FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • rq lesona 13 p. 26-27
  • Ahoana no Fomba Ahitanao ny Fivavahana Marina?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no Fomba Ahitanao ny Fivavahana Marina?
  • Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?
  • Mitovitovy Aminy
  • Ahoana no Ahafantaranao hoe Iza no Fivavahana Marina?
    Vaovao Tsara Natao ho Anao!
  • Ahoana no Amantarana ny Fivavahana Marina?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Fivavahana Ankasitrahan’Andriamanitra
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
  • Ny fomba famantatra ny fivavahana marina
    Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
Hijery Hafa
Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?
rq lesona 13 p. 26-27

Lesona Faha-13

Ahoana no Fomba Ahitanao ny Fivavahana Marina?

Tian’Andriamanitra avokoa ve ny fivavahana rehetra, sa iray ihany no tiany? (1)

Nahoana no misy fivavahana maro be milaza fa Kristianina? (2)

Ahoana no ahafantaranao ny tena Kristianina? (3-7)

1. Iray monja ny fivavahana kristianina marina naorin’i Jesosy. Tsy maintsy iray monja koa àry, amin’izao andro izao, ny fivavahana misy ireo tena mpivavaka amin’i Jehovah Andriamanitra. (Jaona 4:23, 24; Efesiana 4:4, 5) Ampianarin’ny Baiboly fa vitsivitsy monja ny olona mandeha eo amin’ny lalana tery mankany amin’ny fiainana.—Matio 7:13, 14.

2. Efa nambaran’ny Baiboly fa hisy fampianaran-diso sy fanao tsy kristianina hiditra tsimoramora ao amin’ny fiangonana kristianina, rehefa maty ireo apostoly. Hisy hitaona ny mpino hanaraka ny azy, fa tsy hanaraka an’i Kristy. (Matio 7:15, 21-23; Asan’ny Apostoly 20:29, 30) Izany no antony ahitantsika fivavahana maro samy hafa milaza fa Kristianina. Ahoana no ahafantarantsika ny tena Kristianina?

3. Ny famantarana miavaka indrindran’ny tena Kristianina, dia hoe mifankatia marina tokoa izy ireo. (Jaona 13:34, 35) Tsy ampianarina hihevi-tena ho tsara kokoa noho ireo hafa firazanana na volon-koditra, izy ireo. Tsy ampianarina hankahala olona avy any an-tany hafa koa izy ireo. (Asan’ny Apostoly 10:34, 35) Tsy miditra amin’ny ady àry izy ireo. Mifampitondra toy ny mpirahalahy sy mpirahavavy ny tena Kristianina.—1 Jaona 4:20, 21.

4. Fomba hafa amantarana ny fivavahana marina ny fanajana lalina ny Baiboly asehon’ireo mpikambana ao aminy. Ekeny ho Tenin’Andriamanitra izy io, ary inoany izay voalaza ao. (Jaona 17:17; 2 Timoty 3:16, 17) Amin’izy ireo ny Tenin’Andriamanitra dia zava-dehibe kokoa noho ny hevitra na fombafomban’olombelona. (Matio 15:1-3, 7-9) Miezaka mampifanaraka ny fiainany amin’ny Baiboly izy ireo. Noho izany, dia mampihatra izay toriny izy ireo.—Titosy 1:15, 16.

5. Tsy maintsy manome voninahitra ny anaran’Andriamanitra koa ny fivavahana marina. (Matio 6:9) Nampahafantarin’i Jesosy tamin’ny hafa ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah. Tsy maintsy manao izany koa ny tena Kristianina. (Jaona 17:6, 26; Romana 10:13, 14) Iza amin’ireo mpiara-monina aminao no milaza ny anaran’Andriamanitra amin’ny hafa?

6. Tsy maintsy mitory ny Fanjakan’Andriamanitra ny tena Kristianina. Nanao izany i Jesosy. Niresaka foana momba ilay Fanjakana izy. (Lioka 8:1) Nandidy ny mpianany mba hitory io hafatra io maneran-tany izy. (Matio 24:14; 28:19, 20) Mino ny tena Kristianina fa ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no hitondra tena fiadanana sy filaminana eto an-tany.—Salamo 146:3-5.

7. Tsy tokony ho naman’ity tontolo ratsy ity ny mpianatr’i Jesosy. (Jaona 17:16) Tsy mitsabaka amin’ny politika sy ny fifandirana ara-tsosialin’izao tontolo izao izy ireo. Halaviriny ny fitondran-tena sy fanao ary fihetsika manimba izay fahita eo amin’izao tontolo izao. (Jakoba 1:27; 4:4) Misy fivavahana ahitana ireo famantarana ny Kristianisma marina ireo, ve voamarikao eo amin’ny manodidina anao?

[Sary, pejy 26, 27]

Mifankatia, sy manaja ny Baiboly, ary mitory ny Fanjakan’Andriamanitra ny tena Kristianina

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara