FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 12/98 p. 8
  • Fanolorana ny Boky Fahalalana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanolorana ny Boky Fahalalana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
  • Mitovitovy Aminy
  • Mankasitraka ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao ny Olona An-tapitrisany Maro
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Dingana Iray Lehibe ho An’ireo Tia ny Tenin’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Marina Tsara ve ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao?
    Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Fianarana Faha-8 — Ny Tombon’ny “Fandikan-tenin’izao Tontolo Izao Vaovao”
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
km 12/98 p. 8

Fanolorana ny Boky Fahalalana

1 I Jehovah Andriamanitra no “mampianatra fahalalana ny olona”. (Sal. 94:10). Mampiasa antsika izy mba hampielezana ny fahalalana momba Azy amin’ny olona tsy mahafantatra ny fomba tiany hanompoana azy. Boky faran’izay tsara ny boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, izay afaka manampy ny olona hahazo fahalalana araka ny marina momba an’Andriamanitra, araka ny hita ao amin’ny Baiboly. (1 Tim. 2:3, 4). Hanampy ny olona hahatakatra izay tian’i Jehovah hampianarina azy ny fomba mazava sy lôjika anazavan’ny boky Fahalalana ny fahamarinana.

2 Ahoana anefa no anampiana ny olona hahatakatra ny hasarobidin’io fahalalana io? Amin’ny fieritreretana fotsiny ireo valiny azontsika avy tamin’ny fahamarinana. Rehefa mieritreritra izany isika, dia ho afaka hanolotra amin-toky ny boky Fahalalana. Indro misy fomba fampiseho anoloran-kevitra.

3 Fomba fampiseho anoloran-kevitra: “Miova haingana aoka izany ny fitsipi-pitondran-tena ankehitriny, ary tsy azo antoka ny hoavintsika, koa tsy ekenao ve fa mila tari-dalana azo ianteherana isika eo amin’ny fiainana? [Avelao izy hamaly.] Na dia ny boky tranainy indrindra aza ny Baiboly, dia manome torohevitra azo ampiharina ny amin’ny fomba fiaina maoderina sy ny fiainam-pianakaviana sambatra.” Avy eo dia jereo ny toko faha-2 amin’ny boky Fahalalana, ary vakio ny fehintsoratra faha-10 sy ny fehezanteny voalohany amin’ny fehintsoratra faha-11, anisan’izany ny 2 Timoty 3:16, 17. Raha liana ilay olona, dia apetraho aminy ny boky Fahalalana, ary hazavao ny fandaharantsika momba ny fampianarana Baiboly maimaim-poana ao an-tokantrano.

4 Tokony ho mora amintsika ny mampiasa ny boky Fahalalana mba hitarihana fampianarana Baiboly sy hanampiana ny olona hahatakatra ny fahalalana an’Andriamanitra, satria mazava ny teny ampiasain’ilay boky ary lôjika ny fanjohian-kevitra ao anatiny. Tokony hiezaka ireo mitarika fampianarana Baiboly mba hamantatra izay porofoin’ilay boky isaky ny toko, ka hampita izany amin’ny mpianatra. Midika izany fa tsy maintsy mazoto mianatra ilay mpampianatra, mba hazava tsara ao an-tsainy ireo hevi-dehibe.

5 Raha mihevitra ianao fa ho tsara kokoa ny hanombohana ny fampianarana amin’ny bokikely Takina, dia azonao atao izany. Hahita fampidiran-dresaka fanampiny mifanentana amin’ny toe-javatra ianao ao amin’ny pejy faha-9-15 amin’ny boky Fanjohian-kevitra.

6 Aoka isika haneho ny fankasitrahantsika ilay boky tsara dia tsara hoe Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Afaka maneho izany isika amin’ny fanolorana azy io amin-jotom-po amin’ity volana Desambra ity.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara