorary. Ilaina ny fandinihan-tena, amin’ny fampiasana fanontaniana toy izao: ‘Moa ve ny fomba fiainako manjary tsy voalanjalanja na azo lazaina hoe mibirioka tsikelikely? Moa ve aho nanomboka nanorina ny fiainako teo amin’ireo zavatra mandalo eo amin’ity tontolo ity? (1 Jaona 2:15-17). Fotoana manao ahoana no laniko eo amin’ny fikatsahan-javatra ho ahy manokana, ny fanaovana dia lavitra mahafinaritra, ny fanatanjahan-tena, na ny fialam-boly hafa — anisan’izany ny fijerena televiziona na ny fijerijerena ao amin’ny Internet — raha oharina amin’ny fotoana laniko eo amin’ny fanaovan-javatra ara-panahy?’
10 Inona no tokony hataonao raha tsapanao fa nihananjary feno fanaovan-javatra tsy tena ilaina ny fiainanao? Nivavaka i Paoly mba ‘hanaiky hahitsy’, na “haverina eo amin’ny filaharana tokony ho izy”, ireo rahalahiny. Tsy misy hafa amin’ny nataony, nahoana raha mitalaho ny fanampian’i Jehovah mba hanjary hifantoka indray amin’ny fanompoana azy? (2 Kor. 13:9, 11, NW, f.a.p.) Avy eo dia aoka ianao ho tapa-kevitra ny hiaina mifanaraka amin’ny fahatapahan-kevitrao, ary ataovy ny fanitsiana ilaina. (1 Kor. 9:26, 27). Hanampy anao tsy hivily ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia i Jehovah, eo amin’ny fanompoanao azy amim-pankatoavana. — Ampitahao amin’ny Isaia 30:20, 21.
11 Aoka ianao ho be atao hatrany eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra amim-pifaliana: Olona an-tapitrisany maro no mikatsaka mafy dia mafy ny fahasambarana, nefa hitan’izy ireo fa rehefa akaiky ny faran’ny fiainany, dia tsy nitondra fahasambarana maharitra ho azy ny zavatra ara-nofo izay notadiaviny fatratra. ‘Fisamboran-drivotra foana’ izany. (Mpit. 2:11). Etsy an-danin’izany, dia hahita fahafaham-po lalina isika, raha mampifantoka ny fiainantsika hatrany amin’i Jehovah, ka ‘hanao azy eo anatrehantsika mandrakariva’. (Sal. 16:8, 11). Izany no izy, satria i Jehovah no tena anton’ny fisiantsika. (Apok. 4:11). Tsy misy heviny ny fiainana, raha tsy misy azy, ilay Mpikasa Lehibe. Ny fanompoantsika an’i Jehovah dia mameno ny fiainantsika amin’ny fanaovan-javatra misy heviny sy mendrika, izay mitondra soa maharitra, eny, mandrakizay, ho antsika, ary koa ho an’ny hafa.
12 Tena zava-dehibe ny tsy hahatongavantsika ho afa-po loatra amin’ny tenantsika, ka hanjary tsy ho dodona intsony manoloana ny faran’ny tontolon’i Satana izay mihamanatona haingana. Misy heriny eo amin’ny fiainantsika andavanandro ny fijerintsika ny hoavy. Ny olona tamin’ny andron’i Noa, izay tsy nino fa hisy ny safo-drano haneran-tany, dia nampifantoka ny fiainany andavanandro tamin’ny fikatsahana zavatra ho azy manokana — ny fihinanana sy ny fisotroana ary ny fampakaram-bady — ka “tsy fantany” mandra-pahatongan’ny safo-drano, izay “nandringana ny olona rehetra”. (Matio 24:37-39). Amin’izao andro izao, ireo izay mampifantoka ny fiainany amin’ity tontolo ity, dia hahita fa ho montsamontsana eo anoloan’izy ireo ny fanantenany ny hoavy, ao amin’ilay fandringanana lehibe indrindra amin’izay hitan’ny olona hatramin’izay, dia ny “andron’i Jehovah”. — 2 Pet. 3:10-12, NW.
13 Manohiza àry manorina ny fiainanao eo amin’i Jehovah, ilay Andriamanitra velona, ary eo amin’ny fanaovana ny sitrapony. Tsy misy mendri-pitokisana toa an’i Jehovah eto amin’ity fiainana ity. Tsy mahay mandainga izy — hitana ny fampanantenany izy. (Tit. 1:2). Tsy mety maty izy — tsy misy na inona na inona ankinina amin’i Jehovah ka ho very. (Hab. 1:12, NW; 2 Tim. 1:12). Ny fiainana amim-pankatoavana sy feno finoana izay aorintsika dieny ankehitriny, dia vao fiandohana fotsiny amin’ny fiainana izay haharitra mandrakizay eo amin’ny fanompoana amim-pifaliana an’ilay Andriamanitsika sambatra! — 1 Tim. 1:11; 6:19.
[Teny notsongaina, pejy 3]
‘Tsy tapany iray amin’ny fiainanay ny fahamarinana, fiainanay mihitsy izy io. Mifantoka amin’izy io ny zavatra hafa rehetra.’